|
|
|
|

Fizahan-teny

Ohabolana : tranobe

Ohabolana 1Ao ny tranobe nihantonan' ny amponga sy ny volombodin-trano nihantonan' ny samoina. [2.558 #332, 2.653 #271]

Ohabolana 2Hianao no dobo solom-pitaratra, felan-tanan' ny ory sy totohondrin' ny osa, ary trano be fihantonan' ny amponga sy dadan' ny maro. [2.558]
Hianao no dobo solom-pitaratra, sy felatanan' ny ory, sy toto-hondrin' ny osa, tranobe fihantonan' ny amponga, dadan' ny maro. [2.415 #812, 2.653 #1061]
Dikanteny frantsayVous êtes le réservoir d' eau qui tient lieu de miroir, vous êtes la main des malheureux et le poing des faibles, vous êtes la grande case où le tambour est suspendu, vous êtes le père de beaucoup. [2.415 #812]
Fanazavana frantsayCes paroles se disaient des protecteurs et des bienfaiteurs. [2.415 #812]

Ohabolana 3Ny kely no sarotrobe fialofana sy tranobe ravaky ny vohitra. [2.415 #785]
Dikanteny frantsayLes petits sont comme le capuchon qui abrite, ils sont la maison qui embellit le village. [2.415 #785]
Fanazavana frantsaySe disait à l'honneur du peuple qui est nécessaire aux grands. [2.415 #785]

Ohabolana 4Taon-tranon' Antananarivo, ka ny mahavita aloha no manenina. [2.558 #4113]
Trano ben' Antananarivo ka izay mahavita aloha manenina. [1.1]
Tranoben' Antananarivo, ka izay mahavita aloha no manenina. [2.165 #1515]
Tranon’ Antananarivo: izay mahavita aloha manenina. [2.653 #3270]
Tranon' Antananarivo : ka izay mahavita aloha no manenina. [2.558 #4385]
Fanazavana malagasyEnti-milaza fifaninanana antoky ny fandrosoana. [1.1]
Dikanteny frantsayLes grandes maisons bâties à Tananarive, ce sont ceux qui en ont construit les premiers qui ont des regrets. [2.165]
Fanazavana frantsayComme Tananarive est une ville très progressive, à cause des Européens qui s' y trouvent, ceux qui se sont mis les premiers à construire regrettent de ne pas avoir attendu car alors, ayant vu les améliorations réalisées par d' autres, ils auraient aussi pu faire quelque chose de mieux. [2.165]

Fizahan-teny