Teny iditra (1/3) | 1 gaga |
Sokajin-teny | 2 mpamaritra |
Fanazavàna teny malagasy |
3 [1.1] Mihetsi-tsaina amam-panahy eo anoloan' ny zavatra tsy fahita andavanandro na tsy nampoizina, amin' ny lafiny tsara na ratsy: Gaga anao aho ~ Gaga ny nataonao aho na gaga amin' ny nataonao aho ~ Gaga aho raha sahy nanao izany Rakoto. |
Fanazavàna teny anglisy |
4 [1.2] amazed, astonished at. It governs an accusative case, as gaga anao aho, I am astonished at you. See ankona, kehaka, taitra, talanjona. [Jav. gaget, kayet, to startle.] 5 [1.7] astonished |
Fanazavàna teny frantsay |
6 [1.3] Etonné, stupéfait, en admiration, surpris: Gaga anao aho (Je vous admire) ~ Gaga ny nataonao aho (J'admire ce que vous avez fait) ~ Gaga aho raha sahynanao ratsy toy izany îzy (Je suis étonné qu'il ait osé se conduire aussi mal) 7 [1.8] étonné, ébahi |
Ohatra |
8 gaga aho raha tany Ambohimahagaga ary talanjona raha tery Andohatanjona [2.131] 9 Toa gaga ihany koa izy, satria nanaronana sosoa maraina sy nasaina nihinana tao an-dakozia. [2.470] 10 Hoy izy gaga nijery ahy tsara. [2.471] |
Haiendriteny |
|
Sampanteny |
|
Tovy hevitra | 17 dagaga, dogaga, talanjona, tolagaga, tokaka, vaky vava, zendana, variana, sondriana, revo, renoka, kepoka, vakim-baratra, ilatsaham-baratra, gaina foana, kehana foana |
Anaran-toerana |
|
Teny iditra (2/3) | 19 gagà |
Sokajin-teny | 20 filaza mandidin' ny mpamaritra gaga [Fitanisana] |
Ohatra |
21 Admirez, soyez étonné [1.3] |
Teny iditra (3/3) | 22 gagà |
Sokajin-teny | 23 anarana |
Fanazavàna teny malagasy |
24 [1.78] [Bara]
goaika |
Fanazavàna teny anglisy |
25 [1.2] a provincial word for goaika [Mal. gagak.] |
Voambolana |
26 Haibiby: vorona |
Tovy hevitra | 27 goaga, goaka, goaika, goake, goaky |
Anaram-javamaniry |
|
Fivaditsoratra | 29 gaga, gagà |
Nohavaozina tamin' ny 2025/02/08 |
![]() |