Fizahan-teny

Ohabolana : rendrika

Ohabolana 1Boka milomano : tafita vao ana. (tsy misy hiakarana ny morona). [2.558 #61]
Boka milomano: tafita vao maty. [2.415 #1969, 2.653 #794]
Boka milomano: tafita vao rendrika. [1.1]
Boka nilomano ka tafita vao rendrika. [2.558 #942]
Boka nilomano: tafita vao maty. [2.165 #2036]
Lomano-boka: tafita vao rendrika. [1.1]
Tafita vao rendrika toy ny lomano-boka. [2.558 #3968]
Fanazavana malagasyEnti-milaza olona izay nikezaka sy nifofotra mafy mba hahavita zavatra, nefa efa akaikin' ny ho tonga amin' izay nokendrena vao tsy mahomby (na marary na maty na voan' ny sampona tsy azo anoarana). [1.1]
Enti-milaza zavatra na raharaha mby efa ho vita vao simba na tsy tanteraka, toy ny lomanom-boka izay misosa tsara hatrany, fa rehefa tonga eny amorona vao tsy tafita satria tay afa-mamikitra ny tanany. [1.1]
Dikanteny frantsayLépreux qui nage: il arrive à l'autre bord pour mourir. [2.415 #1969]
Un lépreux nageant (pour traverser une rivière): il meurt après avoir atteint l' autre bord. [2.165]
Fanazavana frantsayParce qu' il ne parvient pas à monter la berge escarpée, manquant de doigts pour saisir les herbes qui lui aideraient à grimper. [2.165]
Se disait des malheureux: le lépreux ne peut pas s'accrocher au rivage pour monter. [2.415 #1969]

Ohabolana 2Lakana tsy mifidy andriana, fa izay arendriny lena daholo. [2.558 #1685]
Lakana tsy mifidy andriana, fa izay rendrika lena avokoa. [2.415 #291]
Lakana tsy mifidy andriana, ka izay rendrika lena avokoa. [2.165]
Dikanteny frantsayLa pirogue ne connaît pas les princes : tous ceux qui coulent avec elle, sont mouillés sans exception. [2.415 #291]
Une pirogue ne connaît pas le souverain, et quand elle chavire, tous ceux qui y étaient sont mouillés. [2.165]
Fanazavana frantsayTous les transgresseurs de la loi, alors même qu'ils seraient princes, doivent être punis, car la loi est pour tous. [2.415 #291]

Ohabolana 3Rafotsibe mita rano: izay hahasoa ataovin' Andriamanitra, na ho rendrika, na ho tafita. [2.415]
Rafotsibe nita rano: izay hahasoa ataovin' Andriamanitra, na ho rendrika na ho tafita. [2.558 #3530, 2.653 #2623]
Rafotsibe nita rano, ka "Izay hahasoa ataovin' Andriamanitra, na ho rendrika, na ho tafita!". [2.165]
Dikanteny frantsayLa vieille femme traversant l' eau, dit: "Que Dieu fasse ce qui lui semble bon, soit que je chavire, soit que j' arrive de l' autre côté" . [2.165]
Vieille femme qui va passer l' eau : que ce qui m'est bon, dit-elle, soit accompli par la volonté de Dieu, soit que je doive être noyée, soit que je doive traverser saine et sauve. [2.415 #49]
Fanazavana frantsayAdvienne que pourra! [2.165]
A la grâce de Dieu ! Ce proverbe se disait en guise de souhait. [2.415 #49]

Ohabolana 4Rendrika vao nahazo amalona. [2.558 #3743]

Ohabolana 5Tanosy nita rano, ka rendrika vao nahazo amalona. [2.558 #4073]
Tanosy nita rano : rendrika vao mahazo amalona. [2.653 #3025, 2.974 #98]
Dikanteny frantsayUn Antanosy qui traverse une rivière doit plonger dans l’eau avant d’attraper une anguille. [2.974 #98]

Fizahan-teny