<-
->

Eze / Ez 42:1 Then he brought me forth into the utter court, the way toward the north: and he brought me into the chamber that was over against the separate place, and which was before the building toward the north. Dia nentiny nivoaka nianavaratra ho any amin' ny kianja ivelany aho, ary nampidiriny ho ao amin' ny efi-trano tandrifin' ny kianja voatokana sady tandrifin' ny trano eo amin' ny avaratra, Nentin-dralehilahy nivoaka nianavaratra aho, ho ao amin' ny kianja ivelany, dia nentiny ho ao amin' ny efitrano manatrika ny fitoerana foana sy ny rindrina eo amin' ny avaratra. Il me fit sortir vers le parvis extérieur, vers le nord, et m' emmena à la chambre située en face de la cour, c' est-à-dire en face de l'édifice, vers le nord.
Eze / Ez 42:2 Before the length of an hundred cubits was the north door, and the breadth was fifty cubits. dia ho eo anoloan' ilay lavany zato hakiho izay nisy ny varavarana avaratra, ary ny sakany dimam-polo hakiho. Zato hakiho ny lavany - varavarana avaratra, - dimampolo hakiho ny sakany; Sur la façade, elle avait une longueur de cent coudées vers le nord, et une largeur de cinquante coudées.
Eze / Ez 42:3 Over against the twenty cubits which were for the inner court, and over against the pavement which was for the utter court, was gallery against gallery in three stories. Tandrifin' ny roa-polo hakiho amin' ny kianja anatiny sady tandrifin' ny lampivato amin' ny kianja ivelany dia nisy lalan-tsarany nifanandrify teo amin' ny trano fahatelo ambony indrindra. tandrifin' ny roapolo hakiho amin' ny kianja anatiny, ary tandrifin' ny lampivato amin' ny kianja ivelany, nisy làlantsara nifanandrify mifanongoa telo. En face des porches du parvis intérieur et en face du dallage du parvis extérieur, il y avait une galerie devant la galerie triple
Eze / Ez 42:4 And before the chambers was a walk to ten cubits breadth inward, a way of one cubit; and their doors toward the north. Ary teo anoloan' ny efi-trano dia nisy lalana, folo hakiho ny sakany, mankao anatiny, ary lalana iray hakiho izany; ary nanatrika ny avaratra ny varavarany. Teo anoloan' ny efitrano, nisy làlana folo hakiho no habeny, nisy làlana miditra ho ao anatiny koa, iray hakiho, ary nitodika nianavaratra ny varavarany. et, devant les chambres, une allée, large de dix coudées vers l' intérieur, et longue de cent coudées; leurs portes donnaient au nord.
Eze / Ez 42:5 Now the upper chambers were shorter: for the galleries were higher than these, than the lower, and than the middlemost of the building. Ary nohakelezina ny efi-trano ambony, fa nangalana ho lalantsarany, ka izany no nahakely azy noho ny ambany sy ny an-tenatenany. Etiety kokoa ny efitrano ambony, - fa nangalana ho làlan-tsarany, - ka etiety kokoa noho ny efitra ambany sy ny efitrano antenantenany amin' ny trano, Les chambres supérieures étaient étroites, car les galeries étaient prises dessus, plus étroites que celles du bas et du milieu de l'édifice;
Eze / Ez 42:6 For they were in three stories, but had not pillars as the pillars of the courts: therefore the building was straitened more than the lowest and the middlemost from the ground. Fa nifanongoa telo ireo, fa tsy nisy andry tahaka ny andrin' ny kianja, ka izany no nahakely azy noho ny ao ambany sy ny ao an-tenatenany hatreny an-tany. fa nifanongoa telo izy ireo sady tsy mba nisy andry toy ny amin' ny kianja; ka izany no nahaety ny efitrano ambony noho ny efitrano ambany sy ny antenantenany. en effet, elles étaient divisées en trois étages, et n' avaient pas de colonnes comme le parvis. Aussi étaient-elles plus étroites que celles du bas et du milieu de l'édifice à partir du sol .
Eze / Ez 42:7 And the wall that was without over against the chambers, toward the utter court on the forepart of the chambers, the length thereof was fifty cubits. Ary nisy ampiantany teo ivelany, tandrifin' ny efi-trano, nanatrika ny kianja ivelany, teo anoloan' ny efi-trano, ka dimam-polo hakiho ny lavany. Ny tamboho ivelany, mifanila amin' ireo efitrano eo amin' ny lafin' ny kianja ivelany, dia dimampolo hakiho ny laniny manatrika ny efitrano. L' enceinte extérieure, parallèle aux chambres, vers le parvis extérieur, en face des chambres, était longue de cinquante coudées.
Eze / Ez 42:8 For the length of the chambers that were in the utter court was fifty cubits: and, lo, before the temple were an hundred cubits. Fa ny lavan' ireo efi-trano izay teo amin' ny kianja ivelany dia dimam-polo hakiho; ary, indro, ny teo anoloan' ny ati-trano lehibe dia zato hakiho. Fa dimampolo hakiho ny lavan' ny efitrano eo amin' ny lafin' ny kianja ivelany, ary zato hakiho kosa ny eo amin' ny lafin' ny tempoly. Car la longueur des chambres du parvis extérieur était de cinquante coudées, et celles qui étaient devant la salle du Temple avaient cent coudées.
Eze / Ez 42:9 And from under these chambers was the entry on the east side, as one goeth into them from the utter court. Ary teo ambanin' ireo efi-trano ireo dia nisy fidirana avy eo atsinanana, raha miditra amin' ireo avy eo amin' ny kianja ivelany. Teo ambanin' ireo efitrano ireo, nisy fidirana mitodika miantsinanana ho an' izay avy ao amin' ny kianja ivelany. En dessous des chambres, il y avait une entrée venant de l' orient, donnant accès depuis le parvis extérieur.
Eze / Ez 42:10 The chambers were in the thickness of the wall of the court toward the east, over against the separate place, and over against the building. Ary nisy efi-trano koa teo amin' ny sakan' ny ampiantanin' ny kianja teo amin' ny atsinanana, tandrifin' ny kianja voatokana sady tandrifin' ny trano. Teo amin' ny sakan' ny rindrin' ny kianja atsinanana, manatrika ny fitoerana foana sy ny tamboho, nisy efitrano koa, Sur la largeur de l' enceinte du parvis, vers le midi, devant la cour et devant l'édifice, il y avait des chambres.
Eze / Ez 42:11 And the way before them was like the appearance of the chambers which were toward the north, as long as they, and as broad as they: and all their goings out were both according to their fashions, and according to their doors. Ary nisy lalana teo anoloany, ary tahaka ny tarehin' ny efi-trano teo amin' ny avaratra ny tarehiny, sady mitovy amin' ny an' ireo avokoa ny lavany sy ny sakany ary ny fivoahana avy ao aminy mbamin' ny fombafombany rehetra sy ny varavarany; ary teo anoloany nisy làlana toy ny hita ao amin' ireo efitrano teo amin' ny lafiny avaratra; sahala ny lavany sy ny sakany, torak' izany koa ny fidirana aman-toetoetrany; Une allée passait devant elles, comme pour les chambres situées au nord; elles avaient même longueur et même largeur, mêmes issues, même ordonnance et mêmes entrées.
Eze / Ez 42:12 And according to the doors of the chambers that were toward the south was a door in the head of the way, even the way directly before the wall toward the east, as one entereth into them. ary tahaka ny varavaran' ny efi-trano eo amin' ny atsimo dia nisiana varavarana koa teo amin' ny fiandohan' ny lalana, dia ilay lalana eo anoloan' ny ampiantany mifanolotra aminy, dia ny lalana avy eo amin' ny atsinanana, raha miditra ao aminy. mitovy amin' ny an' ireo ihany koa ny varavaran' ireto efitrano eto atsimo; misy varavarana koa eo amin' ny fiandohan' ny làlana manaraka ny tamboho mifanandrify eo andrefana halehan' izay miditra. En dessous des chambres du midi, il y avait une entrée, au départ de chaque allée, en face du mur correspondant, vers l' orient, à leur entrée.
Eze / Ez 42:13 Then said he unto me, The north chambers and the south chambers, which are before the separate place, they be holy chambers, where the priests that approach unto the Lord shall eat the most holy things: there shall they lay the most holy things, and the meat offering, and the sin offering, and the trespass offering; for the place is holy. Dia hoy izy tamiko; Ny efi-trano avaratra sy ny efi-trano atsimo, izay eo anoloan' ny kianja voatokana, dia efi-trano masina, hihinanan' ny mpisorona izay manatona an' i Jehovah ny zavatra masina indrindra; any no hametrahany izay zavatra masina indrindra, dia ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra noho ny ota ary ny fanati-panonerana: fa masina io fitoerana io. Dia hoy izy tamiko: Ireo efitrano eo avaratra, sy efitrano eo atsimo manatrika ny fitoerana foana ireo, no efitran' ny fitoerana masina, ihinanan' ny mpisorona manatona an' ny Tompo ny zava-masina indrindra; ao no ametrahany ny zavatra masina indrindra, ny fanatitra, ny sorona noho ny ota sy noho ny fahadisoana, satria masina io fitoerana io. Il me dit : " Les chambres du nord et les chambres du midi qui sont devant la cour, ce sont les chambres du sanctuaire, là où les prêtres qui s' approchent de Yahvé mangeront les choses très saintes. C' est là qu' on déposera les choses très saintes, l' oblation, l' offrande pour le péché et l' offrande de réparation, car c' est un lieu saint.
Eze / Ez 42:14 When the priests enter therein, then shall they not go out of the holy place into the utter court, but there they shall lay their garments wherein they minister; for they are holy; and shall put on other garments, and shall approach to those things which are for the people. Raha miditra ao ny mpisorona, dia tsy hiala amin' ny fitoerana masina ho any amin' ny kianja ivelany izy, fa ao no hamelany ny fitafiana masina izay nentiny nanao fanompoam-pivavahana, satria masina ireo; ary hitafy fitafiana hafa izy vao manatona ny olona. Rahefa tafiditra ao ny mpisorona, dia tsy hiala ao amin' ny fitoerana masina izy mba ho ao amin' ny kianja ivelany, raha tsy efa navelany ao ny fitafiana nentiny nanao ny fanompoana; fa masina izany fitafiana izany. Miova fitafiana aloha izy, vao manatona mankao amin' ny raharaha momba ny vahoaka. Et quand les prêtres viendront, ils ne sortiront pas du lieu saint vers le parvis extérieur, mais ils déposeront là leurs vêtements liturgiques, car ces vêtements sont saints, et ils revêtiront d' autres vêtements pour s' approcher des endroits destinés au peuple. "
Eze / Ez 42:15 Now when he had made an end of measuring the inner house, he brought me forth toward the gate whose prospect is toward the east, and measured it round about. Ary nony vita ny nandrefesany ny trano anatiny, dia nentiny nivoaka nankany amin' ny vavahady izay manatrika ny atsinanana aho, ka norefesiny ny manodidina. Nony tapitra norefesiny ny tao anatin' ny trano, dia nentiny nivoaka aho ho ao amin' ny vavahady, izay mitodika miantsinanana ny anoloany, dia norefesiny ny manodidina io. Ayant achevé de mesurer le Temple à l' intérieur, il me fit sortir vers le porche qui regarde l' orient, et mesura le parvis tout autour.
Eze / Ez 42:16 He measured the east side with the measuring reed, five hundred reeds, with the measuring reed round about. Norefesiny tamin' ny volotara fandrefasana ny lafiny atsinanana, ka indiman-jaton' ny volotara manodidina, raha amin' ny volatara fandrefesana. Norefesiny tamin' ny volotara fandrefesana ny lafiny atsinanana, ka indiman-jaton' ny volotara araka ny volotara fandrefesana ny manodidina azy. Il mesura le côté oriental avec sa canne à mesurer : cinq cents coudées, avec la canne à mesurer, tout autour.
Eze / Ez 42:17 He measured the north side, five hundred reeds, with the measuring reed round about. Norefesiny koa ny lafiny avaratra, ka indiman-jaton' ny volotara manodidina, raha amin' ny volotara fandrefesana. Norefesiny ny lafiny avaratra, dia indiman-jaton' ny volotara araka ny volotara fandrefesana ny manodidina azy. Puis il mesura le côté septentrional : cinq cents coudées, avec la canne à mesurer, tout autour.
Eze / Ez 42:18 He measured the south side, five hundred reeds, with the measuring reed. Norefesiny koa ny lafiny atsimo, ka indiman-jaton' ny volotara, raha amin' ny volotara fandrefesana. Norefesiny ny lafiny atsimo: indiman-jaton' ny volotara araka ny volotara fandrefesana. Ensuite il mesura le côté méridional : cinq cents coudées, avec la canne à mesurer,
Eze / Ez 42:19 He turned about to the west side, and measured five hundred reeds with the measuring reed. Nitodika nankany amin' ny lafiny andrefana izy ka nandrefy indiman-jaton' ny volotara tamin' ny volotara fandrefesana. Nitodika ny lafiny andrefana izy dia nandrefy indiman-jaton' ny volotara araka ny volotara fandrefesana. tout autour. Et du côté occidental, il mesura cinq cents coudées avec la canne à mesurer.
Eze / Ez 42:20 He measured it by the four sides: it had a wall round about, five hundred reeds long, and five hundred broad, to make a separation between the sanctuary and the profane place. Norefesiny avokoa ny lafiny efatra. Nisy ampiantany manodidina, indiman-jaton' ny volotara ny lavany, ary indiman-jatony koa ny sakany, hampiavaka ny masina sy ny tsy masina. Norefesiny ny lafiny efatra amin' ny manodidina; fa nisy tamboho manodidina ny tempoly, ka diman-jato ny lavany, diman-jato ny sakany, mba hampiavaka ny masina sy ny tsy masina. Sur les quatre côtés, il mesura le mur d' enceinte, tout autour : longueur, cinq cents, et largeur, cinq cents, pour séparer le sacré du profane.

<-
->