<-
->

Eze / Ez 43:1 Afterward he brought me to the gate, even the gate that looketh toward the east: Ary nentiny ho any amin' ny vavahady aho, dia ilay vavahady manatrika ny atsinanana. Dia nentiny ho eo ambavahady aho, eo amin' ilay vavahady mitodika miantsinanana. Il me conduisit vers le porche, le porche qui fait face à l' orient,
Eze / Ez 43:2 And, behold, the glory of the God of Israel came from the way of the east: and his voice was like a noise of many waters: and the earth shined with his glory. Ary, indro, tamy ny voninahitr' Andriamanitry ny Isiraely avy tany atsinanana; ary ny feony dia tahaka ny firohondrohon' ny rano be; ary ny tany dia namirapiratra azon' ny voninahiny. Ary indro, tamy avy any atsinanana ny voninahitr' Andriamanitr' Israely. Ny feony, tahaka ny firohondrohon' ny rano be; ary ny tany namirapiratra azon' ny voninahiny. et voici que la gloire du Dieu d' Israël arrivait du côté de l' orient. Un bruit l' accompagnait, semblable au bruit des eaux abondantes, et la terre resplendissait de sa gloire.
Eze / Ez 43:3 And it was according to the appearance of the vision which I saw, even according to the vision that I saw when I came to destroy the city: and the visions were like the vision that I saw by the river Chebar; and I fell upon my face. Ary ny tarehin' ny zavatra hitako dia tahaka ny an' ilay efa hitako, fony aho tonga handrava ny tanàna; ary nisy tahaka ny tarehin' ilay efa hitako teo amoron' ny ony Kebara ihany; ka dia nikarapoka nihohoka aho. Ny tarehin-javatra hitako, dia tahaka ilay tarehin-javatra hitako no fijery azy, fony aho tonga handrava ny tanàna; sady nanahaka ny tarehin' ilay zavatra hitako teo amoron' ny ony Kobara ihany koa, no fijery azy, ka nitrosona nihohoka aho. Cette vision était semblable à la vision que j' avais eue lorsque j'étais venu pour la destruction de la ville, et aussi à la vision que j' avais eue sur le fleuve Kebar. Alors je tombai la face contre terre.
Eze / Ez 43:4 And the glory of the Lord came into the house by the way of the gate whose prospect is toward the east. Ary ny voninahitr' i Jehovah dia niditra tamin' ny vavahady manatrika ny atsinanana ho ao an-trano. Dia niditra nankao an-trano ny voninahitry ny Tompo, nihazo ny làlana teo amin' ny vavahady mitodika miantsinanana. La gloire de Yahvé arriva au Temple par le porche qui fait face à l' orient.
Eze / Ez 43:5 So the spirit took me up, and brought me into the inner court; and, behold, the glory of the Lord filled the house. Dia nisy fanahy nanainga ahy ka nitondra ahy niditra ho ao amin' ny kianja anatiny; ary, indro, feno ny voninahitr' i Jehovah ny trano. Tamin' izay, naingain' ny Fanahy aho, nentiny ho eo amin' ny kianja anatiny; ary indro, feno ny voninahitry ny Tompo ny trano. L' esprit m' enleva et me fit entrer dans le parvis intérieur, et voici que la gloire de Yahvé emplissait le Temple.
Eze / Ez 43:6 And I heard him speaking unto me out of the house; and the man stood by me. Dia reko fa nisy niteny tamiko tao an-trano; ary nisy lehilahy nitsangana teo anilako. Reko nisy niteny tamiko avy ao an-trano; ary nisy lehilahy nitsangana teo akaikiko. J' entendis quelqu' un me parler depuis le Temple, tandis que l' homme se tenait près de moi.
Eze / Ez 43:7 And he said unto me, Son of man, the place of my throne, and the place of the soles of my feet, where I will dwell in the midst of the children of Israel for ever, and my holy name, shall the house of Israel no more defile, neither they, nor their kings, by their whoredom, nor by the carcases of their kings in their high places. Dia hoy Izy tamiko: Ry zanak' olona, eto no hitoeran' ny seza fiandrianako sy hitoeran' ny faladiako, izay honenako mandrakizay eto amin' ny zanak' Isiraely; ary tsy holotoin' ny taranak' Isiraely, na izy na ny mpanjakany, amin' ny fijangajangany sy amin' ny sampin' ny mpanjakany ao amin' ny fitoerany avo intsony ny anarako masina, Hoy izy tamiko: Ry zanak' olona! Eto no fitoeran' ny seza fiandrianako, fitoerana hametrahako ny faladian-tongotro, honenako eo amin' ny zanak' Israely na izy na ny mpanjakany, tsy handoto intsony ny anarako masina, amin' ny fahavetavetany, na ny fatim-panjakany, na ny fitoerana avony, On me dit : Fils d' homme, c' est ici le lieu de mon trône, le lieu où je pose la plante de mes pieds. J' y habiterai au milieu des Israélites, à jamais; et la maison d' Israël, eux et leurs rois, ne souilleront plus mon saint nom par leurs prostitutions et par les cadavres de leurs rois,
Eze / Ez 43:8 In their setting of their threshold by my thresholds, and their post by my posts, and the wall between me and them, they have even defiled my holy name by their abominations that they have committed: wherefore I have consumed them in mine anger. tamin' ny nametrahany ny tokonam-baravaran' ireny teo anilan' ny tokonam-baravarako sy ny tolan' ireny teo anilan' ny tolako, rindrina ihany no teo anelanelako sy ireny, dia nolotoiny tamin' ny fahavetavetana nataony ny anarako masina; ka dia nahalany ringana azy tamin' ny fahatezerako Aho. mametraka ny tokonany eo anilan' ny tokonako, sy ny tolanany eo anilan' ny tolanako, any ka rindrina sisa no nanelanelana ahy sy azy ireo, ka nandoto ny anarako masina izy tamin' ny fahavetavetana nataony, ary naringako noho ny fahatezerako. en mettant leur seuil près de mon seuil et leurs montants près de mes montants, en établissant un mur commun entre eux et moi. Ils souillaient mon saint nom par les abominations auxquelles ils se livraient, c' est pourquoi je les ai dévorés dans ma colère.
Eze / Ez 43:9 Now let them put away their whoredom, and the carcases of their kings, far from me, and I will dwell in the midst of them for ever. Fa amin' izao kosa dia aoka hariany lavitra Ahy ny fijangajangany sy ny sampin' ny mpanjakany, ka dia honina ao aminy mandrakizay Aho. Fa amin' izao kosa, hesoriny lavitra ahy ny fahavetavetany sy ny fatim-panjakany, ka honina eo aminy mandrakizay aho. Désormais ils éloigneront de moi leurs prostitutions et les cadavres de leurs rois, et j' habiterai au milieu d' eux, à jamais.
Eze / Ez 43:10 Thou son of man, shew the house to the house of Israel, that they may be ashamed of their iniquities: and let them measure the pattern. Hianao, ry zanak' olona, asehoy amin' ny taranak' Isiraely ny trano mba hahamenatra azy ny amin' ny helony, ka dia horefesiny ny mari-trano. Hianao, ry zanak' olona, aoka hampahalala ny taranak' Israely an' ity trano ity, mba hahamenatra azy noho ny fahotany; ary aoka handrefy azy araka ny marika izy. Et toi, fils d' homme, décris ce Temple à la maison d' Israël, afin qu' ils rougissent de leurs abominations. Qu' ils en mesurent le plan .
Eze / Ez 43:11 And if they be ashamed of all that they have done, shew them the form of the house, and the fashion thereof, and the goings out thereof, and the comings in thereof, and all the forms thereof, and all the ordinances thereof, and all the forms thereof, and all the laws thereof: and write it in their sight, that they may keep the whole form thereof, and all the ordinances thereof, and do them. Ary raha menatra ny amin' izay rehetra efa nataony izy, dia asehoy azy ny endriky ny trano mbamin' ny fombafombany sy ny fivoahana avy ao aminy sy ny fidirana ho ao aminy ary ny endriny rehetra sy ny didy rehetra aminy, eny, ny endriny rehetra ary ny lalàna rehetra aminy; koa soraty eo imasony izany, hitandremany ny endriny rehetra ary ny lalàny rehetra ka hanatanterahany izany. Raha menatra izy noho izay rehetra efa nataony, dia ambarao azy ny endrik' ity trano ity, ny filaminany, ny fivoahana amam-pidirana aminy, ny andriny, ny fandaharana rehetra momba azy, ary ny fombany aman-dàlana rehetra; ataovy an-tsoratra eo imasony izany rehetra izany, mba hitandremany ny fombany amam-pitsipiny rehetra, sy hanatanterahany an' izany. Et s' ils rougissent de toute leur conduite, enseigne-leur la forme du Temple et son plan, ses issues et ses entrées, sa forme et toutes ses dispositions, toute sa forme et toutes ses lois. Mets tout cela par écrit devant leurs yeux, afin qu' ils observent sa forme et toutes ses dispositions et qu' ils les réalisent.
Eze / Ez 43:12 This is the law of the house; Upon the top of the mountain the whole limit thereof round about shall be most holy. Behold, this is the law of the house. Izao no lalàna amin' ny trano: Ho masina dia ho masina avokoa izay rehetra voafaritra ho azy eo an-tampon' ny tendrombohitra. Eny, izany no lalana amin' ny trano. Izao no lalàna amin' ny trano: Masina dia masina avokoa, ny tokotany rehetra momba azy manodidina eo an-tampon' ny tendrombohitra. Izany no lalàna amin' ny trano. Voici la charte du Temple : au sommet de la montagne, tout le territoire qui l' entoure est un espace très saint. Telle est la charte du Temple.
Eze / Ez 43:13 And these are the measures of the altar after the cubits: The cubit is a cubit and an hand breadth; even the bottom shall be a cubit, and the breadth a cubit, and the border thereof by the edge thereof round about shall be a span: and this shall be the higher place of the altar. Ary izao no mariky ny alitara araka ny hakiho, nefa isaky ny hakiho iray dia mihoatra vodivoam-pelatanana noho ny fanao: Ny fara-vodiny dia iray hakiho, ary iray hakiho koa ny sakany, ary ny koronosiny manodidina dia irain-jehy; ireo no fiorenan' ny alitara. Izao no refin' ny otely amin' ny hakiho, fa ny hakiho kosa dia hakiho sy vodivoam-pelatànana; ny lakan-drano iray hakiho ny hahavony, iray hakiho ny sakany; ny molony manodidina azy irain-jehy. Toy izany no fiantombenan' ny otely. Voici les dimensions de l' autel en coudées d' une coudée plus un palme : la base, une coudée sur une coudée de large; l' espace près de la rigole, tout autour, un empan; c' est le bord de l' autel.
Eze / Ez 43:14 And from the bottom upon the ground even to the lower settle shall be two cubits, and the breadth one cubit; and from the lesser settle even to the greater settle shall be four cubits, and the breadth one cubit. Ary hatramin' ny fara-vodiny eo amin' ny tany ka hatramin' ny rindriny ambany dia roa hakiho, ary ny sakany dia iray hakiho; ary hatramin' ny rindriny iva ka hatramin' ny rindriny avo dia efatra hakiho; ary ny sakany dia iray hakiho. Hatramin' ny lakan-drano eo amin' ny tany, ka hatreo amin' ny koronosy manodidina ambany, roa hakiho, ary iray hakiho ny sakany; hatramin' ny koronosy kely ka hatramin' ny koronosy lehibe, efatra hakiho, ary iray hakiho ny sakany. Depuis la base reposant par terre jusqu' au socle inférieur, deux coudées sur une coudée de large; depuis le petit socle jusqu' au grand socle, quatre coudées sur une coudée de large.
Eze / Ez 43:15 So the altar shall be four cubits; and from the altar and upward shall be four horns. Ary ny fanambonin' ny alitara dia ho efatra hakiho, ary eo ambonin' ny fatana dia hisy tandroka efatra. Efatra hakiho ny Harely; ary avy eo amin' ny Ariely eo ambony no ijoroan' ny tandroka efatra. Le foyer avait quatre coudées, et au-dessus du foyer, il y avait quatre cornes.
Eze / Ez 43:16 And the altar shall be twelve cubits long, twelve broad, square in the four squares thereof. Roa ambin' ny folo hakiho ny lavan' ny fatana, ary roa ambin' ny folo hakiho koa ny sakany, ary efa-joro sokera izy, Roa ambin' ny folo hakiho, ny lavan' ny Ariely; roa ambin' ny folo hakiho koa ny sakany; efa-joro sokera tsara izy. Le foyer mesurait douze coudées de long sur douze de large, il était carré sur les quatre côtés.
Eze / Ez 43:17 And the settle shall be fourteen cubits long and fourteen broad in the four squares thereof; and the border about it shall be half a cubit; and the bottom thereof shall be a cubit about; and his stairs shall look toward the east. Ary ny rindriny dia efatra ambin' ny folo hakiho ny lavany, sy efatra ambin' ny folo hakiho koa ny sakany, amin' ny lafiny efatra; ary ny koronosiny manodidina dia antsasaky ny hakiho; ary ny fara-vodiny dia iray hakiho manodidina; ary ny ambaratongany dia manatrika ny atsinanana. Efatra ambin' ny folo hakiho ny koronosy amin' ny lafiny efatra; efatra ambin' ny folo hakiho ny halavany, ary efatra ambin' ny folo hakiho ny sakany; antsasaky ny hakiho, ny molony manodidina; misy lakan-drano iray hakiho manodidina azy; mitodika miantsinanana ny ambaratongany. Le socle : quatorze coudées de long sur quatorze coudées de large, il était carré. Le rebord tout autour : une demi-coudée, et la base : une coudée tout autour. Les marches étaient tournées vers l' est.
Eze / Ez 43:18 And he said unto me, Son of man, thus saith the Lord GOD; These are the ordinances of the altar in the day when they shall make it, to offer burnt offerings thereon, and to sprinkle blood thereon. Ary hoy izy tamiko: Ry zanak' olona, izao no lazain' i Jehovah Tompo: Izao no didy ny amin' ny alitara amin' izay andro hanaovana azy, hanaterana fanatitra dorana sy hanopazana rà aminy: Ary hoy izy tamiko: Ry zanak' olona, izao no lazain' ny Tompo Iaveh: Izao no lalàna ny amin' ny otely amin' ny andro hanaovana azy, hanaterana sorona dorana sy hamafazana ra aminy: Il me dit : Fils d' homme, ainsi parle le Seigneur Yahvé. Voici les dispositions concernant l' autel, lorsqu' on l' aura dressé pour y sacrifier l' holocauste et pour y répandre le sang.
Eze / Ez 43:19 And thou shalt give to the priests the Levites that be of the seed of Zadok, which approach unto me, to minister unto me, saith the Lord GOD, a young bullock for a sin offering. Ny Levita mpisorona, taranak' i zadoka, izay manatona Ahy hanao fanompoam-pivavahana ho Ahy, dia homenao vantotr' ombilahy iray hatao fanatitra noho ny ota, hoy Jehovah Tompo. Tolory vantotr' ombalahy iray hatao sorona noho ny ota, ny levita mpisorona izay avy amin' ny taranak' i Sadaoka, sy manatona ahy, - teny marin' ny Tompo Tompo, - hanompo ahy. Tu donneras aux prêtres lévites - ceux de la race de Sadoq qui s' approchent de moi pour me servir, oracle du Seigneur Yahvé - un jeune taureau, en sacrifice pour le péché.
Eze / Ez 43:20 And thou shalt take of the blood thereof, and put it on the four horns of it, and on the four corners of the settle, and upon the border round about: thus shalt thou cleanse and purge it. Dia hangalanao ny ràny ka hatentinao amin' ny tandrony efatra sy amin' ny zorony efatra amin' ny rindriny ary amin' ny koronosiny manodidina; izany no hanadiovanao azy sy hanaovanao fanavotana ho azy. Hangalanao ny rany, dia atenteno ny tandrony efatra amin' ny otely, ny zorony efatra amin' ny koronosiny, ary ny molony manodidina, hanaovanao fanonerana amam-panavotana ny otely. Tu prendras de son sang, tu en mettras sur les quatre cornes, sur les quatre angles du socle et sur le rebord tout autour. C' est ainsi que tu en ôteras le péché et feras sur lui l' expiation.
Eze / Ez 43:21 Thou shalt take the bullock also of the sin offering, and he shall burn it in the appointed place of the house, without the sanctuary. Halainao koa ny vantotr' ombilahy hatao fanatitra noho ny ota ka hodorana ao amin' ny fitoerana voatendry ao amin' ny trano ivelan' ny fitoerana masina. Halainao ny ombalahy natolotra noho ny ota, ka hodorana amin' ny fitoerana efa voatokana ao amin' ny trano ivelan' ny fitoerana masina. Puis tu prendras le taureau du sacrifice pour le péché : on le brûlera dans l' endroit retiré du Temple, hors du sanctuaire.
Eze / Ez 43:22 And on the second day thou shalt offer a kid of the goats without blemish for a sin offering; and they shall cleanse the altar, as they did cleanse it with the bullock. Ary amin' ny andro faharoa no hanateranao osilahy tsy misy kilema hatao fanatitra noho ny ota; ary hodioviny ny alitara tahaka ny nanadiovany azy tamin' ny vantotr' ombilahy. Amin' ny andro faharoa, manatera vantotr' osilahy, tsy misy kilema, ho fanatitra noho ny ota; ary manaova fanonerana ho an' ny otely toy ny natao tamin' ny ombalahy. Le deuxième jour, tu offriras un bouc sans défaut en sacrifice pour le péché et on ôtera le péché de l' autel comme on avait fait avec le taureau.
Eze / Ez 43:23 When thou hast made an end of cleansing it, thou shalt offer a young bullock without blemish, and a ram out of the flock without blemish. Ary rehefa vita ny anadiovanao azy, dia hanatitra vantotr' ombilahy tsy misy kilema sy ondrilahy tsy misy kilema ianao. Rahefa vitanao ny fanonerana dia manatera vantotr' ombalahy iray tsy misy kilema, sy ondralahy iray avy amin' ny andriany, tsy misy kilema. Après avoir achevé d'ôter le péché, tu offriras un jeune taureau sans défaut et un bélier du troupeau, sans défaut.
Eze / Ez 43:24 And thou shalt offer them before the Lord, and the priests shall cast salt upon them, and they shall offer them up for a burnt offering unto the Lord. Ary haterinao eo anatrehan' i Jehovah ireo, ary ny mpisorona handraraka sira eo aminy, dia hanatitra azy ho fanatitra dorana ho an' i Jehovah. Hianao moa, hanatitra ireo, eo anatrehan' ny Tompo; ny mpisorona kosa handraraka sira aminy, sy hanolotra azy ho sorona dorana amin' ny Tompo. Tu les présenteras devant Yahvé, et les prêtres jetteront sur eux du sel et les offriront en holocauste à Yahvé.
Eze / Ez 43:25 Seven days shalt thou prepare every day a goat for a sin offering: they shall also prepare a young bullock, and a ram out of the flock, without blemish. Hafitoana no hanateranao osilahy isan' andro hatao fanatitra noho ny ota sy vantotr' ombilahy sy ondrilahy izay tsy misy kilema. Hafitoana no hanateranao osilahy isan' andro, ho sorona noho ny ota; manatera koa ombalahy iray sy ondralahy iray, avy amin' ny andiany, tsy misy kilema. Pendant sept jours, tu offriras en sacrifice un bouc, en sacrifice pour le péché, chaque jour, et on offrira un taureau et un bélier du troupeau, sans défaut,
Eze / Ez 43:26 Seven days shall they purge the altar and purify it; and they shall consecrate themselves. Hafitoana no hanaovany fanavotana ho an' ny alitara sy hanadiovany azy ary hanokanany azy. Hafitoana no hanaovam-panavotana ho an' ny otely dia hanadiovana azy sy hanamasinana azy. pendant sept jours. C' est ainsi qu' on fera l' expiation pour l' autel, qu' on le purifiera et qu' on l' inaugurera.
Eze / Ez 43:27 And when these days are expired, it shall be, that upon the eighth day, and so forward, the priests shall make your burnt offerings upon the altar, and your peace offerings; and I will accept you, saith the Lord GOD. Ary rehefa tapitra izany andro izany, dia hiantomboka amin' ny andro fahavalo ny hanateran' ny mpisorona ny fanatitra doranareo ao amin' ny alitara sy ny fanati-pihavananareo; ary dia hankasitrahako ianareo, hoy Jehovah Tompo. Rahefa tapitra ny hafitoana, ny andro fahavalo sy ny manaraka dia hanoloran' ny mpisorona eo ambonin' ny otely ny sorona doranareo sy ny sorona fisaoranareo, ka hankasitrahako hianareo, - teny marin' ny Tompo Iaveh. Passé cette période, le huitième jour et les jours suivants, les prêtres offriront sur l' autel vos holocaustes et vos sacrifices de communion. Et je vous serai favorable, oracle du Seigneur Yahvé.

<-
->