|
|
|
|

Fizahan-teny

Ohabolana : itafiana

Ohabolana 1Boka mividy lamba somizo : ny haren-katao misy ihany fa ny hitafiana azy no fatratra. [2.558 #930]
Boka mividy somizy : ny haren-katao misy ihany, fa ny hitafiana azy no fatratra. [2.653]
Boka mividy somizy : ny haren-katao misy ihany, fa ny hitafiana azy no sarotra. [2.415 #1977, 2.653]
Dikanteny frantsayLépreux qui achète de la percale : il a bien de quoi acheter, mais le difficile c' est de se revêtir du vêtement. [2.415 #1977]
Fanazavana frantsaySe disait des gens qui étaient riches mais laids. [2.415 #1977]

Ohabolana 2Ny alahelo itafian-damba tsy antonona ny tena. [2.558 #2846]
Ny alahelo no itafian-damba tsy antonona ny tena. [2.165 #1459, 2.653 #2136, 2.415]
Dikanteny frantsayC' est le deuil ou la pauvreté qui nous fait revêtir un vêtement qui ne nous sied pas. [2.415 #2638]
C'est parce qu' on est pauvre qu' on s' habille insuffisamment. [2.165]
Fanazavana frantsayCe n' est pas par choix. [2.165]

Ohabolana 3Ny alahelo no itafiam-boro-damba. [2.415 #2542]
Ny fahoriana no itafiam-boro-damba. [2.165 #1460]
Ny fahoriana no itafiam-boro-damba ary isentoana anivon' ny maro. [2.558 #2947]
Dikanteny frantsayC' est la misère qui fait porter des guenilles. [2.165 #1460]
C' est par misère qu' on va déguenillé. [2.415 #2542]

Ohabolana 4Ny fihavanana hoatry ny landy : maty isika, ifonosana ; velona itafiana ; ka ny madilana harahim-panondro. [2.415 #5295]
Ny fihavanana ohatra ny landy: maty isika, ifonosana; velona, itafiana; ka ny madilana harahim-panondro. [2.653]
Ny fihavanana sahala amin' ny landy : maty ifonosana, velona itafiana ary ny madilana arahim-panondro. [2.558 #192]
Dikanteny frantsayLes bonnes relations sont comme la soie : à la mort nous en sommes enveloppés, pendant la vie nous en sommes revêtus, aussi quand il y a un rétrécissement au milieu, un fil qui va se rompre, il faut y mettre le doigt pour fortifier. [2.415 #5295]
Fanazavana frantsayIl faut entretenir et fortifier les bonnes relations. [2.415 #5295]

Ohabolana 5Toy ny lamba: raha tezitra, isikinana; raha mandry, irakofana; raha mandeha, itafiana. [2.165]
Toy ny lamba: tezitra, isikinana; mandry, irakofana : mandeba, itafiana ; faly, isampinana. [2.653 #3207]
Toy ny lamba : tezitra isikinana, mandry irakofana, mandeha itafiana faly isampinana. [2.415 #1718, 2.558 #4300]
Dikanteny frantsayC' est comme le lamba : dans la colère, on s' en ceint les reins ; couché, on s' en couvre ; en marche, on s' en revêt ; content, on s' en sert pour se draper. [2.415]
Pareil au lamba: quand on est en colère, on s' en ceint les reins; pour dormir, il sert de couverture; quand on sort, il sert de vêtement. [2.165]
Fanazavana frantsayLe lamba, vêtement national, est une espèce de grand châle enveloppant tout le haut du corps et une partie des jambes, et pouvant même traîner jusqu' à terre, il est en toute espèce de tissus, et sert à plusieurs usages, comme le montre ce proverbe. [2.165]
Paroles d'éloge : ce proverbe était fréquemment employé dans les discours publics, par exemple dans les discours royaux. [2.415 #1718]

Ohabolana 6Tsy mba ny hatsiaka no itafian-damba, fa ny henatra olona. [2.653 #3393, 2.415]
Tsy mba ny hatsiaka no itafian-damba, fa ny henatr' olona. [2.558 #4552]
Dikanteny frantsayCe n' est pas à cause du froid qu' on se couvre de vêtements, c' est par pudeur. [2.415 #2981]

Fizahan-teny