Teny iditra tsinjo
Sokajin-teny matoanteny mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy Sandra hita tsipalotra: Tsinjoko teny an-tsena Rakoto tamin' ilay maizim-bava vilany iny
Hita avy amin' ny toerana ambony: Tsinjoko ery an-dohasaha ny ondrinareo miraoka ahi-maitso
Tazana lavitra: Tsinjonao ve iry vato mandondona be iry? Any ambadik' iny no misy ny any aminay [1.1]
Ohatra Analakely tomefy vahoaka anefa no tsinjo ary vahoaka minia tsy mahalala ny hamafin' ny toetr' andro noho ny antom-pivelomana manery sy mahazaka maniriraka. [2.470]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : tsinjo, tsinjoko, tsinjonao, tsinjony, tsinjontsika, tsinjonay, tsinjonareo, tsinjon', tsinjon-, tsinjom-
Ny lasa : tsinjo, tsinjoko, tsinjonao, tsinjony, tsinjontsika, tsinjonay, tsinjonareo, tsinjon', tsinjon-, tsinjom-
Ny hoavy : ho tsinjo, ho tsinjoko, ho tsinjonao, ho tsinjony, ho tsinjontsika, ho tsinjonay, ho tsinjonareo, ho tsinjon', ho tsinjon-, ho tsinjom-
Sampanteny 
 
Kamban-teny, lohateny, anarana 
Anaran-toerana 
Ohabolana 

Nohavaozina tamin' ny 2020/07/31