<-
->

Sal 23:1 The Lord is my shepherd; I shall not want. Salamo nataon' i Davida. Jehovah no Mpiandry ahy, tsy hanan-java-mahory aho, Salamon' i Davida. Iaveh no mpiandry ahy, tsy hanan-java-mahory aho. Psaume. De David. Yahvé est mon berger, rien ne me manque.
Sal 23:2 He maketh me to lie down in green pastures: he leadeth me beside the still waters. Mampandry ahy amin' ny ahi-maitso Izy; mitondra ahy eo amoron' ny rano fialan-tsasatra Izy. Mampijanona ahy eo amin' ny vilona maitso izy, mitondra ahy ho eo amoron-drano mampangatsiatsiaka; Sur des prés d' herbe fraîche il me parque. Vers les eaux du repos il me mène,
Sal 23:3 He restoreth my soul: he leadeth me in the paths of righteousness for his name' s sake. Mamelombelona ny fanahiko Izy; mitarika ahy amin' ny lalan' ny fahamarinana noho ny anarany Izy. mamelombelona ny fanahiko. Mitarika ahy amin' ny lala-mahitsy; noho ny anarany. il y refait mon âme; il me guide aux sentiers de justice à cause de son nom.
Sal 23:4 Yea, though I walk through the valley of the shadow of death, I will fear no evil: for thou art with me; thy rod and thy staff they comfort me. Eny, na dia mandeha mamaky ny lohasaha aloky ny fahafatesana aza aho, dia tsy hatahotra ny loza aho, fa Hianao no amiko; ny tsorakazonao sy ny tehinao, ireo no mahafa-tahotra ahy. Na mandeha mamaky ny lohasaha aloky ny fahafatesana aza aho, tsy misy loza atahorako fa hianao no eo amiko; ny tsora-kazo aman-tehinao no mahafa-tahotra ahy. Passerais-je un ravin de ténèbre, je ne crains aucun mal car tu es près de moi; ton bâton, ta houlette sont là qui me consolent.
Sal 23:5 Thou preparest a table before me in the presence of mine enemies: thou anointest my head with oil; my cup runneth over. Mamelatra latabatra eo anoloako eo imason' ny fahavaloko Hianao; manosotra diloilo ny lohako Hianao; ny kapoakako feno dia feno. Mamelatra latabatra eo anoloako, eo imason' ny fahavaloko hianao, manosotra diloilo ny lohako hianao, feno mitafotafo ny kapoakako. Devant moi tu apprêtes une table face à mes adversaires; d' une onction tu me parfumes la tête, ma coupe déborde.
Sal 23:6 Surely goodness and mercy shall follow me all the days of my life: and I will dwell in the house of the Lord for ever. Eny tokoa, fahasoavana sy famindram-po no hanaraka ahy amin' ny andro rehetra hiainako, dia hitoetra ao an-tranon' i Jehovah andro lava aho. Eny fahasambarana amam-pahasoavana no homba ahy, amin' ny andro rehetra hiainako; dia hitoetra ao an-tranon' ny Tompo aho, mandritra ny andro lava. Oui, grâce et bonheur me pressent tous les jours de ma vie; ma demeure est la maison de Yahvé en la longueur des jours.

<-
->