| Teny iditra | 1 mafy |
| Fototeny | 2 hafy |
| Sokajin-teny | 3 mpamaritra |
| Haiendriteny |
|
| Sampanteny |
|
| Fanazavàna teny malagasy |
30 Tsy malemy, tsy manana toetra mora vaky na mora potika: Mafy itỳ hazo itỳ
31 Tsy manana toetra malemilemy mahafinaritra ny tena: Mafy itỳ seza itỳ fa tsy misy ondana hipetrahana 32 Enti-milaza izay ilana hery na ezaka ara-batana na aratsaina: Mafy ny raharahan' ny mpihady arintany 33 Enti-milaza izay manery na mandidy izaitsizy: Mafy ny lalàna nefa tsy maintsy arahina 34 Matanjaka, manan-kerim-batana: Manatòna Rangahy raha mafy 35 Sarotra lefarina, manindrona, na henjana: Mafy izany teny izany 36 Sarotra zakaina, mangidy: Mafy ny fahoriana nentin' io iehilahy io 37 Tsy mihontsina, tsy mety ketraka: Mafy io vehivavy io [1.1] |
| Fanazavàna teny anglisy |
38 hard, difficult, firm, strong.
[1.2#404] 39 hard, firm; difficult [1.7] |
| Fanazavàna teny frantsay |
40 dur: Mafy ity tany ity (Cette terre est dure) ~ Mafy ity hazo ity (Ce bois est dur, solide) ~ Mafy ny teny nataony azy (Il lui a adressé des paroles fortes, dures) ~ Mafy ny nanjo azy (Il en a souffert de dures) ~ Mafy iny lehilahy iny (Cet homme est inébranlable
[1.3#416, 1.8] 41 fort, ferme, solide, inébranlable 42 qui ne démord pas, insupportable, intolérable, calamiteux [1.3#416] 43 solide, résistant; difficile [1.8] |
| Tohi-kevitra | 44 malemy |
| Mpanahaka | 45 avy aina, 46 be aina, 47 fonetana, 48 hozatina, 49 komatry, 50 maozatra, 51 matanjaka, 52 matomboka, 53 tomady, 54 vokenana |
| Fikambanana | 55 Fitenena, anaran-tany, anaram-java-maniry sy ny sisa miisa 29 misy ny teny how mafy |
| Ohabolana | 56 Ohabolana misy io teny io |
| Fivaditsoratra | 57 AMIF, 58 fima, mafy |
| Nohavaozina tamin' ny 2026/04/22 |
|