<-
->

Eze / Ez 13:1 And the word of the Lord came unto me, saying, Ary tonga tamiko ny tenin' i Jehovah nanao hoe: Tonga tamiko ny tenin' ny Tompo nanao hoe: La parole de Yahvé me fut adressée en ces termes :
Eze / Ez 13:2 Son of man, prophesy against the prophets of Israel that prophesy, and say thou unto them that prophesy out of their own hearts, Hear ye the word of the Lord; Ry zanak' olona, maminania ny hamelezana ny mpaminanin' ny Isiraely izay maminany, ka lazao amin' izay maminany araka ny fony hoe: Mihainoa ny tenin' i Jehovah ianareo. Ry zanak' olona, maminania mamely an' ireo mpaminanin' Israely izay maminany; ka lazao amin' ireo izay maminany, avy amin' ny safidim-pony ihany hoe: Mihainoa ny tenin' ny Tompo hianareo: Fils d' homme, prophétise contre les prophètes d' Israël; prophétise et dis à ceux qui prophétisent de leur propre chef : Écoutez la parole de Yahvé.
Eze / Ez 13:3 Thus saith the Lord GOD; Woe unto the foolish prophets, that follow their own spirit, and have seen nothing! Izao no lazain' i Jehovah Tompo: Lozan' ny mpaminany adala, izay manaraka ny fanahiny sy ny zavatra tsy hitany. Izao no tenin' ny Tompo Tompo: Loza ho an' ny mpaminany adala, izay manaraka ny sainy fotsiny, fa tsy mahita na inona na inona! Ainsi parle le Seigneur Yahvé : Malheur aux prophètes insensés qui suivent leur propre esprit sans rien voir!
Eze / Ez 13:4 O Israel, thy prophets are like the foxes in the deserts. Tahaka ny amboahaolo any an-tanàna haolo ny mpaminaninao, ry Isiraely. Toy ny fosa an-tanàna haolo dia toy izany ny mpaminaninao, ry Israely ô ! Comme des chacals dans les ruines, tels furent tes prophètes, Israël.
Eze / Ez 13:5 Ye have not gone up into the gaps, neither made up the hedge for the house of Israel to stand in the battle in the day of the Lord. Tsy niakatra ho eo amin' ny banga ianareo, sady tsy nanao manda hiarovana ny taranak' Isiraely mba hifaharany amin' ny ady amin' ny andron' i Jehovah. Tsy niakatra ho eo amin' ny banga hianareo, na nanangana manda manodidina ny taranak' Israely, mba hifaharany amin' ny ady, amin' ny andron' ny Tompo. Vous n'êtes pas montés aux brèches, vous n' avez pas construit une enceinte pour la maison d' Israël, pour tenir ferme dans le combat, au jour de Yahvé.
Eze / Ez 13:6 They have seen vanity and lying divination, saying, The Lord saith: and the Lord hath not sent them: and they have made others to hope that they would confirm the word. Mahita zava-poana sy faminaniana lainga ireo izay manao hoe: Hoy Jehovah, nefa tsy nirahin' i Jehovah izy tsinona, hahazoany manantena ny hahatòvan' ny teny Fahitana tsy misy fotony ny azy, ary faminaniana mamitaka no an' ireo manao hoe: Teny marin' ny Tompo; nefa izy ireo tsy nirahin' ny Tompo, ary tsy mahazo manantena ny hahatanteraka ny teniny. Ils ont des visions vaines, un présage mensonger, ceux qui disent : " Oracle de Yahvé ", sans que Yahvé les ait envoyés; et ils attendent la confirmation de leur parole.
Eze / Ez 13:7 Have ye not seen a vain vision, and have ye not spoken a lying divination, whereas ye say, The Lord saith it; albeit I have not spoken? Moa tsy fahitana tsy izy no hitanareo, ary faminaniana lainga no lazainareo, raha hoy ianareo: Jehovah no nilaza izany; kanefa tsy nilaza izany Aho tsinona ? Tsy fahitana foana va no hitanareo, tsy faminaniana lainga va no lazainareo, raha hoy hianareo: Teny marin' ny Tompo! nefa aho tsy nilaza tsinona! N' est-il pas vrai que vous n' avez que des visions vaines et n' annoncez que présages mensongers quand vous dites : " Oracle de Yahvé ", alors que moi, je n' ai pas parlé ?
Eze / Ez 13:8 Therefore thus saith the Lord GOD; Because ye have spoken vanity, and seen lies, therefore, behold, I am against you, saith the Lord GOD. Koa izao no lazain' i Jehovah Tompo: Noho ny nilazanareo anoano foana sy ny nahitanareo lainga, dia, indro, hamely anareo Aho, hoy Jehovah Tompo. Koa izao no lazain' ny Tompo Iaveh: Noho hianareo milaza zava-poana, sady fahitana lainga, ny anareo, dia indro aho ho tonga aty aminareo - Teny marin' ny Tompo. Eh bien! ainsi parle le Seigneur Yahvé : A cause de vos paroles vaines et de vos visions mensongères, oui, je me déclare contre vous, oracle du Seigneur Yahvé.
Eze / Ez 13:9 And mine hand shall be upon the prophets that see vanity, and that divine lies: they shall not be in the assembly of my people, neither shall they be written in the writing of the house of Israel, neither shall they enter into the land of Israel; and ye shall know that I am the Lord GOD. Ary ny tanako no hamely ny mpaminany izay mahita anoano foana sy maminany lainga; tsy ho isan' ny mpanolo-tsainan' ny oloko na ho voasoratra amin' ny bokin' ny taranak' Isiraely izy sady tsy hiditra ao amin' ny tanin' ny Isiraely; ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Tompo. Ny tànako hamely an' ireo mpaminany mahazo fahitana tsy misy fotony, sy faminaniana lainga: tsy ho eo amin' ny mpanolo-tsaina ny vahoakako izy; na ho voasoratra amin' ny bokin' ny taranak' Israely; ary tsy hiditra ao amin' ny tanin' Israely; - dia ho fantatrareo fa Iaveh Tompo aho, - J'étendrai la main sur les prophètes aux visions vaines et à la prédiction mensongère : ils ne seront pas admis au conseil de mon peuple, ils ne seront pas inscrits au livre de la maison d' Israël, ils ne pénétreront pas sur le sol d' Israël, et vous saurez que je suis le Seigneur Yahvé.
Eze / Ez 13:10 Because, even because they have seduced my people, saying, Peace; and there was no peace; and one built up a wall, and, lo, others daubed it with untempered morter: Noho ny nampiviliany ny oloko tamin' ny nanaovany hoe: Fiadanana, kanjo tsy nisy fiadanana tsinona; ary raha manao ampiantany ny oloko, dia, indreo, izy no mandalotra azy amin' ny feta tsy madity, noho izy ireo nandrebireby ny vahoakako, nanao hoe: Fiadanana! nefa tsy nisy fiadanana tsinona. Manao manda ny vahoakako, dia indreny izy mandalotra sokay an' izany! C' est qu' en effet, ils égarent mon peuple en disant : " Paix! " alors qu' il n' y a pas de paix. Tandis qu' il bâtit une muraille, les voici qui la couvrent de crépi.
Eze / Ez 13:11 Say unto them which daub it with untempered morter, that it shall fall: there shall be an overflowing shower; and ye, O great hailstones, shall fall; and a stormy wind shall rend it. koa lazao amin' izay mandalotra azy amin' ny feta tsy madity fa hirodana izy; hisy ranonorana mifafy; eny, milatsaha ianareo, ry havandra vaventy; ary mifofofofoa ianareo, ry tafiodrivotra. Dia lazao amin' izay mandalotra sokay fa hirodana ny manda. Ho avy ny ora-mahery! Milatsaha, ry havandra vato! Mifofofofoa, ry tafio-drivotra! Dis à ceux qui la couvrent de crépi : Qu' il y ait une pluie torrentielle, qu' il tombe des grêlons, qu' un vent de tempête soit déchaîné,
Eze / Ez 13:12 Lo, when the wall is fallen, shall it not be said unto you, Where is the daubing wherewith ye have daubed it? Indro, raha mirodana ny ampiantany, tsy holazaina aminareo hoe va: Aiza ny lalotra izay nandaloranareo azy? Indro, nirodana ny manda! Tsy hilazan' ny olona va hianareo, hataony hoe: Aiza ity sokay nandaloranareo azy? et voilà le mur abattu! Ne vous dira-t-on pas : " Où est le crépi dont vous l' avez recouvert ? "
Eze / Ez 13:13 Therefore thus saith the Lord GOD; I will even rend it with a stormy wind in my fury; and there shall be an overflowing shower in mine anger, and great hailstones in my fury to consume it. Koa izao no lazain' i Jehovah Tompo: Hampifofofofo ny tafio-drivotra amin' ny fahatezerako Aho; ary hisy ranonorana mifafy amin' ny fahatezerako sy havandra vaventy amin' ny fahavinirako hahafongana azy. Koa izao no lazain' ny Tompo Iaveh: Izaho hampifofofofo tafio-drivotra noho ny fahavinirako; hahatonga ora-mahery, noho ny hatezerako; sy havandra vato handringana, noho ny fahavinirako. Eh bien! ainsi parle le Seigneur Yahvé : Je vais déchaîner un vent de tempête dans ma fureur, il y aura une pluie torrentielle dans ma colère, des grêlons dans ma rage de destruction.
Eze / Ez 13:14 So will I break down the wall that ye have daubed with untempered morter, and bring it down to the ground, so that the foundation thereof shall be discovered, and it shall fall, and ye shall be consumed in the midst thereof: and ye shall know that I am the Lord. Dia harodako ny ampiantany izay nolalorinareo tamin' ny feta tsy madity, ka ho fongotra hatramin' ny tany izy, ary hiseho ny fanambaniny; eny, hirodana izy, ka haringana ao anatiny ianareo; ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah. Harodako ny manda nolalorinareo sokay; hazerako amin' ny tany izy; ka hihanjahanja eo ny fanambaniny; hirodana izy, ary hianareo ho faty eo amin' ny antontany; dia ho fantatrareo fa Iaveh aho. J' abattrai le mur que vous aurez couvert de crépi, je le jetterai à terre, et ses fondations seront mises à nu. Il tombera et vous périrez sous lui, et vous saurez que je suis Yahvé.
Eze / Ez 13:15 Thus will I accomplish my wrath upon the wall, and upon them that have daubed it with untempered morter, and will say unto you, The wall is no more, neither they that daubed it; Dia hotanterahiko amin' ny ampiantany sy izay mandalotra azy amin' ny feta tsy madity ny fahatezerako, ary holazaiko aminareo hoe: Tsy misy intsony ny manda sy izay mpandalotra azy, Hanala fo ny hatezerako amin' ny manda aho, sy amin' izay nandalotra sokay azy, ary hilaza aminareo hoe: Tsy misy intsony ny manda! Tsy misy intsony ireo olona nandalotra sokay azy, Quand j' aurai assouvi ma fureur contre le mur et contre ceux qui le couvrent de crépi, je vous dirai : Le mur n' est plus, ni ceux qui le crépissaient,
Eze / Ez 13:16 To wit, the prophets of Israel which prophesy concerning Jerusalem, and which see visions of peace for her, and there is no peace, saith the Lord GOD. dia ny mpaminanin' ny Isiraely izay maminany ny amin' i Jerosalema sy izay mahita fahitana fiadanana ho azy, kanjo tsy misy fiadanarla tsinona, hoy Jehovah Tompo. dia ireo mpaminanin' Israely, izay naminany ny amin' i Jerosalema, sy nahita fahitana hoe ho fiadanana ho azy; nefa tsy nisy fiadanana tsinona; - Teny marin' ny Tompo Tompo. les prophètes d' Israël qui prophétisent sur Jérusalem et qui ont pour elle une vision de paix alors qu' il n' y a pas de paix, oracle du Seigneur Yahvé.
Eze / Ez 13:17 Likewise, thou son of man, set thy face against the daughters of thy people, which prophesy out of their own heart; and prophesy thou against them, Koa ianao, ry zanak' olona, handrino mafy ny zanakavavin' ny firenenao, izay manao faminaniana araka ny fony, ary maminania ny hamelezana azy, Ary hianao, ry zanak' olona, atodiho ny tavanao, hanandrina ireo zanakavavin' ny firenenao, izay maminany araka ny sitrapony; ka maminania famelezana azy hoe: Et toi, fils d' homme, tourne-toi vers les filles de ton peuple qui prophétisent de leur propre chef, et prophétise contre elles.
Eze / Ez 13:18 And say, Thus saith the Lord GOD; Woe to the women that sew pillows to all armholes, and make kerchiefs upon the head of every stature to hunt souls! Will ye hunt the souls of my people, and will ye save the souls alive that come unto you? ka ataovy hoe: Izao no lazain' i Jehovah Tompo: Lozan' ny vehivavy rehetra izay manjaitra fono ho ao amin' ny famavanin' ny tanana rehetra, ary manao fisaronana antonona amin' ny loha samy hafa rehetra mba hihaza fanahy! Ny fanahin' ny oloko dia hazainareo, nefa ny fanahinareo kosa velominareo! Izao no lazain' ny Tompo Iaveh: Loza ho an' ireo vehivavy manjaitra ondana, ho an' ny famavanin-tànana rehetra; sy manao ondana ho an' ny loha samihafa habe rehetra; mba hihaza fanahy amin' ny fandrika. Ny fanahin' ny oloko ve, hosamborinareo amin' ny fandrika, ary ny fanahinareo kosa ho velona! Tu diras : Ainsi parle le Seigneur Yahvé. Malheur à celles qui cousent des rubans sur tous les poignets, qui fabriquent des voiles pour la tête de gens de toutes tailles, afin de prendre au piège les âmes! Vous prenez au piège les âmes des gens de mon peuple et vous épargneriez vos propres âmes ?
Eze / Ez 13:19 And will ye pollute me among my people for handfuls of barley and for pieces of bread, to slay the souls that should not die, and to save the souls alive that should not live, by your lying to my people that hear your lies? Ary manamavo Ahy ao amin' ny oloko ianareo noho ny vary hordea eran-tànan-ila sy ny sombi-mofo, mba hahafaty ny fanahy izay tsy tokony ho faty ary hahavelona ny fanahy izay tsy tokony hovelomina, amin' ny andainganareo amin' ny oloko izay mihaino ny lainganareo. Efa nanala voninahitra ahy teo amin' ny oloko hianareo, hahazoanareo ny eran-tanan' ila, ary hahazoanareo sombi-mofo, ka dia mamono ny fanahy tsy tokony ho faty; sy mamelona ny fanahy tsy tokony ho velomina; dia mamitaka amin' izany ny oloko izay mihaino ny lainga. Vous me déshonorez devant mon peuple pour quelques poignées d' orge et quelques morceaux de pain, en faisant mourir des gens qui ne doivent pas mourir, en épargnant ceux qui ne doivent pas vivre, et en mentant à mon peuple qui écoute le mensonge.
Eze / Ez 13:20 Wherefore thus saith the Lord GOD; Behold, I am against your pillows, wherewith ye there hunt the souls to make them fly, and I will tear them from your arms, and will let the souls go, even the souls that ye hunt to make them fly. Koa izao no lazain' i Jehovah Tompo: Indro, hosimbako ny fononareo, izay entinareo hihaza ny fanahy any, mba hahafahan' ireny hanidina, eny, hotriariko hiala amin' ny sandrinareo izy, ka halefako hanidina ny fanahy izay nohazainareo. Koa izao no lazain' ny Tompo Iaveh: Indro halako ny ondanareo, izay nataonareo fandrika hihazana fanahy, ka hataoko lasa manidina ireny; hotriariko ireo ondana ireo, hiala eo amin' ny sandrinareo, ary hanafaka ny fanahy nohazainareo tamin' ny fandrika aho, mba ho afa-manidina ireny. Eh bien! ainsi parle le Seigneur Yahvé : Voici que je vais m' en prendre à vos rubans, avec lesquels vous prenez au piège les âmes comme des oiseaux. Je les déchirerai sur vos bras et je libérerai les âmes que vous essayez de prendre au piège comme des oiseaux.
Eze / Ez 13:21 Your kerchiefs also will I tear, and deliver my people out of your hand, and they shall be no more in your hand to be hunted; and ye shall know that I am the Lord. Hotriariko koa ny fisaronanareo, ka hovonjeko ho afaka amin' ny tananareo ny oloko, dia tsy ho azon' ny tananareo ho haza intsony izy; ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah. Hotriariko ny ondanareo; ary hotsoahiko eo amin' ny tànanareo ny vahoakako; ka tsy ho haza eny an-tànanareo intsony izy; dia ho fantatrareo fa Iaveh aho. Je déchirerai vos voiles et je délivrerai mon peuple de votre main, pour qu' il ne soit plus un gibier dans votre main. Et vous saurez que je suis Yahvé.
Eze / Ez 13:22 Because with lies ye have made the heart of the righteous sad, whom I have not made sad; and strengthened the hands of the wicked, that he should not return from his wicked way, by promising him life: Satria lainga no entinareo mampalahelo ny fon' ny marina, izay tsy nampalaheloviko, sady entinareo manatanjaka ny tanan' ny ratsy fanahy, tsy hialany amin' ny lalan-dratsiny mba hamelomana azy, Noho hianareo mampahory ny fon' ny marina amin' ny lainga, nefa izaho kosa tsy nampahory azy; sy noho hianareo nankahery ny ratsy fanahy, mba tsy hiverenany avy amin' ny lalan-dratsiny, hahavelona azy; Pour avoir intimidé le coeur du juste par des mensonges, alors que je ne l' avais pas affligé, et avoir fortifié les mains du méchant pour qu' il ne renonce pas à sa mauvaise conduite afin de retrouver la vie,
Eze / Ez 13:23 Therefore ye shall see no more vanity, nor divine divinations: for I will deliver my people out of your hand: and ye shall know that I am the Lord. dia tsy hahita anoano foana na hanao faminaniana intsony ianareo; fa hovonjeko ho afaka amin' ny tananareo ny oloko; ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah. noho izany, tsy hahazo fahitana foana intsony hianareo, na hahazo hitsak' andro intsony; hotsoahiko eo amin' ny tànanareo ny vahoakako, dia ho fantatrareo fa Iaveh aho. eh bien! vous n' aurez plus de vaines visions et ne prononcerez plus de prédictions. Je délivrerai mon peuple de votre main, et vous saurez que je suis Yahvé.

<-
->