|
|
|
|

Teny iditra (1/2)1  alahasaty
Sokajin-teny  2  anarana
Voambolana  3  Fotoana
4  Fivavahana, finoana
Fanazavàna teny malagasy  5  laharana fahadimy amin' ny volana malagasy izany. Zana-bintana trotroin' ny Asorotany izy; ary eo am-pitotoam-bary (atsinananan' ny andry atsimo) no anjara toerany. Ny anarany dia nalaina avy tamin' ny antokon' ny kintana ataon' ny Arabo hoe El-asad (Lion, Liona).
Andro mainty ny Alahasaty, ary vinta-mpamosavy sy andron' ody; ka ny zaza teraka vava-Alahasaty, indrindra fa raha amin' ny misasakalina, dia atahorana ho tonga mpamosavy mpivoaka alina, na ho mpitana ody mahery. Koa dia tsy maintsy nalàm-bintana ny zaza toy izany. Ny odifoana (karazan' ahitra) no fanalam-paditra ny vintana Alahasaty, mba hahafoana izay ratsy, hahafoana izay tsy soa! Ny mosavinkena koa no faditra Alahasaty, mba ho lasan' iny ny mosavy rehetra! Ary rehefa afa-paditra ny zaza dia ampiambozonina volakizo (masombola tsy tapaka) sy vakamainty, atao hoe tsiambohitrinimanana sy maizinkitro, ary dia asaina miompy akoho mainty.
Tsy mba fanaovan-javatra ny vava-Alahasaty, afa-tsy ny fanandratana ody ihany; koanefa ny vodi-Alahasaty dia tsara ho fanantaran-javatra sy fampakarambady, fa vintan' ny maintimolaly io.
Ny vintana Alahasaty dia mifandratra amin' ny Adalo, fa miarina kosa eo amin' ny Adijady. [1.10]
6  [3.1]
7  volana aogositra (volana faha-5) [Taimoro] [1.78]
8  Anaran' ny volana fahadimy amin' ny volana malagasy merina, aorian' ny Asorotany ary alohan' ny Asombola, ka ny toerana omena azy ao an-trano dia amin' ny lafin-drindrina atsimo, ilany atsinanana
9  Fanandroana: Vinta-mpamosavy ny Alahasaty; vavany: raha tsy mpamosavy ny teraka misasakalina dia mpitana ody mahery; vodiny: tsara kosa, tratra antitra, ho maintimolaly [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  10  the name of the fifth month of the Malagasy year. [Al. Al-asadu - Leo major.] [1.2]
Fanazavàna teny frantsay  11  nom d'un destin [1.3#20]
Ohatra  12  Ny Adalo, ny alahasaty no mifandratra aminy. [2.857]
13  Tamy ny andro Alarobia 16 alahasaty 4 Janoary 1882. [2.59#89]
Renianarana 
Ohabolana  14  Ohabolana misy io teny alahasaty io
Tsanganana sy sary iray takila  15  Fizaran' andro

Teny iditra (2/2)16  alahasaty
Sokajin-teny  17  anarana
Lahatsoratra  18 

Nohavaozina tamin' ny 2024/08/17