|
|
|
|

Fizahan-teny

Ohabolana : miarina

Ohabolana 1Fanataovana no faly mavesatra, tsangambato no faly mijoro, fa ny olombelona mandry sy miarina. [2.558]
Fanataovana no faly mavesatra, tsangambato no faly mijoro; fa ny olona mandry sy miarina. [2.415 #1623, 2.653 #919]
Dikanteny frantsayLes amas de pierres sacrées au bord des chemins, aiment à être chargés ; les pierres dressées en souvenir d'un événement, aiment à rester droites ; mais pour ce qui est des hommes, ils se couchent et ils se lèvent. [2.415 #1623]
Fanazavana frantsaySe disait des changements et des vicissitudes inévitables. [2.415 #1623]

Ohabolana 2Rafotsibe lavo an-tambiazina, ka raha tafarina mitsimpon-tsindretra. [2.558 #3500]
Rafotsibe lavo an-tambiazina: lavo, manao an-tora-body; miarina, mitsimpon-tsindretra; mody, manao endy kely. [2.415 #1893, 2.558 #3499, 2.653 #2602]
Rafotsibe lavo antambiazina: raha tafarina mitsimpona tsindretra. [1.1]
Rafotsibe lavo an-tambiazina : raha tafarina, mitsimpon-tsindretra. [2.653 #2603]
Tahaka an-dRafotsibe lavo an-tambiazina : raha tafarina, mitsimpon-tsindretra. [2.415 #1934]
Fanazavana malagasyEnti-milaza olona azon' ny fahavoazana mafy, ka raha afaka avy ao aza, mbola tsy ambinina. [1.1]
Dikanteny frantsayC' est comme la vieille qui est tombée dans de l' eau ferrugineuse : quand elle se relève, au lieu de penser à sa chute elle ramasse des larves de libellules. [2.415 #1934]
Vieille qui est tombée dans de l' eau ferrugineuse : une fois tombée elle s' assied ; quand elle se relève, elle attrape des larves de libellules, et de retour chez elle les fait griller pour les manger. [2.415 #1893]
Fanazavana frantsayCe proverbe se moquait des vieilles à courte vue, aux idées étroites. [2.415 #1893]
Se disait des petites idées et courtes vues. [2.415 #1934]

Ohabolana 3Solafaka amin' akondro, miarina amam-bahona : ny nianjerana mamy, fa ny niarenana mangidy. [2.558]

Ohabolana 4Tsy raharahan' ny jamba ny tafintohina, fa raha lavo izy miarina. [2.558 #4786]

Fizahan-teny