|
|
|
|

Teny iditra (1/2) 1  folaka
Sokajin-teny  2  mpamaritra
Sampanteny 
Matoantenin' ny mpanao :
Matoantenin' ny iharana :
Matoantenin' ny fameno :
Anarana :
Mpamaritra :
Fanazavàna teny malagasy  18 Miforitra, mioritra: Folaka ilay hazo fa tsy tapaka akory / Nianjera ny zandriko ka folaka ny tongony
19 Hendry: Tsy mbola folaka io omby io fa tandremo
20 Mihena hery, tony: Rehefa folaka ny andro, mitsoka ny tsiodrivotra
21 Mitony: Folaka ny hatezerany ka mahazo miresaka aminy ianao
22 Resy, tsy manao intsony: Efa folaka amin' ny fisotroana Rakoto. [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  23 broken but still holding together; broken to work, as a horse or an ox [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  24 fracturé [1.13]
Ohatra  25  Farany, ny ainy no folaka an-dantony! [2.503#6]
26  Inona ary izany : folaka antsy fotsy? [2.69#261]
27  folaka ny vozona raha miondri-dava izao. [2.643#210]
Mpanahaka  28  maninta, 29  mihodivitra, 30  miholaitra, 31  miolana, 32  mioritra, 33  mipika, 34  mivika, 35  oritra, 36  pitsoka, 37  tapaka
Fikambanana  38  Fitenena, anaran-tany, anaram-javamaniry sy ny sisa miisa 18 misy ny teny hoe folaka
Ohabolana  39  Ohabolana misy io teny io

Teny iditra (2/2) 40  folaka
Sokajin-teny  41  anarana
Fanazavàna teny frantsay  42 foulure, fracture [1.13]
Fikambanana  43  Fitenena, anaran-tany, anaram-javamaniry sy ny sisa miisa 2 misy ny teny hoe folaka

Fivaditsoratra  44 falako, folaka, 45 kolafa

Nohavaozina tamin' ny 2026/04/22