Teny iditra | 1 adaladala (adala) |
Sokajin-teny | 2 mpamaritra |
Fanazavàna teny malagasy |
3 Enti-milaza olona kely saina, tsy misy loha, fatra-panaonao foana sady miseho ho bado, tsy mahazo tsara na oviana na oviana izay lazaina aminy: adaladala ilay vahinin-dry zareo ato atsimo: nahazo vorona izy, ka ny volom-bodiny no nongotany fa tsy ny elany, ka lasa nanidina ilay vorona [1.1] |
Fanazavàna teny frantsay |
4 étourdi, un peu fou [1.3, 1.5] 5 Insolent [1.5] |
Ohatra |
6 Toa adaladala no fihevitr' izay nanontaniako ahy! [2.5] 7 Tahaka ny adaladala indray ny olona nahita izany rehetra izany. [2.472] 8 fa be adaladala ny olona taloha, tsy mba tahaka ny hendry ankehitriny. [2.48] |
Haiendriteny |
|
Sampanteny |
|
Mpanahaka | 14 Misy kely, nahafahana, kaondrana, vendrana, tangoarara, fondrana, baibo, zanakalo, tsy tohinina, manangan-tsampona, toraiky, ondranondranana, kidramadrama, manondrana, manasatsasaka, mirendrirendry, mitanendrinendrina, mitandrantandrana, mitondrantondrana, mitondrintondrina, mitondrendrena |
Lohateny |
|
Ohabolana | 16 Ohabolana misy io teny adaladala io |
Nohavaozina tamin' ny 2023/08/12 |