Teny iditra (1/2) | 1 randrana |
Sokajin-teny | 2 anarana |
Fanazavàna teny malagasy |
3 [1.78] [Tambahoaka]
volon-doha 4 [1.1] Fanamboarana ny volo lava ho misy ampehezany telo avy, izay ampidipidirina ho toy ny kofehy, ka ireo indray dia ampifamatorina hanana endrika samihafa araka ny karazany tiana hatao: randra-madinika, randran-telo an' ila... na randranampanga, randravonkalana Karazan-drandrana sy taovolo hita amin' ny foko sasantsasany: Antaimoro: lafitrakondro, nyteloankila, tsitombotomboka, vakimanasa Betsileo: bango, bangoanakova, bangotsotra, kiary, kifetriposa, kifehaka, kihohoka, kilafitsotsy, kilafahonofotsy, kilavoahibary, kipetaka, kirazorazo, kisabokisiny, kisahondra, kitelo, kidimy, kifito, kifoloanila, kitokandalana, kivona, randranatsotra, randranketsa, rasaraka, tadimpintana, tototsongo, valalamihoatra, vombory, tsaramaha, vonkavia, volomisaona Merina: bangoankatoka, difisesy, kirozaroza, lakolosy, lambomiditra, randramadinika, tananivoho |
Fanazavàna teny anglisy |
5 [1.2] a plait, a tress of hair. 6 [1.7] a braid |
Fanazavàna teny frantsay |
7 [1.3] entrelacement de trois, six, huit fils, cordes, cheveux; tresse des cheveux arrangement des paroles 8 [1.8] tresse |
Ohatra |
9 amin' izato lohany tohizan' ny taovolo midaboka an-damosina natao randrana goragora. [2.470] |
Voambolana |
10 Fandram-bolo |
Sampanteny |
|
Kamban-teny |
|
Anaram-javamaniry |
|
Ohabolana | 38 Ohabolana misy io teny randrana io |
Teny iditra (2/2) | 39 randrana |
Sokajin-teny | 40 anarana |
Fanazavàna teny frantsay |
41 [1.3] plante aquatique à tubercules 42 [1.196] [Merina] |
Voambolana |
43 Haizavamaniry |
Fivaditsoratra | 44 andraran, arandran, nandrara, narandra, ndranara, randrana |
Nohavaozina tamin' ny 2025/02/02 |
![]() |