|
|
|
|

Teny iditra (1/2) 1  midina
Fototeny  2 idina
Sokajin-teny  3  matoantenin' ny mpanao
Haiendriteny 
4  Ny ankehitriny :
5  Ny lasa :
6  Ny hoavy :
7  Filaza mandidy :
Fanazavàna teny malagasy  8 Mandeha mankamin' ny toerana ambanimbany kokoa: Nidina tany ambany rihana aho raha vao nandre ny feony
9 Mivarina: Midina any Betsiboka Ikopa
10 mihemotra, mitambotsotra, lasa ambanimbany kokoa: Midina, hono, ny vidim-bary fa efa tonga ny vary vao ~ Efa sitrana ny zanakao fa efa nidina ny hafanany
11 Mikoriana: Midina eo amin' ny takolany ny ranomasony [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  12 to pour out, to go down, to descend, to flow out [1.2]
13 to come down [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  14 descendre [1.3, 1.8, 1.13]
15 baisser [1.3, 1.8]
16 couler comme le liquide [1.3]
17 couler [1.8]
Ohatra  18  nidina tany Mojanga izy (Il est descendu à Majunga) [1.3]
19  nidina tany ambanivohitra izy (Il est allé à la campagne) [1.3]
20  midina hoatra ny rano ny ranomasony (Ses larmes coulent comme de l'eau) [1.3]
21  midina ny barometratra (Le baromètre descend) [1.3]
22  midina ny ranomasina (La mer baisse) [1.3]
23  Nidina ny tohatra izy, haingana sy hendratrendratra ... [2.470#58]
24  Indray asabotsy hariva, mba tsy nidina tany an-tsaha izahay. [2.472#57]
Mpanahaka  25  manao ankororosy, 26  manao lanja midina, 27  mandeha any ava, 28  mandrorona, 29  manorika, 30  mianotra, 31  mibotetaka, 32  mietry, 33  mietry vintana, 34  mihemotra, 35  mikodingy, 36  mikorisa, 37  mikororosy fahana, 38  mikorotsaka, 39  mitakemotra, 40  mitambalana, 41  mitambororotra, 42  mitamborotsaka, 43  mitambotsotra, 44  mitsontsori-bava, 45  mitsontsorika, 46  mivalana, 47  mivalangidina, 48  mivalangitrika, 49  mivarilavo, 50  mivarina, 51  mivarina
Fikambanana  52  Fitenena, anaran-tany, anaram-javamaniry sy ny sisa miisa 9 misy ny teny hoe midina
Ohabolana  53  Ohabolana misy io teny io

Teny iditra (2/2) 54  midìna
Fototeny  55 idina
Sokajin-teny  56  filaza mandidin' ny matoantenin' ny mpanao midina [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  [1.1]
Fanazavàna teny frantsay  [1.3]

Fivaditsoratra  57 andimy, 58 dimany, 59 dimina, 60 madiñy, 61 mañidy, manidy, midina, midìna, 62 minday

Nohavaozina tamin' ny 2026/08/19