Teny iditra | 1 vizana |
Sokajin-teny | 2 mpamaritra |
Fanazavàna teny malagasy |
3 [1.1] Sasatra amin' ny tsy fihetsehana eo amin' ny toerana iray, amin' ny fomba fipetraka iray tsy miova, amin' ny fihetsehana iray tsy miova: Vizan' ny niandry azy aho ka farany Lasa nody tany an-trano Reraka, osa: Vizana mafy loatra aho ka aoka kely aloha mba handrihandry eto |
Fanazavàna teny anglisy |
4 [1.7] tired; weary or cramped from holding one position |
Fanazavàna teny frantsay |
5 [1.3#838] fatigué de la même position, de regarder, fatigué du même mouvement, tombant de lassitude 6 [1.8] las, fatigué |
Ohatra |
7 Ny andro ity mafanafana ihany ka sao vizana ambony ihany ianao raha manaraka ahy amin' ny alehako any. [2.470] 8 Olona tsy vanona sy tsy valahara mianakavy, hoy izy nony vizana ka nijanona. [2.472] |
Haiendriteny |
|
Sampanteny |
|
Tovy hevitra | 15 vizaka |
Mpanahaka | 16 vizaka, sasatra, valaka, lanaka, reraka, disaka, rontsona, ronjana, mangana, masaka, vahotra, ronaka, honaka, marafoka, refona, tominjana, valalanina, monaina, savolaina, trotraka, toro, torovana, fotsy angola, mirozirozy, tsy mahahetsika, maty hentona |
Kamban-teny |
|
Ohabolana | 20 Ohabolana misy io teny vizana io |
Fivaditsoratra | 21 vazina, vizana, zavany |
Nohavaozina tamin' ny 2025/01/21 |
![]() |