|
|
|
|

Teny iditra 1  sahirana
Sokajin-teny  2  mpamaritra
Haiendriteny 
3  Tsotra :
Sampanteny 
Matoantenin' ny mpanao :
Matoantenin' ny iharana :
Matoantenin' ny fameno :
Anarana :
Mpamaritra :
Fanazavàna teny malagasy  19 Be raharaha vonjena atsy sy arỳ: Sahirana aho anio ka tsy afaka handray olona / Sahirana be ihany ry zareo ato avaratra fa manana vahiny betsaka
20 Be ahiahy, manahy, sanganehana, valsa: Sahiran-tsaina aoka izany izy amin' ilay ady lova tsy mety vita
21 Sosotra, sorena: Sahirana ny anao fa tsy afa-panadinana
22 Tsy manam-bola, ao anatin' ny tsy fisiana, haporetana: Sahirana mafy Rakoto mianadahy avy hatramin' ny nahafatesan-drainy
23 Mahatsiaro fahasarotana: Sahirana erỳ izy rehefa mandeha noho ilay vay ao amin' ny feny [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  24 bothered, worried, perplexed; poor, in difficulty [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  25 ennuyé [1.3, 1.8]
26 affairé, embarrassé, occupé, préoccupé, qui a du souci, vexé [1.3]
27 perplexe; dans l'embarras; pauvre, qui manque d'argent [1.8]
Ohatra  28  Tsy ho sahirana rahateo koa izy noho ny fahalehibeazan' ny ankizy [2.470#96]
29  sahirana be ihany aho, fa manam-bahiny (Je suis très embarrassé, très occupé, parce que j'ai un hôte à traiter) [1.3#558]
30  sahirana loatra aho amin’ ity ady ity (Je suis très embarrassé, très préoccupé à cause de ce procès) [1.3#558]
31  sahirana aho, satria tsy lafo ny ombiko (Je suis ennuyé, vexé de ce que mon bœuf n’a pas été vendu) [1.3#558]
Mpanahaka  32  Be raharaha, 33  jambena, 34  mahantra, 35  maro herehina, 36  maro sahanina, 37  mihenikenika, 38  Miheninkenina, 39  miheninkenina, 40  mipenimpenina, 41  mipenimpenina, 42  poribola, 43  Poritra, 44  sahirankirana, 45  tery, 46  tominjana
Fikambanana  47  Fitenena, anaran-tany, anaram-javamaniry sy ny sisa miisa 2 misy ny teny hoe sahirana
Ohabolana  48  Ohabolana misy io teny io

Fivaditsoratra  sahirana, 49 sarahina, 50 sarihana

Nohavaozina tamin' ny 2026/04/22