|
|
|
|

Teny iditra1  zanaka
Sokajin-teny  2  anarana
Fanazavàna teny malagasy  3  [1.1] Olona na biby nateraky ny hafa, na tokotokony ho izany ara-taona na dia tsy naloakan' ny kibony aza: Tokony hanaja sy ho tia ny ray aman-dreniny ny zanaka: Zanak' omby
Vola ateraky ny petrabola na vola nosamborina: Zana-bola
Nateraka, silaky ny aina, sombin' ny aina, menaky ny aina, naloakan' ny kibo
Fanazavàna teny anglisy  4  [1.7] a child, offspring; the young of animals
Fanazavàna teny frantsay  5  [1.54] fils, fille
6  [1.8] enfant; petit d'un animal, des plantes
7  [1.196] (toute l'île) (sens général : enfant ; du malais anak, même signification). Pour les plantes : plants préparés pour la transplantation ; s'applique à toutes les espèces à l'exception du riz, dont le plant s'appelle ketsa. On précise souvent zanakazo : jeunes plants des arbres (de zanaka et hazo).
8  [1.405] [Sakalava-Mayotte] enfant
Ohatra  9  Tompon-trano, raha tsy izany zanaka an-trano, no fiheverako ny tenako. [2.4]
Haiendriteny 
10  Tsotra :
11  Tovonana :
Sampanteny 
12  Matoantenin' ny mpanao :
13  Matoantenin' ny iharana :
14  Matoantenin' ny fameno :
15  Anarana :
16  Mpamaritra :
Mpanahaka  17  zana-drahalahy, zana-drahavavy, zanak' anadahy, zanak' anabavy, tsy omby kibo, solo, solofo, dimby, taranaka, teradranona, zaza navelan-dranona, zaza natsangana
Kamban-teny 
Anaram-javamaniry 
Anaram-poko 
Anaran' olona 
Anaran-toerana 
Lohateny  105  Dondro, zana-jiolahy (Rapatsalahy Paul)
106  Mongon' entana tsy zanaky ny heriny (Razafiniaina Charlotte)
107  Omeo zanako (Rafenomanjato Charlotte-Arrisoa)
108  Voadin' i Dada sy ny zanak' Jefta (Randriamiadanarivo)
109  Zanak' Ingahy Naora (Andrianjafy Michel)
Ohabolana  110  Ohabolana misy io teny zanaka io

Fivaditsoratra  111  ankaza, kazana, kazaña, zanaka

Nohavaozina tamin' ny 2025/02/08