|
|
|
|

Fizahan-teny

Ohabolana : mohaka

Ohabolana 1Mihambohambo tsy tia vary mohaka, fa mihinana ny masiso be herinandro. [2.165 #490]
Miangolangola tsy tia vary mohaka, ka homana ny masiso be herinandro. [2.415 #4694, 2.653 #1725]
Miangolangola tsy tia vary mohaka nefa mahalany masiso iray vilany. [2.558 #2259]
Dikanteny frantsayFaire semblant de ne pas aimer le riz à moitié cuit, et en manger qui est vieux d' une semaine. [2.165]
C' est un capricieux qui prétend ne pas aimer le riz cuit trop mou, et qui mange du riz rance cuit depuis une semaine. [2.415 #4694]
Fanazavana frantsaySe disait des fanfarons, des boudeurs, des gourmands. [2.415 #4694]

Ohabolana 2Mihambo tsy tia vary mohaka, kanjo nony homana atosika fotsiny. [2.558 #2310]

Ohabolana 3Mihambo tsy tia vary mohaka; kanjo nony homana, zary varatra. [2.653 #1762]

Ohabolana 4Saro-tiana toa landy mohaka. [2.558 #3851]
Saro-tiana toa landy mohaka; ka tiana vao misaritaka. [2.165 #414]
Saro-tiana, toa landy mohaka: tiana vao misaritaka. [2.653 #2872]
Dikanteny frantsayDifficile à contenter comme un mauvais cocon de soie; quand on veut le dévider (litt. l' aimer) il s' embrouille. [2.165]

Ohabolana 5Tsy mahafoy lasiray hamidy takotra ka manta vary. [1.1]
Tsy mahafoy ny hamidy takotra, ka sendra ny manta mohaka. [2.558 #4510]
Tsy mahafoy vola hamidy takotra, ka manta vary. [2.165 #607, 2.415 #2334]
Fanazavana malagasyTsy mahafoy zavatra kely toy inona, ka very soa lehibe nety ho azo tamin' io. [1.1]
Dikanteny frantsayCelui qui ne veut pas dépenser de l' argent pour acheter un couvercle de marmite mange du riz mal cuit. [2.415 #2334]
Qui ne veut pas dépenser de l' argent pour acheter un couvercle de marmite, mange du riz mal cuit. [2.165]

Fizahan-teny