|
|
|
|

Teny iditra (1/2)1  adala
Sokajin-teny  2  mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy  3  [1.1] enti-milaza olona very saina, simba na marary saina ka tsy mahay mihevitra ary tsy mahay misafidy; ny fibahanan-kevitra iray tsy mety miala ao an-tsaina matetika mety mahatonga adala
tsy mbola ampy na tonga saina, mbola zazabodo, tsy mahatonga manisa folo: Aza manala hanin-tian-jaza, hoy Andrianampoinimerina tamin' ireo vaventiventy novoriny namelany ny hafany, fa tsy adala io tsy akory
tsy hendry loatra, tsy matotra eo amin' ny fitondran-tena, tsy mahay mitondratena: Aza mianatra ny zokinao adala, anaka
sahirankirana raha mihetsika (tanana, tongotra) naraha miteny (vava): Mbola adala vava ity zaza ity; raha afaka roa na telo volana vao tsy ho adaladala intsony iny tananao noesorina tao anaty harato iny
matimatim-pitia, tia na liana fatratra, mirehitra izaitsizy amin-javatra iray: Adalan' adin' akoholahy ny zanako lahy aivo
teny enti-milaza olona (lahy na vavy) mifankazatra amin' ny tena, izay resahina nefa tsy lazaina ny anarany: Tsy fantatro velively izay tian' ny adala holazaina tamin' ireo teny ireo
Fanazavàna teny anglisy  4  [1.2, 1.7] foolish
5  [1.2] unwise, imprudent, ignorant, infatuated; a fool, an idiot, a lunatic, one destitute of reason.
6  [1.7] crazy
Fanazavàna teny frantsay  7  [1.3, 1.8] fou, sot
8  [1.3] aliéné, privé de raison, comme un enfant en bas âge: Adala tokoa izy, ka nafatotry ny havany (Il est vraiment fou, et il a été attaché par ses parents)
insensé, imbécile, simple: Adala hendry izy (Il est sot et cependant avisé en certaines choses) ~ Tsy adala tsy hendry izy (Il n'est ni fou ni sage) ~ Mirenireny lava io adala io (Cet imbécile rôde sans cesse) ~ Tsy tokony hambakaina ny adala (Il ne faut pas tromper les gens simples)
Embarrassé, ignorant: Adala fandeha izy (Il a une démarche embarrassée, ridicule) ~ Adala fiteny, adala vava izy (Il est embarrassé pour parler, il ne sait pas s'exprimer)
Passionné pour, se dit parfois de quelqu'un qui excelle en bien ou en mal: Adalan-dalao izy (Il est passionné pour le jeu)
Ohatra  9  Eny, adala tokoa aho, fa ny hitaona azy handositra no tena anton-diako tamin' iny hariva iny. [2.471]
10  Izaho angaha heverin' I Feno ho adala ! [2.472]
11  izaho ity koa no adala. [2.470]
Sampanteny 
12  Matoantenin' ny mpanao :
13  Matoantenin' ny iharana :
14  Matoantenin' ny fameno :
15  Anarana :
16  Mpamaritra :
Mpanahaka  17  very saina, foka, mivadika atidoha, mivadika lakoraika, mivadika ondrana, manary lamba, manenjika alika, mihomehy rindrim-baky
Kamban-teny 
Anaram-javamaniry 
Ohabolana  56  Ohabolana misy io teny adala io
Lahatsoratra  57  Randzavola: adala ao amin' ny Baiboly

Teny iditra (2/2)58  adalà
Sokajin-teny  59  filaza mandidin' ny mpamaritra adala [Fitanisana]
Fanazavàna teny frantsay  60  [1.3] Sois fou: Raha tsy zaka anarina hianao, adalà any amin' izay alehanao any (Puisque tu n'écoutes pas les admonestations, porte ailleurs ta sottise)

Fivaditsoratra  61  adala, adalà

Nohavaozina tamin' ny 2025/02/08