|
|
|
|

Teny iditra (1/3) 1  adidy
Sokajin-teny  2  anarana
Haiendriteny 
3  Tsotra :
Sampanteny 
Matoantenin' ny mpanao :
Matoantenin' ny iharana :
Matoantenin' ny fameno :
Anarana :
Fanazavàna teny malagasy  19 Zavatra tsy maintsy atao takin' ny raharaha iandraiketana, ny toerana misy ny tena na ny fifandraisana amin' ny hafa: Adidin' ny mpitondra ny mifehy tsara ny firenena sy manao izay hampanan-karena ny tany./ Tsarovy fa adidinao manankanaovana ny manampy ireo fadiranovana
20 henatra, andraikitra
21 Tsiny, soketa: Manana adidy ianao raha manao izany
22 Zavatra ekena hatao mba ho fanasoavana ny hafa: Ny adidy tsy an' olon-dratsy. [1.1]
23 zavatra tokony hotanterahina ka ananan-tsiny ny tsy fahavitana azy [1.13]
Fanazavàna teny anglisy  24 responsibility; blame, censure [1.2, 1.7]
25 something for which one is held responsible. See andraikitra [1.2]
Fanazavàna teny frantsay  26 devoir [1.3, 1.8, 1.13, 1.5]
27 responsabilité [1.3, 1.8, 1.5]
28 blâme, censure [1.3, 1.8]
Ohatra  29  adidinao ny mifehy tsara ny fianakavianao (Votre devoir est de bien gouverner votre famille) [1.3]
30  adidinao ny ahatongavan' ireo mpiasa ireo (Vous êtes responsable de l'arrivée de ces ouvriers) [1.3]
31  Avy eo ny filazana vaovao sy ny adidy samihafa. [2.470#19]
Voambolana  32  Filôzôfia
Tovy hevitra  33 fondro, soketa, tsiny
Fikambanana  34  Fitenena, anaran-tany, anaram-java-maniry sy ny sisa miisa 9 misy ny teny how adidy
Ohabolana  35  Ohabolana misy io teny io

Teny iditra (2/3) 36  adidy
Fototeny  37 didy
Sokajin-teny  38  matoantenin' ny iharana
Haiendriteny 
39  Ny ankehitriny :
40  Ny lasa :
41  Ny hoavy :
42  Filaza mandidy :
Fanazavàna teny malagasy  43 Entina mandidy, ampiasaina handidiana: Aza dia ny vohon'antsy re no adidy itỳ voasary e! [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  44 used of that with which anything is cut [1.2#114]
Fanazavàna teny frantsay  45 avec quoi on coupe, on découpe: Io antsy io no adidinao ny vorontsiloza (C'est avec ce couteau que vous devez découper le dindon) [1.3]
Ohabolana  46  Ohabolana misy io teny io

Teny iditra (3/3) 47  adidy
Sokajin-teny  48  anarana
Fanazavàna teny malagasy  49 [Antesaka] fanambarana fa tanin'olona, kalo [1.78]

Fivaditsoratra  adidy, 50 Idida

Nohavaozina tamin' ny 2026/04/22