| Teny iditra | 1 mandidy |
| Fototeny | 2 didy |
| Sokajin-teny | 3 matoantenin' ny mpanao |
| Haiendriteny |
|
| Fanazavàna teny malagasy |
8 [Sihanaka] mikapa, mitetika
[1.78] 9 mikapa, mandrasa: Tsy mora araka ny fiheverana azy akory ny mandidy hena 10 Manapaka lamba amin' ny hety mba hanaovana akanjo: Iza no nandidy ny akanjonao? 11 Mandrasa nofo na manapaka taova amin' ny olombelona mba hanalana aretina mahazo azy: Dokotera iza no nandidy ny vavoninao? 12 Mampanao: Mandidy zava-tsarotra loatra ianao, tompoko 13 Mifehy, manapaka: Iza no mandidy eto amin' ny faritany? 14 Mizaka, tompom-pahefana amin' ny fananana: Mandidy ny fananako aho 15 Teny misy ifandraisany amin' ny Mandidy: manapaka, mibaiko, mandahatra, mizaka, mifehy, manendry, manery, manjakazaka, mandidy tokana, mandidy tsy zehena, tsy refesi-mandidy, manao teniko fe lehibe, manao didy boraingona [1.1] 16 manaraka soritra miolika [1.13] |
| Fanazavàna teny anglisy |
17 to cut, to command, to order
[1.2] 18 to cut 19 to command [1.7] |
| Fanazavàna teny frantsay |
20 couper
21 commander [1.3#101, 1.8] 22 tailler, découper, faire une incision, percer avec le bistouri: Nandidy ny masony ny dokotera (Le médecin a fait une incision à son oeil) ~ Nandidy ny vay ny dokotera (Le médecin a percé l’abcès avec le bistouri) [1.3#101] 23 chantourner [1.13] |
| Ohatra |
24 Tsy izaho ve no mandidy sy manapaka eto?
[2.528#]
|
| Fikambanana | 25 Fitenena, anaran-tany, anaram-javamaniry sy ny sisa miisa 14 misy ny teny hoe mandidy |
| Ohabolana | 26 Ohabolana misy io teny io |
| Nohavaozina tamin' ny 2026/04/21 |
|