Teny iditra (1/2) | 1 midina (idina) |
Sokajin-teny | 2 matoantenin' ny mpanao |
Fanazavàna teny malagasy |
3 Mandeha mankamin' ny toerana ambanimbany kokoa: Nidina tany ambany rihana aho raha vao nandre ny feony 4 Mivarina: Midina any Betsiboka Ikopa 5 mihemotra, mitambotsotra, lasa ambanimbany kokoa: Midina, hono, ny vidim-bary fa efa tonga ny vary vao ~ Efa sitrana ny zanakao fa efa nidina ny hafanany 6 Mikoriana: Midina eo amin' ny takolany ny ranomasony [1.1] |
Fanazavàna teny anglisy |
7 to pour out, to go down, to descend, to flow out [1.2] 8 to come down [1.7] |
Fanazavàna teny frantsay |
9 descendre [1.3, 1.8, 1.13] 10 baisser [1.3, 1.8] 11 couler comme le liquide [1.3] 12 couler [1.8] |
Ohatra |
13 nidina tany Mojanga izy (Il est descendu à Majunga) [1.3] 14 nidina tany ambanivohitra izy (Il est allé à la campagne) [1.3] 15 midina hoatra ny rano ny ranomasony (Ses larmes coulent comme de l'eau) [1.3] 16 midina ny barometratra (Le baromètre descend) [1.3] 17 midina ny ranomasina (La mer baisse) [1.3] 18 Nidina ny tohatra izy, haingana sy hendratrendratra ... [2.470] 19 Indray asabotsy hariva, mba tsy nidina tany an-tsaha izahay. [2.472] |
Haiendriteny |
|
Mpanahaka | 24 mikorisa, mivalana, mitambalana, mitsontsorika, mitsontsori-bava, manorika, mikorotsaka, mitamborotsaka, mikodingy, mivarina, mivalangitrika, mivalangidina, mitambororotra, mandeha any ava, manao ankororosy25 mihemotra, mitakemotra, mitambotsotra, mianotra, mandrorona, mikororosy fahana, mietry, mietry vintana, mivarina, manao lanja midina, mivarilavo, mibotetaka |
Kamban-teny |
|
Ohabolana | 31 Ohabolana misy io teny midina io |
Teny iditra (2/2) | 32 midìna (idina) |
Sokajin-teny | 33 filaza mandidin' ny matoantenin' ny mpanao midina |
Fanazavàna teny malagasy |
[1.1] |
Fanazavàna teny frantsay |
[1.3] |
Tsanganana sy sary iray takila |
34 Ny matoantenin' ny mpanao mandidy rehetra |
Fivaditsoratra | 35 dimina, midina, midìna, dimina, midina, midìna |
Nohavaozina tamin' ny 2023/06/11 |