|
|
|
|

Teny iditra 1  miady
Fototeny  2 ady
Sokajin-teny  3  matoantenin' ny mpanao
Haiendriteny 
4  Ny ankehitriny :
5  Ny lasa :
6  Ny hoavy :
7  Filaza mandidy :
Fanazavàna teny malagasy  8 Mifamely amin' ny basy aman-defona: Mahay miady ny tari-dRamarovokatra noho ny an-dRamarovolana
9 Mifampitory eny amin' ny fitsarana: Miady lova ireto olona ireto
10 Mifanditra, tsy mifanaraka: Tsy manao afa-tsy ny miady ireo zaza mifanarakaraka ireo
11 Mikaona tsara: Miady tsara lahy ny rafitr' itỳ lalimoara itỳ [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  12 To fight, make war [1.2, 1.7]
13 to quarrel, to contend in words or deeds. [1.2]
14 to fit closely together, to correspond exactly [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  15 Se battre, être en guerre, faire la guerre [1.3, 1.8]
16 être en procès, se disputer
17 être joint, s'accoler, se mélanger, être comparé, confronté, se rapporter au type [1.3]
18 être bien ajusté; correspondre [1.8]
Ohatra  19  Tsy maintsy miady hatramin' nyfarany aho. [2.471#72]
20  Fantatsika fa miady ny tany ankehitriny, hoy izy. [2.472#129]
Mpanahaka  21  mandrafitra ady, 22  miady, 23  mifamango, 24  mifamely, 25  mifamely antsamotady, 26  mifamovoka, 27  mifampikatroka, 28  mifanafika, 29  mifanakofoka, 30  mifanakotika, 31  mifanandrina, 32  mifanangana, 33  mifananika mifanora-bato, 34  mifanao ambakiloha, 35  mifanao ankolafiny, 36  mifanao mandrosoa fa masaka ny lohomby, 37  mifanatrika, 38  mifandazo, 39  mifandramatra, 40  mifandringana, 41  mifandripaka, 42  mifandrotika, 43  mifanjenjina, 44  mifanjinja, 45  mifanondro basy aman-defona, 46  mifanorotoro, 47  mifanotohoto, 48  mikatroka, 49  mikatroka, 50  mikitra, 51  mikitrana, 52  mipaka, 53  rafitra ady
Fikambanana  54  Fitenena, anaran-tany, anaram-javamaniry sy ny sisa miisa 32 misy ny teny hoe miady
Ohabolana  55  Ohabolana misy io teny io

Fivaditsoratra  56 amidy, 57 i mady, miady, 58 midia

Nohavaozina tamin' ny 2026/04/22