|
|
|
|

Teny iditra (1/2)1  rafitra
Sokajin-teny  2  anarana
Fanazavàna teny malagasy  3  [1.1] Fiasanany hazo hanaovana fanaka, trano: Anisan' ny taozavatra ilaina tokoa ny rafitra
Fomba iasana ny hazo mba hanaovana azy ho fanaka, trano...: Tsara rafitra ity latabatra ity
Fikambanan' ny zavatra maro ho tenan-javatra iray: Mahatalanjona ny rafitry ny tenan' ny olombelona
Fitaovana fanaovana rafitra: vankona, raboha, dalompy, tsofa, didiravina, homamanta, tantanana, famoalaka, torosy, tandra, fandraka (fandradahy, fandrabavy), vahoho, fively, fivelyfandraka, filamatra, hazomahitsy, famaky, tsimaka, lamisy, rivodahy
Fomban-drafitra: ampanoa, andahiny, ambaviny, barazedra, sokitra, torihisatra, koronosy, fehimbarika, filiro, saridiseza
Fanazavàna teny anglisy  4  [1.2] carpenter's work, masonry, brickwork
5  [1.7] construction work, a construction; carpentry
Fanazavàna teny frantsay  6  [1.3] ouvrage de charpenterie, de menuiserie, de maçonnerie, de mécanique, ajustage des pièces d'un même tout, construction d'un ouvrage, d'une maison, d'un pont, d'une machine
7  [1.8] menuiserie; construction, charpente
Ohatra  8  miendaka tsikelikely ny rafitra tsirairay aminy, ary farany dia tsy hisy intsony fa lakana goavana bontolo no sisa tavela. [2.471]
Haiendriteny 
9  Tsotra :
10  Tovonana :
Sampanteny 
11  Matoantenin' ny mpanao :
12  Matoantenin' ny iharana :
13  Matoantenin' ny fameno :
14  Anarana :
15  Mpamaritra :
Kamban-teny 
Lohateny  33  Fitsipi-pitenenana Malagasy Ara-drafitra (Rakotonirina Raymond-Blaise)
34  Malagasy ara-drafitra (Razafindrakoto)
35  Rafitry ny fototeny (Rakotovao Ralison)
Ohabolana  36  Ohabolana misy io teny rafitra io

Teny iditra (2/2)37  rafitra
Sokajin-teny  38  mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy  39  [1.1] Manomboka: Tamin' izay, rafitra ny ady
Raikitra: Rafitra ady Isambilo sy Ibalita
Mikatroka... avy hatrany, ombika: Rafitra nifampitolona izy roa lahy.
Fanazavàna teny anglisy  40  [1.2] at variance, broken out, as a quarrel
Fanazavàna teny frantsay  41  [1.3] qui en vient aux mains, qui entreprend un travail, qui s'y applique: Tamin' izay rafitra ny ady (Alors la bataille, la dispute commença) ~ Rafitra ady izy roa vavy (Ces deux femmes commencent à se disputer) ~ Rafitra nifamono izy roa lahy (Ces deux individus se mirent à se battre) ~ Rafitra amin' ny asa izy roa lahy (Ils travaillent tout de bon tous les deux)
Ohatra  42  rafitra tamin' ity herinandro ity ny ady amin' ny Frantsay sy ny Alemana, ary koa amin' ireo firenena anman' ny ankilany sy andaniny avy. [2.472]
Kamban-teny 

Fivaditsoratra  44  afaritr, arafitr, arifatr, faratry, faritra, firatra, firàtra, rafitra, rifatra

Nohavaozina tamin' ny 2025/02/08