|
|
|
|

Fizahan-teny

Ohabolana : mitsinjaka

Ohabolana 1Andro velona tsy mandihy, ka mirakaraka volo vao mitsinjaka toa mpamosavy. [2.558 #245]

Ohabolana 2Ikala adala nomen-dasiray : herinandro mitsinjaka ihany. [2.558 #1391]
Ikala adala omen-dasiray, ka herinandro mitsinjaka ihany. [2.165 #1650, 2.415 #1762]
Dikanteny frantsayFille sotte à laquelle on a donné trente centimes, elle danse de joie pendant une semaine. [2.415 #1762]
Une fille sotte à qui on donne trente centimes, elle en danse pendant toute une semaine. [2.165]

Ohabolana 3Na midarona aza ny sandry, na manao laniala aza ny nify, ny tohiloha tsy azo enti-mitsinjaka. [2.415 #2448, 2.653 #2011]
Dikanteny frantsayLes bras ont beau s'agiter avec grâce et ampleur, les dents ont beau être nettoyées, on ne peut pas danser avec un lamba dont les bords extérieurs ont été cousus ensemble parce que le milieu était usé. [2.415]

Ohabolana 4Tsy misy be alahelo tahaka ny maty vady, fa raha manitsaka androngo, mitsinjaka. [2.653 #3511]
Tsy misy be alahelo tahaky ny maty vady, fa raha manitsaka androngo, mitsinjaka. [2.415 #1345]
Tsy misy be alahelo toy ny maty vady, fa raha mandray lavenona mitehaka. [2.558 #302]
Tsy misy be alahelo toy ny maty vady, fa raha manitsaka androngo mitsinjaka. [2.558 #4705]
Dikanteny frantsayPersonne n' a autant de chagrin qu' une femme qui vient de perdre son mari, et cependant quand elle foule aux pieds un lézard, elle danse. [2.415 #1345]
Fanazavana frantsayLe sens est que toute douleur doit cesser dans certains cas et quelle cesse avec le temps. [2.415 #1345]

Ohabolana 5Voro-damba tsy mahafa-dririnina ka enti-mitsinjaka. [2.558 #5034]

Fizahan-teny