|
|
|
|

Fizahan-teny

Ohabolana : parasy

Ohabolana 1Angaha parasy no hivelona amim-bahiny ? [2.558]
Ny parasy no mivelona amin' ny vahiny. [2.165 #2159, 2.415 #1684]
Dikanteny frantsayCe sont les puces qui vivent sur les étrangers. [2.415 #1684, 2.165]
Fanazavana frantsayIl ne faut pas faire comme elles. [2.415 #1684]
Les gens ne doivent pas faire de même. [2.165]

Ohabolana 2Kely tratry ny mafy, hoatry ny parasy voahitsak' omby. [2.415 #768]
Kely tratry ny mafy, ohatra ny parasy voahitsak’ omby. [2.653, 2.974]
Kely tratry ny mafy tahaka ny parasy voahitsak' omby. [2.558 #1625]
Dikanteny frantsayFaible aux prises avec l’adversité, comme la puce écrasée par le taureau. [2.974 #363]
Petit accablé par un puissant : telle la puce écrasée sous le pied d' un boeuf. [2.415]
Fanazavana frantsayLes petits opprimés par les grands. [2.415 #768]

Ohabolana 3Latsaka ao anelanelan-tsihy toa parasy. [2.165 #1010]
Dikanteny frantsayTombé entre deux nattes comme une puce. [2.165]

Ohabolana 4Parasy am-bodin-kiva : zatra ny oman-dratsy. [1.147 #P4]

Ohabolana 5Parasin' Ambohimanoa: ny vavy be loha, ary ny lahy no kibotaina, ka samy mahalala ny anjarany. [2.165]
Dikanteny frantsayLes puces d' Ambohimanoa: les femelles ont une grosse tête et les mâles un gros ventre, de sorte quelles connaissent leurs défauts respectifs. [2.165]

Ohabolana 6Tsaratsaran’ i Toamasina : tsy ialana parasy kankana. [1.147 #T138]

Fizahan-teny