|
|
|
|

Fizahan-teny

Ohabolana : antenaina

Ohabolana 1Aza ny voro-damba latsaka no antenain-ko harena. [2.165 #744]
Tsy mety raha voro-damba latsaka no antenain-ko harena. [2.415 #2569, 2.558 #303, 2.653 #3499]
Dikanteny frantsayN' attendez pas la fortune d' un haillon tombé. [2.415 #2569]
N' espérez pas voir des chiffons tombés se transformer en richesse. [2.165]
Fanazavana frantsayCe proverbe se disait de ceux qui se servaient de tout pour disputer et faire des procès ; il se disait aussi de ceux qui gardaient les objets trouvés et ne les rendaient pas aux propriétaires. [2.415 #2569]

Ohabolana 2Lamba latsaka no antenaina ho harena. [2.415 #3922]
Dikanteny frantsayCompter sur un lamba perdu pour faire fortune. [2.415 #3922]
Fanazavana frantsayAnalogue au français : attendre que les cailles rôties tombent dans la bouche. [2.415 #3922]

Ohabolana 3Ny antenaina, tsy azo ; ny an-tanam-botsotra. [2.415]
Ny antenaina, tsy misy ; ny an-tanam-botsotra. [2.415]
Ny antenain-tsy azo ny an-tànam-botsotra. [2.558 #2893]
Ny nantenaina tsy azo, ny an-tanam-botsotra. [1.1]
Fanazavana malagasyEnti-milaza fahavoazana lehibe mihatra amin' ny tena, fa izay noheverina tsy azo, nefa ny teny an-tanana koa latsaka tsy tana. [1.1]
Dikanteny frantsayIl n' a pas obtenu ce qu' il désirait, et ce qu' il tenait s' est échappé de sa main. [2.415 #5924]
Fanazavana frantsaySe disait des gens qui laissent un bien certain pour un bien illusoire ; se disait aussi d' une double perte. [2.415 #5924]

Ohabolana 4Ny antenaina tsy mahaleo ny hita maso. [2.558 #2892]

Ohabolana 5Ny antenaina tsy misy, ny an-tanam-botsitra. [2.653 #2172]

Ohabolana 6Rafotsibe nisambotra adrisa : azo dia fanampin-daoka, tsy azo, hianao angaha no antenaiko. [2.558]

Ohabolana 7Tsaramaso lohataona, tsy nalevinko ho lo, fa an-tenaiko hitsiry. [2.558]

Ohabolana 8Tsy antenaina tsy andraina, toy ny tantely am-body vintanina. [2.165]
Tsy antenain-tsy andraina, ohatra ny tantely am-body vintanina. [2.558]
Tsy antenain-tsy andraina, toy ny tantely am-body vintanina. [2.165 #952, 2.653 #3337]
Dikanteny frantsayNi espéré ni attendu, comme du miel qu' on trouve au pied d' un "vintanina" (arbre). [2.165]
Ni espéré ni attendu, comme d' un miel trouvé au pied d' un arbre. [2.165]
Qui n' est ni espéré ni regardé, comme le miel qui se trouve dans le tronc du gros arbre vintanina. [2.415 #5830]
Fanazavana frantsaySe disait des choses auxquelles il fallait renoncer. On ne peut pas couper le tronc d' arbre pour arriver au trou où le miel se trouve. [2.415 #5830]

Fizahan-teny