|
|
|
|

Teny iditra (1/2)1  folaka
Sokajin-teny  2  mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy  3  Miforitra, mioritra: Folaka ilay hazo fa tsy tapaka akory / Nianjera ny zandriko ka folaka ny tongony 4  Hendry: Tsy mbola folaka io omby io fa tandremo 5  Mihena hery, tony: Rehefa folaka ny andro, mitsoka ny tsiodrivotra 6  Mitony: Folaka ny hatezerany ka mahazo miresaka aminy ianao 7  Resy, tsy manao intsony: Efa folaka amin' ny fisotroana Rakoto. [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  8  broken but still holding together; broken to work, as a horse or an ox [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  9  fracturé [1.13]
Ohatra  10  Farany, ny ainy no folaka an-dantony! [2.503]
11  Inona ary izany : folaka antsy fotsy? [2.69]
12  folaka ny vozona raha miondri-dava izao. [2.643]
Sampanteny 
13  Matoantenin' ny mpanao :
14  Matoantenin' ny iharana :
15  Matoantenin' ny fameno :
16  Anarana :
17  Mpamaritra :
Mpanahaka  18  pitsoka, mioritra, mipika, mivika, miolana, miholaitra, mihodivitra, maninta, tapaka
Kamban-teny 
Anaram-javamaniry 
Ohabolana  25  Ohabolana misy io teny folaka io

Teny iditra (2/2)26  folaka
Sokajin-teny  27  anarana
Fanazavàna teny frantsay  28  foulure, fracture [1.13]
Kamban-teny 

Fivaditsoratra  30  falako, folaka, kolafa

Nohavaozina tamin' ny 2023/07/29