|
|
|
|

Fizahan-teny

Ohabolana : akoholahy

Ohabolana 1Akoholahy sy masoandro, ka mifamotoan-tsamy lavitra. [2.165 #1485, 2.558]
Akoholahy sy masoandro : mifamotoan-tsamy lavitra. [2.653 #67]
Masoandro sy akoholahy: mifamotoan-tsamy lavitra. [2.558 #2155]
Dikanteny frantsayLe coq et le soleil: ils se donnent rendez-vous quoique bien éloignés l' un de l' autre. [2.165]
Fanazavana frantsayLe coq salue le soleil à son lever, et rentre au logis à son coucher. [2.165]

Ohabolana 2Aza manao volombodin' akoholahy, ka ny any aoriana indray no malaza. [2.558 #638]
Aza manao volom-bodin' akoholahy : ny mitoetra any am-bodiny indray no malaza. [2.415 #3241]
Aza manao volom-bodin’ akoholahy : ny mitoetra any am-bodiny indray no rnalaza. [2.653 #551]
Volom-bodin' akoholahy: malaza tsara ihany fa aorian' ny namany. [2.165 #1475]
Volom-bodin' akoholahy : ny malaza no any aoriana. [2.558 #5022]
Volom-bodin’ akoholahy : ny malaza no aoriana. [2.415 #6055, 2.653 #3730]
Dikanteny frantsayLes plumes de la queue du coq: elles sont assez grandes (litt. fameuses), mais viennent derrière les autres. [2.165 #1475]
Ne faites pas comme les plumes de la queue du coq : c' est sur la partie postérieure que sont les plus belles. [2.415 #3241]
Plumes de la queue d' un coq : ce sont les plus brillantes qui sont derrière. [2.415 #6055]
Fanazavana frantsaySe disait des gens qui réservent tous leurs soins aux choses les moins importantes. [2.415 #3241]

Ohabolana 3Aza manely ny efa vory toy ny akoholahy ambony sompitra. [2.558 #673]
Aza manely vory hoatry ny akoholahy ambony sompitra. [2.415 #2351]
Aza manely vory, ohatra ny akoholahy ambony sompitra. [2.653, 2.974]
Manao akoholahy an-tsompitra manely vory. [2.415 #2385]
Manely vory ohatra ny akoholahy ambony sompitra. [1.1]
Fanazavana malagasyEnti-milaza olona faly mandanilany foana ny noharin' ny sasany. [1.1]
Dikanteny frantsayFaire comme le coq dans le grenier : il disperse ce qui était rassemblé. [2.415 #2385]
N' éparpillez pas ce qui a été rassemblé, comme fait le coq dans la grande corbeille à riz. [2.415 #2351]
Ne pas éparpiller son avoir comme le coq dans un grenier. [2.974 #215]
Fanazavana frantsaySe disait des dissipateurs et des gens désordonnés. [2.415 #2385]

Ohabolana 4Malaza ho rain’ akoholahy, ka mitsindroka am-body laona. [2.653 #1458]
Malaza ho rain' akoholahy ka no mitsindroka am-bodi-laona! [2.558 #1933]

Ohabolana 5Raha akoholahy tsy maneno, ataoko adidin’ ny trano. [2.653 #2634, 2.974 #121]
Dikanteny frantsaySi un coq ne chante pas, j’en accuse la maison. [2.974 #121]

Ohabolana 6Sangan' akoholahy : mena ambonin' ny mena. [2.974 #350]
Dikanteny frantsayCrête du coq : rouge qui domine le rouge. [2.974 #350]

Ohabolana 7Volombodin’ akoholahy : izay ihoronan’ ny inaro mba hihoronana. [2.653 #3729]
Volombodin' akoholahy : izay ihoronan' ny maro mba ihoronana. [2.415 #2266]
Volombodin' akoholahy, ka izay ihoronan' ny maro mba hihoronany. [2.558 #5021]
Dikanteny frantsayPlumes de la queue d' un coq : là où se rassemble la plus grande partie se fait la réunion. [2.415 #2266]
Fanazavana frantsaySe disait des riches qui amassent toujours, et des grands qui sont suivis du peuple. [2.415 #2266]

Fizahan-teny