<-
->

Eze / Ez 36:1 Also, thou son of man, prophesy unto the mountains of Israel, and say, Ye mountains of Israel, hear the word of the Lord: Ary ianao, ry zanak' olona, maminania amin' ny tendrombohitry ny Isiraely, ka ataovy hoe: Ry tendrombohitry ny Isiraely, mihainoa ny tenin' i Jehovah: Ary hianao, ry zanak' olona, maminania amin' ny tendrombohitr' Israely ka ataovy hoe: Ry tendrombohitr' Israely, mihainoa ny tenin' ny Tompo: Et toi, fils d' homme, adresse une prophétie aux montagnes d' Israël. Tu diras : Montagnes d' Israël, écoutez la parole de Yahvé.
Eze / Ez 36:2 Thus saith the Lord GOD; Because the enemy hath said against you, Aha, even the ancient high places are ours in possession: Izao no lazain' i Jehovah Tompo: Noho ny nanaovan' ny fahavalo anareo hoe: Hià! efa lasanay ny havoana fahagola! Izao no lazain' ny Tompo Iaveh: Noho ny fahavalo nilaza ny aminareo hoe: Hia! Hia! lasanay ho fanananay ny havoana fahagola! Ainsi parle le Seigneur Yahvé. Parce que l' ennemi a prononcé contre vous ces paroles : " Ha! Ha! Ces hauteurs éternelles sont devenues notre patrimoine ",
Eze / Ez 36:3 Therefore prophesy and say, Thus saith the Lord GOD; Because they have made you desolate, and swallowed you up on every side, that ye might be a possession unto the residue of the heathen, and ye are taken up in the lips of talkers, and are an infamy of the people: Dia maminania, ka lazao hoe: Izao no lazain' i Jehovah Tompo: Noho ny nandravany anareo sy ny nisafoahany nanenjika anareo avy amin' ny tany manodidina, ka dia efa lasan' ny jentilisa sisa ho fananany ianareo, sady efa nataon' ny molotry ny mpibedibedy fitenenana ka efa ambentinteny amin' ny firenena, Noho izany dia maminania, ka ataovy hoe: Izao no lazain' ny Tompo Iaveh: Noho ny nandravan' ny olona sy nanitsakitsahan' ny tongony anareo, hatraiza hatraiza, mba hahatongavanareo fananan' izay sisa amin' ny firenena, ary noho hianareo tonga fitenenan' ny vava mitsaontsaona, sy firesaka ratsin' ny olona; eh bien! prophétise. Tu diras : Ainsi parle le Seigneur Yahvé. Parce qu' on vous a dévastées et prises de toute part, si bien que vous êtes devenues la propriété du reste des nations, prétexte au bavardage et au commérage des gens,
Eze / Ez 36:4 Therefore, ye mountains of Israel, hear the word of the Lord GOD; Thus saith the Lord GOD to the mountains, and to the hills, to the rivers, and to the valleys, to the desolate wastes, and to the cities that are forsaken, which became a prey and derision to the residue of the heathen that are round about; Dia mihainoa ny tenin' i Jehovah Tompo, ry tendrombohitry ny Isiraely: Izao no lazain' i Jehovah Tompo amin' ny tendrombohitra sy ny havoana, ny lohasahan-driaka sy ny lohasaha ary amin' ny korontam-bato sy ny tanàna haolo, izay efa babo sy fandatsa ho an' ny firenena sisa amin' ny manodidina, noho izany, ry tendrombohitr' Israely, dia mihainoa ny tenin' ny Tompo Iaveh: Izao no lazain' ny Tompo Iaveh amin' ny tendrombohitra sy havoana, amin' ny hantsan-driaka sy ny lohasaha, amin' ny toeran-dravarava mahalao monina sy amin' ny tanàna haolo, izay efa natolotra horobaina sy hihomehezan' ny sisa amin' ny firenena manodidina; eh bien! montagnes d' Israël, écoutez la parole du Seigneur Yahvé. Ainsi parle le Seigneur Yahvé aux montagnes, aux collines, aux ravins et aux vallées, aux ruines dévastées et aux villes abandonnées qui sont mises au pillage et deviennent la risée du reste des nations d' alentour.
Eze / Ez 36:5 Therefore thus saith the Lord GOD; Surely in the fire of my jealousy have I spoken against the residue of the heathen, and against all Idumea, which have appointed my land into their possession with the joy of all their heart, with despiteful minds, to cast it out for a prey. Eny, izao no lazain' i Jehovah Tompo: Tamin' ny afon' ny fahasaro-piaroko no nitenenako tokoa Namely ny firenena sisa sy Edoma rehetra, Izay nahalasa ny taniko ho fananany Tamin' ny hafalian' ny fony tokoa sy tamin' ny fanahy mamingavinga, mba hangoronany azy ho babo. noho izany, izao no lazain' ny Tompo Iaveh: Eny, noho ny firehitry ny fahasarota-piaroko, no nitenenako namely izay sisa amin' ny firenena sy namely an' i Idomea manontolo izay nisazoka ny taniko ho fananany tamin' ny hafalian' ny fony rehetra sy tamin' ny fanesoan' ny fanahiny, hataony fandroba foana; Eh bien! ainsi parle le Seigneur Yahvé. Je le jure dans l' ardeur de ma jalousie, je m' adresse au reste des nations, à Édom tout entier, qui, la joie au coeur et le mépris dans l'âme, se sont attribué mon pays en propriété pour piller son pâturage.
Eze / Ez 36:6 Prophesy therefore concerning the land of Israel, and say unto the mountains, and to the hills, to the rivers, and to the valleys, Thus saith the Lord GOD; Behold, I have spoken in my jealousy and in my fury, because ye have borne the shame of the heathen: Koa maminania ny amin' ny tanin' ny Isiraely, ka lazao amin' ny tendrombohitra sy ny havoana ary ny lohasahan-driaka sy ny lohasaha hoe: Izao no lazain' i Jehovah Tompo: (Indro, tamin' ny fahasaro-piaroko sy ny fahatezerako no nitenenako): Noho ny nitondranareo latsa tamin' ny firenena, koa noho izany maminania hianao ny amin' ny tanin' Israely, ary lazao amin' ny tendrombohitra sy ny havoana, amin' ny hantsan-driaka sy ny lohasaha hoe: Izao no lazain' ny Tompo : Indro aho miteny amin' ny fahasarota-piaroko amam-pahatezerako, satria hianareo nitondra ny latsa avy tamin' ny firenena. A cause de cela, prophétise au sujet de la terre d' Israël. Tu diras aux montagnes et aux collines, aux ravins et aux vallées : Ainsi parle le Seigneur Yahvé. Voici que je parle dans ma jalousie et ma fureur : puisque vous subissez l' insulte des nations,
Eze / Ez 36:7 Therefore thus saith the Lord GOD; I have lifted up mine hand, Surely the heathen that are about you, they shall bear their shame. Dia izao no lazain' i Jehovah Tompo: Izaho efa nanangan-tanana nanao hoe; Ny firenena manodidina anareo no hitondra henatra. Koa noho izany, izao no lazain' ny Tompo Iaveh: Efa nanangan-tànana aho! Ireo firenena manodidina anareo, dia hitondra latsa koa izy ireo. eh bien! ainsi parle le Seigneur Yahvé : je lève la main, je le jure, les nations qui vous entourent subiront elles-mêmes leur insulte.
Eze / Ez 36:8 But ye, O mountains of Israel, ye shall shoot forth your branches, and yield your fruit to my people of Israel; for they are at hand to come. Fa ianareo kosa, ry tendrombohitry ny Isiraely, dia hisandrahaka sy hahavokatra ho an' ny Isiraely oloko; Fa efa antomotra ny hihavian' ireny. Ary hianareo kosa, ry tendrombohitr' Israely, haniry ny rantsanareo, sy hahavokatra ny voanareo ho an' Israely vahoakako; fa efa akaiky ny hihaviany. Et vous, montagnes d' Israël, vous allez donner vos branches et porter vos fruits pour mon peuple Israël, car il est près de revenir.
Eze / Ez 36:9 For, behold, I am for you, and I will turn unto you, and ye shall be tilled and sown: Fa, indro, hitodika ho aminareo Aho ka hanatrika anareo; Dia hasaina sy hofafazana ianareo; Indro aho ho avy eo aminareo, sy hitodika ny tavako ho aminareo, ka dia hasaina sy hofafazana hianareo. Me voici, je viens vers vous, je me tourne vers vous, vous allez être cultivées et ensemencées.
Eze / Ez 36:10 And I will multiply men upon you, all the house of Israel, even all of it: and the cities shall be inhabited, and the wastes shall be builded: Ary hahamaro ny olona eny aminareo Aho, dia ny taranak' Isiraely rehetra rehetra, ary honenana ny tanàna, ka haorina indray ny efa rava; Hohamaroiko ny olona eo aminareo, dia ny taranak' Israely rehetra rehetra; ny tanàna, honenana; ary ny efa rava, haorina indray. Je vais multiplier sur vous les hommes, la maison d' Israël tout entière. Les villes seront habitées et les ruines rebâties.
Eze / Ez 36:11 And I will multiply upon you man and beast; and they shall increase and bring fruit: and I will settle you after your old estates, and will do better unto you than at your beginnings: and ye shall know that I am the Lord. Dia hampitombo olona sy biby fiompy eny aminareo Aho, ka hitombo sy hiteraka ireo; Hametrahako mponina tahaka ny taloha any aminareo, ary hanisy soa anareo mihoatra noho ny tamin' ny niandohanareo Aho; Ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah. Hampitomboiko ny olona sy ny biby fiompy eo aminareo; ka ho maro sy hitombo ireny; hataoko honenan' olona toy ny taloha hianareo. Hanao soa aminareo, mihoatra noho ny tamin' ny niandohanareo aho; ka ho fantatrareo fa Iaveh aho. Je multiplierai sur vous hommes et bêtes, ils seront nombreux et féconds. Je ferai que vous serez habitées comme auparavant, je vous ferai plus de bien qu' autrefois et vous saurez que je suis Yahvé.
Eze / Ez 36:12 Yea, I will cause men to walk upon you, even my people Israel; and they shall possess thee, and thou shalt be their inheritance, and thou shalt no more henceforth bereave them of men. Eny, hampivoivoy olona eny aminareo Aho, dia ny Isiraely oloko; Dia hanana anareo izy ka hahalasa anareo ho lovany, ary tsy hahalany fara azy intsony ianareo. Hitondra olona ho eo aminareo aho dia Israely vahoakako, ka izy hanana anao; ho lovany hianao, ary tsy hahalany fara azy intsony. Je ferai fouler votre sol par des hommes, mon peuple Israël; tu seras sa propriété et son héritage et tu ne les priveras plus de leurs enfants.
Eze / Ez 36:13 Thus saith the Lord GOD; Because they say unto you, Thou land devourest up men, and hast bereaved thy nations: Izao no lazain' i Jehovah Tompo: Noho ny nanaovany taminareo hoe: Hianao, ry tany, dia mandany olona, Sady mahalany fara ny firenenao, Izao no lazain' ny Tompo Iaveh: Noho ny anaovany aminareo hoe: Nandany olona hianao, sady nahalany fara ny firenenao; Ainsi parle le Seigneur Yahvé. Parce qu' on a dit de toi : " Tu es une mangeuse d' hommes, tu as privé ta nation de ses enfants ",
Eze / Ez 36:14 Therefore thou shalt devour men no more, neither bereave thy nations any more, saith the Lord GOD. Dia tsy handany olona intsony ianao, na hahalavo ny firenenao intsony, hoy Jehovah Tompo. noho izany dia tsy handany olona intsony hianao, na hahalany fara ny firenenao, - teny marin' ny Tompo Iaveh. eh bien! tu ne dévoreras plus d' hommes, tu ne priveras plus ta nation de ses enfants, oracle du Seigneur Yahvé.
Eze / Ez 36:15 Neither will I cause men to hear in thee the shame of the heathen any more, neither shalt thou bear the reproach of the people any more, neither shalt thou cause thy nations to fall any more, saith the Lord GOD. Ary hataoko tsy mahare ny latsan' ny jentilisa intsony ianao Sady tsy hitondra ny fanaratsian' olona intsony; Ary tsy hahalavo ny firenenao intsony ianao, hoy Jehovah Tompo. Tsy avelako handre latsa avy amin' ny firenena intsony hianao, na hitondra fanaratsiana avy amin' ny firenena, sady tsy hahatafintohina ny firenenao koa, - teny marin' ny Tompo Iaveh. Je ne te ferai plus entendre l' insulte des nations, tu n' auras plus à subir la raillerie des peuples, tu ne priveras plus ta nation de ses enfants. Oracle du Seigneur Yahvé.
Eze / Ez 36:16 Moreover the word of the Lord came unto me, saying, Ary tonga tamiko ny tenin' i Jehovah nanao hoe: Tonga tamiko ny tenin' ny Tompo nanao hoe: La parole de Yahvé me fut adressée en ces termes :
Eze / Ez 36:17 Son of man, when the house of Israel dwelt in their own land, they defiled it by their own way and by their doings: their way was before me as the uncleanness of a removed woman. Ry zanak' olona, ny taranak' Isiraely nonina tany amin' ny taniny, dia nandoto izany tamin' ny fanaony sy tamin' ny asany izy; fa tahaka ny fahalotoan' ny vehivavy mararin' ny fadim-bolana no fahalotoan' ny fanaony eo anatrehako. Ry zanak' olona, ry zareo taranak' Israely, fony izy nitoetra teo amin' ny taniny, dia nandoto azy, tamin' ny fitondran-tenany aman' asany; fa ny fitondran-tenan' izy ireo dia toy ny fahalotoan' ny vehivavy teo anatrehako. Fils d' homme, les gens de la maison d' Israël habitaient sur leur territoire, et ils l' ont souillé par leur conduite et par leurs oeuvres; comme la souillure d' une femme impure, telle fut leur conduite devant moi.
Eze / Ez 36:18 Wherefore I poured my fury upon them for the blood that they had shed upon the land, and for their idols wherewith they had polluted it: Ka dia naidiko ho aminy ny fahatezerako mirehitra noho ny rà nalatsany teo amin' ny tany sy noho ny nandotoany izany tamin' ny sampiny. Ka naidiko tamin' izy ireo ny fahatezerako, noho ny ra nalatsany tamin' ny tany, sy noho ny nandotoany azy tamin' ny sampiny vetaveta. Alors j' ai déversé ma fureur sur eux, à cause du sang qu' ils ont versé dans le pays et des ordures dont ils l' ont souillé.
Eze / Ez 36:19 And I scattered them among the heathen, and they were dispersed through the countries: according to their way and according to their doings I judged them. Ary naeliko ho any amin' ny firenena izy ka nahahaka ho any amin' ny tany samy hafa; araka ny fanaony sy ny asany no nitsarako azy. Naeliko ho any amin' ny firenena izy ireo, ka nahahaka tany amin' ny tany samihafa. Notsaraiko araka ny fitondran-tenany aman' asa nataony izy. Je les ai disséminés parmi les nations et ils ont été dispersés dans les pays étrangers. Je les ai jugés selon leur conduite et selon leurs oeuvres.
Eze / Ez 36:20 And when they entered unto the heathen, whither they went, they profaned my holy name, when they said to them, These are the people of the Lord, and are gone forth out of his land. Ary nony tonga tany amin' ny firenena izay nalehany izy, dia tonga fandotoana ny anarako masina tamin' ny nanaovan' ny olona azy hoe: Ireo no olon' i Jehovah, nefa niala tamin' ny tanin' i Jehovah izy. Nony mby tany amin' ny firenena nalehany izy ireo, dia nanala baraka ny anarako masina, fa izao no filazan' ny olona azy: Ireo no olon' ny Tompo, avy any amin' ny taniny no nialany. Et parmi les nations où ils sont venus, ils ont profané mon saint nom, faisant dire à leur sujet : " C' est le peuple de Yahvé, ils sont sortis de son pays. "
Eze / Ez 36:21 But I had pity for mine holy name, which the house of Israel had profaned among the heathen, whither they went. Dia namindrako fo ny anarako masina, izay nolotoin' ny taranak' Isiraely tany amin' ny firenena izay nalehany. Ka nangoraka ny anarako masina aho, izay nalain' ny taranak' Israely baraka, tamin' izay firenena nalehany any. Mais j' ai eu égard à mon saint nom que la maison d' Israël a profané parmi les nations où elle est venue.
Eze / Ez 36:22 Therefore say unto the house of Israel, thus saith the Lord GOD; I do not this for your sakes, O house of Israel, but for mine holy name' s sake, which ye have profaned among the heathen, whither ye went. Koa atsovy amin' ny taranak' Isiraely hoe: Izao no lazain' i Jehovah Tompo: Tsy noho ny aminareo no anaovako izany, ry taranak' Isiraely, fa noho ny anarako, masina, izay nolotoinareo tany amin' ny jentilisa izay nalehanareo. Noho izany, lazao amin' ny taranak' Israely hoe: Izao no lazain' ny Tompo Iaveh: Tsy noho ny aminareo, no anaovako an' izao, ry taranak' Israely, fa noho ny anarako masina izay nalainareo baraka, tany amin' ny firenena nalehanareo. Eh bien! dis à la maison d' Israël : Ainsi parle le Seigneur Yahvé. Ce n' est pas à cause de vous que j' agis de la sorte, maison d' Israël, mais c' est pour mon saint nom, que vous avez profané parmi les nations où vous êtes venus.
Eze / Ez 36:23 And I will sanctify my great name, which was profaned among the heathen, which ye have profaned in the midst of them; and the heathen shall know that I am the Lord, saith the Lord GOD, when I shall be sanctified in you before their eyes. Ary hohamasiniko ny anarako lehibe izay efa nolotoinareo tany amin' ny jentilisa, ka dia ho fantany fa Izaho no Jehovah, hoy Jehovah Tompo, rehefa miseho ho masina eo imasony Aho amin' ny ataoko aminareo. Hohamasiniko ny anarako lehibe izay voala baraka, eny amin' ny firenena nanalanareo baraka azy, dia ho fantatry ny firenena fa Tompo Iaveh aho - teny marin' ny Tompo Iaveh, rahefa manamasin-tena ao aminareo, eo imasony aho. Je sanctifierai mon grand nom qui a été profané parmi les nations au milieu desquelles vous l' avez profané. Et les nations sauront que je suis Yahvé - oracle du Seigneur Yahvé - quand je ferai éclater ma sainteté, à votre sujet, sous leurs yeux.
Eze / Ez 36:24 For I will take you from among the heathen, and gather you out of all countries, and will bring you into your own land. Fa halaiko avy any amin' ny jentilisa ianareo ary hangoniko avy any amin' ny tany rehetra ka ho entiko ho any amin' ny taninareo. Halaiko avy any amin' ny firenena hianareo, hangoniko avy any amin' ny tany rehetra ka hampodiko eo amin' ny taninareo. Alors je vous prendrai parmi les nations, je vous rassemblerai de tous les pays étrangers et je vous ramènerai vers votre sol.
Eze / Ez 36:25 Then will I sprinkle clean water upon you, and ye shall be clean: from all your filthiness, and from all your idols, will I cleanse you. Dia hofafazako rano madio ianareo, ka hadio; ny mba ho afaka amin' ny fahalotoanareo rehetra sy ny sampinareo rehetra no hanadiovako anareo. Hofafazako rano madio hianareo, dia hadio; ny fahalotoanareo rehetra mbamin' ny fahavetavetanareo rehetra, hataoko afaka aminareo. Je répandrai sur vous une eau pure et vous serez purifiés; de toutes vos souillures et de toutes vos ordures je vous purifierai.
Eze / Ez 36:26 A new heart also will I give you, and a new spirit will I put within you: and I will take away the stony heart out of your flesh, and I will give you an heart of flesh. Ary homeko fo vaovao ianareo, ary fanahy vaovao no hataoko ao anatinareo, ary hesoriko amin' ny nofonareo ny fo vato, ka homeko fo nofo ianareo. Homeko fo vaovao hianareo, ary hasiako fanahy vaovao ao anatinareo; hesoriko amin' ny nofonareo ny fo vato, ka homeko fo nofo hianareo. Et je vous donnerai un coeur nouveau, je mettrai en vous un esprit nouveau, j'ôterai de votre chair le coeur de pierre et je vous donnerai un coeur de chair.
Eze / Ez 36:27 And I will put my spirit within you, and cause you to walk in my statutes, and ye shall keep my judgments, and do them. Ary ny Fanahiko no hataoko ao anatinareo, ka hahatonga anareo handeha araka ny lalàko sy hitandrina ny fitsipiko ka hanaraka azy. Hataoko ao anatinareo ny Fanahiko ary hataoko manaraka ny fitsipiko hianareo, ka hitandrina ny didiko, sy hanaraka izany. Je mettrai mon esprit en vous et je ferai que vous marchiez selon mes lois et que vous observiez et pratiquiez mes coutumes.
Eze / Ez 36:28 And ye shall dwell in the land that I gave to your fathers; and ye shall be my people, and I will be your God. Ary honina any amin' ny tany izay nomeko ny razanareo ianareo, ka ho oloko ianareo, ary Izaho ho Andriamanitrareo. Honina eo amin' ny tany nomeko ny razanareo hianareo, dia ho vahoakako hianareo, ary izaho ho Andriamanitrareo. Vous habiterez le pays que j' ai donné à vos pères. Vous serez mon peuple et moi je serai votre Dieu.
Eze / Ez 36:29 I will also save you from all your uncleannesses: and I will call for the corn, and will increase it, and lay no famine upon you. Ary hovonjeko ho afaka amin' ny fahalotoanareo rehetra ianareo, ary hantsoiko sy hataoko vokatra ny vary, ary tsy hanaterako mosary intsony ianareo; Hovonjeko hianareo ho afaka amin' ny lotonareo rehetra; hantsoiko ny vary, ary hataoko ho be dia be, ary tsy haniraka mosary aminareo intsony aho. Je vous sauverai de toutes vos souillures. J' appellerai le blé et le multiplierai, et je ne vous imposerai plus de famine.
Eze / Ez 36:30 And I will multiply the fruit of the tree, and the increase of the field, that ye shall receive no more reproach of famine among the heathen. ary hataoko vokatra koa ny voankazo sy ny vokatry ny saha, mba tsy ho voalatsan' ny jentilisa amin' ny mosary intsony ianareo. Hampitomboiko ny voankazo, mbamin' ny vokatry ny saha, mba tsy hitondranareo intsony latsa ama-mosary eo amin' ny firenena. Je multiplierai les fruits des arbres et les produits des champs, afin que vous ne subissiez plus l' opprobre de la famine parmi les nations.
Eze / Ez 36:31 Then shall ye remember your own evil ways, and your doings that were not good, and shall lothe yourselves in your own sight for your iniquities and for your abominations. Dia hotsarovanareo ny lalan-dratsinareo sy ny fanao tsy metinareo, ka dia haharikoriko anareo ny tenanareo noho ny fahadisoanareo sy ny fahavetavetanareo. Hahatsiaro ny lalan-dratsinareo hianareo mbamin' ny asa tsy mety nataonareo, ka haharikoriko anareo ny tenanareo, noho ny hadisoanareo amam-pahavetavetanareo. Alors vous vous souviendrez de votre mauvaise conduite et de vos actions qui n'étaient pas bonnes. Vous vous prendrez vous-mêmes en dégoût à cause de vos fautes et de vos abominations.
Eze / Ez 36:32 Not for your sakes do I this, saith the Lord GOD, be it known unto you: be ashamed and confounded for your own ways, O house of Israel. Tsy noho ny aminareo no anaovako izany, hoy Jehovah Tompo aoka ho fantatrareo izany; koa menara sy mangaihaiza ianareo noho ny lalanareo, ry taranak' Isiraely. Tsy noho ny aminareo no anaovako izany, - teny marin' ny Tompo Iaveh, - ka aoka ho azonareo izany; aoka ho menatra sy hivoaramena hianareo, noho ny nataonareo, ry taranak' Israely. Ce n' est pas à cause de vous que j' agis - oracle du Seigneur Yahvé - sachez-le bien. Ayez honte et rougissez de votre conduite, maison d' Israël.
Eze / Ez 36:33 Thus saith the Lord GOD; In the day that I shall have cleansed you from all your iniquities I will also cause you to dwell in the cities, and the wastes shall be builded. Izao no lazain' i Jehovah Tompo: Amin' ny andro hanadiovako anareo ho afaka amin' ny helokareo rehetra dia hametrahako mponina ao amin' ny tanana, ary haorina indray ny efa rava. Izao no lazain' ny Tompo Iaveh: Amin' ny andro hanadiovako anareo ho afaka amin' ny helokareo rehetra, dia haveriko ho amin' ny tanànany ny mponina ao aminy, ary ny efa rava haorina indray. Ainsi parle le Seigneur Yahvé : Au jour où je vous purifierai de toutes vos fautes, je ferai que les villes soient habitées et les ruines rebâties;
Eze / Ez 36:34 And the desolate land shall be tilled, whereas it lay desolate in the sight of all that passed by. Ary hasaina ny tany efa lao, fa tsy ho lao eo imason' ny mpandalo rehetra intsony izy. Ny tany voarava, hasaina, izy izay efa tany lao teo imason' ny mpandalo rehetra. la terre dévastée sera cultivée, après avoir été dévastée, aux yeux de tous les passants.
Eze / Ez 36:35 And they shall say, This land that was desolate is become like the garden of Eden; and the waste and desolate and ruined cities are become fenced, and are inhabited. Fa holazainy hoe: Ity tany efa lao ity dia tonga tahaka ny saha Edena; ary ny tanàna efa foana sy lao dia misy mponina sady asiana manda; Holazaina hoe: io tany io efa foana teo, nanjary hoatra ny sahan' i Edena, ary ny tanàna efa rava, lao, nirodana, efa misy mponina hoatra ny tanàna mimanda. Et l' on dira : " Cette terre, naguère dévastée, est comme un jardin d'Éden, et les villes en ruines, dévastées et démolies, on en a fait des forteresses habitées. "
Eze / Ez 36:36 Then the heathen that are left round about you shall know that I the Lord build the ruined places, and plant that that was desolate: I the Lord have spoken it, and I will do it. ka dia ho fantatry ny jentilisa sisa manodidina anareo fa Izaho Jehovah no manorina indray ny efa rava sy mamboly izay efa foana. Izaho Jehovah no niteny sady hahatanteraka izany. Ary ho fantatry ny firenena sisa tavela manodidina anareo, fa izaho Iaveh dia nanorina indray ny efa rava, namboly ny efa fongotra. Izaho Iaveh sady nilaza no manatanteraka! Et les nations qui survivront autour de vous sauront que c' est moi, Yahvé, qui ai rebâti ce qui était démoli et qui ai replanté ce qui était dévasté. Moi, Yahvé, j' ai dit et je fais.
Eze / Ez 36:37 Thus saith the Lord GOD; I will yet for this be enquired of by the house of Israel, to do it for them; I will increase them with men like a flock. Izao no lazain' i Jehovah Tompo: Mbola hotadiavin' ny taranak' Isiraely Aho amin' ny hanaovako izao ho azy; hohamaroiko toy ny ondry ny olony. Izao no lazain' ny Tompo Iaveh: Amin' izao koa aho no mba hety hotadiavin' ny taranak' Israely, mba hanaovako izany ho fanasoavana azy: hohamaroiko toy ny biby fiompy ny olona. Ainsi parle le Seigneur Yahvé : Pour leur accorder ceci encore, je me laisserai chercher par la maison d' Israël; je les multiplierai comme un troupeau humain,
Eze / Ez 36:38 As the holy flock, as the flock of Jerusalem in her solemn feasts; so shall the waste cities be filled with flocks of men: and they shall know that I am the Lord. Toy ny ondry aman' osy masina, izay any Jerosalema amin' ny fotoam-pivavahana, dia toy izany no hahafenoan' ny tanànany efa lao amin' ny olona maro toy ny ondry aman' osy; ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah. Toy ny andian' ondry masina, toy ny andian' ondry any Jerosalema, amin' ny fetiny lehibe, ny olona hanao andiany, hameno ny tanàna rava; dia ho fantatry ny olona fa Iaveh aho. comme un troupeau de bêtes consacrées, comme le troupeau réuni à Jérusalem lors de ses assemblées. C' est ainsi que vos villes en ruines se rempliront d' un troupeau humain, et l' on saura que je suis Yahvé.

<-
->