Fizahan-teny

Ohabolana : voina

Ohabolana 1Akangalahy mandry andro: tsy nahiny ny voin-ko avy. [2.415 #6198]
Akanga mandry andro, ka tsy mahalala voin-ko avy. [2.165 #879, 2.415 #6198]
Dikanteny frantsayPintade mâle qui dort le jour : elle n' a pas prévu le malheur qui approche. [2.415 #6198]
Pintade qui dort le jour: elle n'a pas prévu le malheur qui approche. [2.415]
Une pintade qui dort pendant le jour ne voit pas venir le danger. [2.165 #879]
Fanazavana frantsaySe disait de ceux qui ne font pas attention et se trouvent étonnés d'être tombés dans un piège. [2.415 #6198]

Ohabolana 2Aza misolo voina ny akalana ka miteti-kena ambony fe. [2.558 #778, 2.653 #639]
Aza misolo voina ny akalana ka miteti-kena ambonin' ny fe. [2.165 #1094]
Mandidy hena ambony fe ka misolo vaika ny akalana. [2.558 #2067]
Misolo voina ny akalana ka mikapa hena ambony fe. [1.1]
Misolo voina ny akalana, ka mikapa hena ambony lohalika. [2.415]
Misolo voina ny akalana, ka mitetika ambony felatanana. [2.415]
Misolo voina ny akalana: mitetika ambony fela-tanana. [2.653 #1837]
Misolo voina ny akalana ve no miteti-kena ambony felatanana? [2.558]
Saro-po amin' akalana, ka miteti-kena ambony felantanana. [2.558]
Fanazavana malagasyEnti-milaza ny olona manao mosalahy izay tsy manahy kely akory ny zavatra mety hahavoa azy. [1.1]
Dikanteny frantsayÉpargner le billot et découper la viande sur le genou ou sur la paume de la main. [2.415 #3856]
Ne prenez pas la place du hachoir en découpant la viande sur votre cuisse. [2.165]
Fanazavana frantsaySe disait des gens qui s'exposent au malheur ou subissent un préjudice, en se portant caution pour d' autres ou en cherchant à les protéger. [2.415 #3856]

Ohabolana 3Saro-po amin’ akalana, ka miteti-koditra amin-tanana. [2.653 #2869]
Misolo voina ny akalana : mitetika ambony fela-tanana. [2.653 #2869]

Ohabolana 4Tsy ny mitsidika no manam-boina, ary ny tsy manao sanatry no arahin-dolo, fa ny lahy sy ny vavy no tsy mifanaraka. [2.165 #1807]
Tsy ny mitsidika no manam-boina, ary tsy ny manao sanatry no arahin-dolo ; fa ny lahy sy ny vavy no tsy mifanaraka. [2.415 #1351]
Tsy ny mitsidika no manam-boina, tsy ny manao sanatry no arahin-dolo, fa ny lahy sy ny vavy no tsy mifanaraka. [2.558 #4775]
Dikanteny frantsayCe ne sont pas ceux qui viennent vous voir qui vous apportent le malheur, et ce n' est pas celui qui s' adonne à la sorcellerie qui est poursuivi par les esprits, mais c' est le mari et la femme ne s' accordant pas (qui le sont). [2.165]
Ce ne sont pas ceux qui vous visitent qui vous apportent le malheur ; ce n' est pas celui qui fait de la sorcellerie qui est poursuivi par les esprits ; mais ce sont l' homme et la femme qui ne sont pas d' accord. [2.415 #1351]

Fizahan-teny