Teny iditra (1/2) | 1 milofo |
Fototeny | 2 lofo |
Sokajin-teny | 3 matoantenin' ny mpanao |
Fanazavàna teny malagasy |
4 [1.1] Miezaka amin-kiry, mampiasa ny hery rehetra azo atao, mikely aina: Nilofo mafy tamin' ny fianarana izy ka tsy mahagaga raha afa-panadinana |
Fanazavàna teny anglisy |
5 [1.7] to persevere, to persist |
Fanazavàna teny frantsay |
6 [1.8] persévérer, s'opiniâtrer |
Haiendriteny |
|
Mpanahaka | 11 mikofo, mifofotra, mikezaka, miezaka, milozoka, mikokotra, mikikitra, mikoko-maty, mikely aina, mimaso, mikiry, mikiribiby, manao salaka fohy rambo, manao sakafo ambany foitra, mandany mondron-kery, tsy mitandro hasasarana, tsy mitarain-tanana ompaka, tsy mikely soroka, mivaky tratra, fola-damosina, mandany ron-doha, mimokitra, mimokimoky, miokitra, mikoremby, misikim-ponitra, mialakaforo, mialakabontana, miady fo, tsy miroa fo, tsy manamohamo, tsy mikoso-maso, may volon' orona, may volon-tratra, miongo-bolo, miady fo aman' aina, manao anjolofo, manao kely andilana, milofika, tsy misatry fanahy, tsy mandala aina, mikaozatra, mitozo, manao valangitrika, manao' amboa ditsika, manao lazo be, manao ain-tsy ho zavatra, manao ampinga tratra, manao vy very ny aina, tsy manary karama, tsy miala vehana, manao botraika, manao an-ditra, manao an' aina, tsy mandry andro tsy mandry alina, miantotomaty, sady mifofotra no mively vy |
Teny iditra (2/2) | 12 milofo |
Fototeny | 13 lofo |
Sokajin-teny | 14 matoantenin' ny mpanao |
Fanazavàna teny malagasy |
15 [1.1] Manana omby hovonoina hatao lofo |
Fivaditsoratra | 16 fimolo, foloim, lofoim, mifolo, milofo |
Nohavaozina tamin' ny 2025/01/21 |
![]() |