<-
->

Eze / Ez 12:1 The word of the Lord also came unto me, saying, Ary tonga tamiko ny tenin' i Jehovah nanao hoe: Tonga tamiko ny tenin' ny Tompo, manao hoe: La parole de Yahvé me fut adressée en ces termes :
Eze / Ez 12:2 Son of man, thou dwellest in the midst of a rebellious house, which have eyes to see, and see not; they have ears to hear, and hear not: for they are a rebellious house. Ry zanak' olona, ianao monina eto amin' ny taranaka maditra, izay mana-maso hahitana, nefa tsy mahita, ary manan-tsofina handrenesana, nefa tsy mandre fa taranaka maditra izy. Ry zanak' olona, hianao monina eto amin' ny taranaka miodina, izay mana-maso hahitana, fa tsy mahita; manan-tsofina handrenesana, fa tsy mandre; satria taranaka miodina izy ireo. Fils d' homme, tu habites au milieu d' une engeance de rebelles qui ont des yeux pour voir et ne voient point, des oreilles pour entendre et n' entendent point, car c' est une engeance de rebelles.
Eze / Ez 12:3 Therefore, thou son of man, prepare thee stuff for removing, and remove by day in their sight; and thou shalt remove from thy place to another place in their sight: it may be they will consider, though they be a rebellious house. Koa ianao, ry zanak' olona, mifeheza entana handeha hifindra ho any amin' ny fahababoana, ka miaingà antoandro eo imasony; ary mialà eo imasony eo amin' izay itoeranao ho any amin' ny fitoerana hafa; angamba mba ho fantany fa taranaka maditra izy. Koa mifeheza entana hianao, ry zanak' olona, hoatra ny hifindra tany fonenana; dia miaingà hifindra antoandro eo imason' izy ireo; mifindrà eo imasony avy eo amin' izay itoeranao, ho any amin' ny fitoeran-kafa; angamba ho hitany amin' izany, fa taranaka miodina izy. Et toi, fils d' homme, fais-toi un bagage d' exilé et pars en exil sous leurs yeux. Tu partiras du lieu où tu te trouves vers un autre lieu, à leurs yeux. Peut-être reconnaîtront-ils qu' ils sont une engeance de rebelles.
Eze / Ez 12:4 Then shalt thou bring forth thy stuff by day in their sight, as stuff for removing: and thou shalt go forth at even in their sight, as they that go forth into captivity. Dia havoakanao antoandro eo imasony ny entanao, toy ny entan' ny olona handeha ho any amin' ny fahababoana; fa ny tenanao kosa dia hivoaka hariva eo imasony toy ny fivoaky ny handeha ho any amin' ny fahababoana. Avoahy antoandro eo imasony ny entanao, hoatra ny entan' ny mifindra tany honenana; ary miaingà hariva eo imasony, hianao, hoatra ny fiaingan' ny olona mifindra tany honenana. Tu arrangeras tes affaires comme un bagage d' exilé, de jour, à leurs yeux. Et toi, tu sortiras le soir, à leurs yeux, comme sortent les exilés.
Eze / Ez 12:5 Dig thou through the wall in their sight, and carry out thereby. Boroboahy eo imasony ny manda, ka ao no amoahy ny entanao. Gorobahy eo imasony ny manda, dia avoahy eo ny entanao; A leurs yeux, fais un trou dans le mur, par où tu sortiras.
Eze / Ez 12:6 In their sight shalt thou bear it upon thy shoulders, and carry it forth in the twilight: thou shalt cover thy face, that thou see not the ground: for I have set thee for a sign unto the house of Israel. Ataovy an-tsoroka eo imasony no fitondranao azy, ka ento mivoaka, rehefa maizina dia maizina ny andro; sarony ny tavanao mba tsy hahitanao ny tany; fa efa nataoko ho famantarana mahagaga ho an' ny taranak' Isiraely ianao. ataovy an-tsoroka eo imasony izany dia ento rahefa ilay maizimaizina iny; sarony ny tavanao, ataovy amin' izay tsy hahitanao ny tany; satria efa nataoko famantarana ho an' ny taranak' Israely hianao. A leurs yeux, tu chargeras ton ballot sur l'épaule et tu sortiras dans l' obscurité; tu te couvriras le visage pour ne pas voir le pays, car j' ai fait de toi un présage pour la maison d' Israël.
Eze / Ez 12:7 And I did so as I was commanded: I brought forth my stuff by day, as stuff for captivity, and in the even I digged through the wall with mine hand; I brought it forth in the twilight, and I bare it upon my shoulder in their sight. Dia nanao araka izay efa nandidiana ahy aho, ka nentiko nivoaka antoandro ny entako, toy py entan' ny olona handeha ho any amin' ny fahababoana, ary nony hariva dia noboroboahako tamin' ny tanako ny manda, ka nony efa maizina dia maizina ny andro, dia nentiko nivoaka izany ka teny an-tsoroka no nitondrako azy teo imasony. Dia nataoko izay, araka izay nandidiana ahy: navoakako antoandro ny entako, hoatra ny entan' ny mifindra tany honenana; nogorobahako tamin' ny tànako ny manda nony hariva; navoakako ny entana rahefa ilay maizimaizina iny dia nolanjaiko teo imason' izy ireo. J' agis donc selon l' ordre que j' avais reçu; j' arrangeai mes affaires comme un bagage d' exilé, de jour, et le soir je fis un trou dans le mur avec la main; puis je sortis dans l' obscurité et je chargeai mon ballot sur l'épaule, à leurs yeux.
Eze / Ez 12:8 And in the morning came the word of the Lord unto me, saying, Ary nony maraina dia tonga tamiko ny tenin' i Jehovah nanao hoe: Nony maraina, tonga tamiko ny tenin' ny Tompo, nanao hoe: Alors la parole de Yahvé me fut adressée, le matin, en ces termes :
Eze / Ez 12:9 Son of man, hath not the house of Israel, the rebellious house, said unto thee, What doest thou? Ry zanak' olona, moa ny taranak' Isiraely, izay taranaka maditra, tsy manontany aminao hoe va: Inona izao ataonao izao? Ry zanak' olona, moa ny taranak' Israely, izay taranaka miodina, tsy nilaza taminao va, nanao hoe: Inona ity ataonao? Lazao aminy hoe: Fils d' homme, la maison d' Israël, cette engeance de rebelles, ne t' a-t-elle pas dit : " Que fais-tu là ? "
Eze / Ez 12:10 Say thou unto them, Thus saith the Lord GOD; This burden concerneth the prince in Jerusalem, and all the house of Israel that are among them. Ambarao aminy hoe: Izao no lazain' i Jehovah Tompo: Ity faminaniana ny loza ity dia ho amin' ny mpanjakan' i Jerosalema sy ny taranak' Isiraely rehetra izay ao aminy. Izao no lazain' ny Tompo Tompo: Ity teny faminaniana ity, dia ho an' ny andriana ao Jerosalema, mbamin' ny taranak' Israely rehetra, ao amin' izany tanàna izany. Dis-leur : Ainsi parle le Seigneur Yahvé. Cet oracle est prononcé à Jérusalem et dans toute la maison d' Israël où ils résident.
Eze / Ez 12:11 Say, I am your sign: like as I have done, so shall it be done unto them: they shall remove and go into captivity. Lazao hoe: Izaho dia famantarana mahagaga ho anareo, koa tahaka izay ataoko no hatao amin' ireo; hifindra sy ho lasan-ko babo izy. Lazao hoe: Famantarana ho anareo, aho; tahaka izay nataoko, no hatao amin' izy ireo; hasesi-tany izy, ho any amin' ny fahababoana. Dis : Je suis votre présage; comme j' ai fait, il leur sera fait; ils iront en déportation, en exil.
Eze / Ez 12:12 And the prince that is among them shall bear upon his shoulder in the twilight, and shall go forth: they shall dig through the wall to carry out thereby: he shall cover his face, that he see not the ground with his eyes. Ary ny mpanjaka, izay ao aminy dia hitondra ny entany eny an-tsorony nony efa maizina dia maizina ny andro ka hivoaka; hoboroboahan' ny olona ny manda hamoahana azy; hanarona ny tavany izy mba tsy ho hitan' ny masony ny tany. Ny andriana eo aminy, hanao an-tsoroka ny entany, rahefa ilay maizimaizina iny, dia hiainga; hogorobahan' ny olona ny manda, hamoahana azy; hosaronany ny tavany, ka tsy hahita maso ny tany izy. Le prince qui est parmi eux chargera son bagage sur ses épaules, dans l' obscurité, et sortira par le mur qu' on percera pour faire une sortie; il se couvrira le visage pour ne pas voir de ses yeux le pays.
Eze / Ez 12:13 My net also will I spread upon him, and he shall be taken in my snare: and I will bring him to Babylon to the land of the Chaldeans; yet shall he not see it, though he shall die there. Ary ny fandrika haratoko dia hovelariko aminy, ka ho voan' ny fandrika izy; dia ho entiko any Babylona any amin' ny tanin' ny Kaldeana izy, ary tsy hahita izany, nefa ho faty any ihany. Hamela-pandrika harato aminy aho, ka ho voan' ny fandrika izy; hoentiko any Babilona izy, any amin' ny tanin' ny Kaldeana; nefa tsy hahita izany izy, ary ho faty any. J'étendrai mon filet sur lui et il sera pris dans mon rets; je le mènerai à Babylone, au pays des Chaldéens, mais il ne le verra pas et il y mourra.
Eze / Ez 12:14 And I will scatter toward every wind all that are about him to help him, and all his bands; and I will draw out the sword after them. Ary izay rehetra manodidina azy, dia ny mpanampy azy sy ny miaramilany rehetra, haeliko ho amin' ny rivotra rehetra, sady hanatsoaka sabatra ho enti-manenjika azy Aho. Izay rehetra manotrona azy, ny mpanampy azy, ny miaramilany rehetra, dia haeliko any amin' ny vazan-tany rehetra, sady henjehiko amin' ny sabatra voatsoaka. Tout ce qui forme son entourage, sa garde et toutes ses troupes, je les disperserai à tous les vents et je tirerai l'épée derrière eux.
Eze / Ez 12:15 And they shall know that I am the Lord, when I shall scatter them among the nations, and disperse them in the countries. Ary dia ho fantany fa Izaho no Jehovah, raha ahahako any amin' ny jentilisa sy ampieleziko any amin' ny tany samy hafa izy. Dia ho fantany fa Iaveh aho, rahefa naeliko any amin' ny firenena izy, sy nahahako any amin' ny tany hafa. Et ils sauront que je suis Yahvé lorsque je les disséminerai parmi les nations et que je les disperserai dans les pays étrangers.
Eze / Ez 12:16 But I will leave a few men of them from the sword, from the famine, and from the pestilence; that they may declare all their abominations among the heathen whither they come; and they shall know that I am the Lord. Nefa hamelako olom-bitsy ihany izy ho sisa tsy ho ringan' ny sabatra.sy ny mosary sy ny areti- mandringana, mba hisy hitantara ny fahavetavetany rehetra any amin' ny jentilisa izay alehany; ka dia ho fantany fa Izaho no Jehovah. Hisy olona vitsivitsy amin' izy ireo anefa, havelako, ho afaka amin' ny sabatra sy ny mosary ary ny pesta, mba hitantara ny fahavetavetana nataony, any amin' ny firenena halehany any, dia ho fantany fa Iaveh aho. Mais je laisserai quelques-uns d' entre eux qui échapperont à l'épée, à la famine et à la peste pour raconter toutes leurs abominations parmi les nations où ils se rendront, afin qu' elles sachent que je suis Yahvé.
Eze / Ez 12:17 Moreover the word of the Lord came to me, saying, Tonga tamiko ny tenin' i Jehovah nanao hoe: Tonga tamiko ny tenin' ny Tompo, nanao hoe: La parole de Yahvé me fut adressée en ces termes :
Eze / Ez 12:18 Son of man, eat thy bread with quaking, and drink thy water with trembling and with carefulness; Ry zanak' olona, hano amin-korohoro ny haninao, ary sotroy amin-kovitra sy amin' ahiahy ny ranonao. Ry zanak' olona, hihinana amin-korohoro ny haninao hianao, ary hisotro amin-tebiteby sy amin' ahiahy ny ranonao. Fils d' homme, tu mangeras ton pain en tremblant et tu boiras ton eau dans l' inquiétude et l' angoisse;
Eze / Ez 12:19 And say unto the people of the land, Thus saith the Lord GOD of the inhabitants of Jerusalem, and of the land of Israel; They shall eat their bread with carefulness, and drink their water with astonishment, that her land may be desolate from all that is therein, because of the violence of all them that dwell therein. Ary lazao amin' ny vahoaka hoe Izao no lazain' i Jehovah Tompo ny amin' ny mponina ao Jerosalema, ao amin' ny tanin' ny Isiraely: Amin' ahiahy no hihinanany ny haniny, ary amim-pahatalanjonana no hisotroany ny ranony, mba ho foana mihitsy ny tany, ka tsy hisy na inona na inona ao, noho ny fandozan' izay rehetra monina ao aminy. Ary hilaza amin' ny vahoakan' ny tany hianao hanao hoe: Izao no lazain' ny Tompo Iaveh ny amin' ny mponina ao Jerosalema, ny amin' ny tanin' Israely: Amin' ahiahy no hihinanan' izy ireo ny haniny, ary amim-pahoriana no hisotroany ny ranony, fa hofoanana tsy hisy izay rehetra ao amin' ny tany, noho ny fampahoriana afitsok' izay rehetra monina eo aminy. et tu diras au peuple du pays : Ainsi parle le Seigneur Yahvé aux habitants de Jérusalem dispersés sur le sol d' Israël : ils mangeront leur pain dans l' angoisse, ils boiront leur eau avec effroi, afin que le pays et ceux qui s' y trouvent soient débarrassés de la violence de tous ses habitants.
Eze / Ez 12:20 And the cities that are inhabited shall be laid waste, and the land shall be desolate; and ye shall know that I am the Lord. Dia ho rava ny tanàna onenana, ary ho lao ny tany; ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah. Ny tanàna nonenana ho lao; ny tany, ho foana; dia ho fantatrareo fa Iaveh aho. Les villes peuplées seront détruites, le pays deviendra une désolation, et vous saurez que je suis Yahvé.
Eze / Ez 12:21 And the word of the Lord came unto me, saying, Ary tonga tamiko ny tenin' i Jehovah nanao hoe: Tonga tamiko ny tenin' ny Tompo, nanao hoe: La parole de Yahvé me fut adressée en ces termes :
Eze / Ez 12:22 Son of man, what is that proverb that ye have in the land of Israel, saying, The days are prolonged, and every vision faileth? Ry zanak' olona, ahoana moa, izao fitenenana ataonareo ao amin' ny tanin' ny Isiraely izao hoe: Mihaela ny andro, ary tonga tsinontsinona ny fahitana rehetra? Ry zanak' olona, inona ity fitenenana ataonareo fiteny eo amin' ny tanin' Israely hoe: Mihalava ny andro; tsy misy tanteraka ny fahitana rehetra? Fils d' homme, que voulez-vous dire par ce proverbe prononcé sur la terre d' Israël : Les jours s' ajoutent aux jours et toute vision s'évanouit ?
Eze / Ez 12:23 Tell them therefore, Thus saith the Lord GOD; I will make this proverb to cease, and they shall no more use it as a proverb in Israel; but say unto them, The days are at hand, and the effect of every vision. Koa lazao aminy hoe: Izao no lazain' i Jehovah Tompo: Hatsahatro izany fitenenana izany ka tsy hatao fiteny ao amin' ny Isiraely intsony; fa lazao aminy kosa hoe: Akaiky ny andro sy ny tenin' ny fahitana rehetra. Koa lazao amin' izy ireo hoe: Izao no lazain' ny Tompo Iaveh: Hatsahatro izany fitenenana izany, ka tsy hotononina eo amin' Israely intsony izany. Fa izao kosa no lazao amin' izy ireo: Antomotra ny fotoana; mbamin' ny fahatanterahan' ny tenin' ny fahitana rehetra. Eh bien! dis-leur : Ainsi parle le Seigneur Yahvé. Je ferai taire ce proverbe, on ne le répétera plus en Israël. Mais dis-leur : Les jours approchent où toute vision s' accomplit,
Eze / Ez 12:24 For there shall be no more any vain vision nor flattering divination within the house of Israel. Fa tsy hisy fahitana foana intsony na faminaniana mandrobo ao amin' ny taranak' Isiraely. Fa tsy hisy intsony ny fahitana fitaka, na ny faminaniana sandoka, eo amin' ny taranak' Israely. car il n' y aura plus ni vision vaine ni présage trompeur au milieu de la maison d' Israël,
Eze / Ez 12:25 For I am the Lord: I will speak, and the word that I shall speak shall come to pass; it shall be no more prolonged: for in your days, O rebellious house, will I say the word, and will perform it, saith the Lord GOD. Fa Izaho no Jehovah; hiteny Aho, ary ny teny lazaiko dia ho tò tokoa; tsy hajanona ela intsony izany; fa ho amin' ny andronareo, ry taranaka maditra, no hilazako ny teny sy hanatanterahako azy, hoy Jehovah Tompo. Fa izaho Iaveh, hiteny, ary ny teny holazaiko, ho tanteraka; tsy hanaovana ampitso lava. Eny, amin' izao andronareo izao, ry taranaka miodina, no hilazako ny teny, sy hanatanterahako azy. - Teny marin' ny Tompo Iaveh. car c' est moi, Yahvé, qui parlerai. Ce que je dis est dit et s' accomplira sans délai; car c' est de votre temps, engeance de rebelles, que je prononcerai une parole et que je la réaliserai, oracle du Seigneur Yahvé.
Eze / Ez 12:26 Again the word of the Lord came to me, saying. Ary tonga tamiko ny tenin' i Jehovah nanao hoe: Tonga tamiko ny tenin' ny Tompo nanao hoe: La parole de Yahvé me fut adressée en ces termes :
Eze / Ez 12:27 Son of man, behold, they of the house of Israel say, The vision that he seeth is for many days to come, and he prophesieth of the times that are far off. Ry zanak' olona, indro, ny taranak' Isiraely manao hoe: Mbola ho ela izany fahitana hitany izany, ary ny amin' ny fotoana mbola lavitra no vinaniny. Ry zanak' olona, indro ny taranak' Israely manao hoe: Ny fahitana izay hitan' ilay io mbola ho amin' ny andro lavitra, ary ho amin' ny fotoana mbola ho ela no aminaniany. Fils d' homme, voici que la maison d' Israël dit : " La vision que celui-là voit est pour une époque lointaine; il prophétise pour un avenir éloigné. "
Eze / Ez 12:28 Therefore say unto them, Thus saith the Lord GOD; There shall none of my words be prolonged any more, but the word which I have spoken shall be done, saith the Lord GOD. Koa lazao aminy hoe: Izao no lazain' i Jehovah Tompo: Tsy hisy hajanona ela intsony ny teniko; fa ny teny izay lazaiko dia hotanterahiko, hoy Jehovah Tompo. Koa lazao amin' izy ireo hoe: Izao no lazain' ny Tompo Iaveh: Tsy hisy hahemotra intsony ny teniko; fa efa ho tanteraka ny teny ataoko. - Teny marin' ny Tompo Iaveh. Eh bien! Dis-leur : Ainsi parle le Seigneur Yahvé. Il n' y a plus de délai pour toutes mes paroles. Ce que je dis est dit et se réalisera, oracle du Seigneur Yahvé.

<-
->