|
|
|
|

Fizahan-teny

Ohabolana : mihady

Ohabolana 1Aza mangarom-biby an-davaka. [2.165 #1736]
Aza mangarom-biby an-davaka, na mihady avoko an-tany mafy. [2.558 #680]
Aza mangarom-biby an-davaka sy mihady avoko an-tany mafy. [2.653 #576]
Mangarom-biby an-davaka. [2.415 #6303]
Dikanteny frantsayCelui qui s' expose au danger, est comme un homme qui cherche à prendre un animal dangereux dans son trou. [2.415 #6303]
N' allez pas déranger un animal (dangereux) dans son trou. [2.165]

Ohabolana 2Raha razana tsy hitahy, fohazy hihady vomanga. [2.165 #64, 2.415 #103, 2.558 #3648, 1.1]
Fanazavana malagasyNino fatratra ny fitahian' ny razana ny Ntaolo ka nesoiny ireo noheveriny fa tsy miraharaha ny hitahy ny taranany velona. [1.1]
Dikanteny frantsaySi les ancêtres ne veillent pas vous protéger, réveillez-les pour arracher des patates. [2.415 #103]
Si les ancêtres ne veulent pas vous bénir, réveillez-les pour arracher des patates. [2.165]

Ohabolana 3Tamam-pary mamy ka miady ny fakany. [2.558 #4010]
Tamam-pary mamy, ka mihady ny fakany. [2.165 #670, 2.415 #3071]
Tamanam-pary mamy, ka mihady ny fakany. [2.653 #2981, 2.974 #283]
Dikanteny frantsayAimer beaucoup la canne à sucre douce et en prendre jusqu' à la racine. [2.165]
Habitué à la douceur des cannes à sucre, il creuse jusqu' aux racines. [2.415 #3071]
Trop habitué à manger de la canne à sucre, il va jusqu’à déterrer les racines. [2.974 #283]
Fanazavana frantsaySe disait des libertins qui se ruinent pour continuer leur vie de débauche. [2.415 #3071]

Fizahan-teny