Teny iditra satroka
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Isam-pitafiana mandrakotra ny loha, vita amin' ny bonetra na bosoa na amin' ny karazan-javamaniry toy ny mololo, ny penjy... ary na amin' ny lamba koa aza. Arakaraka ny zavatra anaovana azy na ny bikany, ireto avy ny karazan-tsatroka lehibebe hita teto: satroka ahibano, satroka ba, satroka bonetra, satro-bory, satroka harona, satroka jaomalanga, satroka jobo, satroka kasikety, satroka panama, satroka penjy, satroka tavimandry, satroka valalamihoatra, satroka fito rantsana [1.1]
Fanazavàna teny anglisy A hat [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Chapeau [1.8]
Ohatra Vao renay ny fiarakodia avy dia niampirina an-tsisin-dalana izahay rehetra ary efa nivonona hanala satroka daholo. [2.472]
Haiendriteny 
Tsotra : satroka, satroko, satrokao, satrony, satrotsika, satrokay, satrokareo, satrok', satro-, satroky
Tovonana : -tsatroka, -tsatroko, -tsatrokao, -tsatrony, -tsatrotsika, -tsatrokay, -tsatrokareo, -tsatrok', -tsatro-, -tsatroky
Sampanteny 
Kamban-teny 
Anaram-biby 
Ohabolana 
Sary 

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/08/11