|
|
|
|

Fizahan-teny

Ohabolana : odiana

Ohabolana 1Aza manao tavilahin-dresaka, ka hodian-tsy re ny sasany. [2.558 #587]

Ohabolana 2Aza odian-tsy hita ohatra ny tonom-bomanga misy vahiny. [2.165]
Aza odian-tsy hita, ohatra ny tonom-bomanga vory vahiny. [2.653]
Odian-tsy hita, ohatra ny tonom-bomanga vory olona. [2.653]
Odian-tsy hita tahaka ny tonom-bomanga vory vahoaka. [2.558 #3389]
Dikanteny frantsayNe faites pas comme quelqu' un rôtissant des patates au moment où un étranger arrive, (et qui s' empresse de les recouvrir de cendres pour que l' autre ne les voie pas). [2.165]
Fanazavana frantsayEt ainsi il n' aura pas besoin de lui en offrir! [2.165]

Ohabolana 3Ny anankiray tambatambazan-kambakaina, fa ny iray hodian-tsy hita nefa lalaina. [2.558 #2866]
Ny anankiray tambatambazan-ko ambakaina; ary ny anankiray hodian-tsy tiana, nefa lalaina. [2.653 #2150]
Ny iray tambatambazan-kambakaina, ny iray mody tsy tian-kolalaina. [2.165 #504, 2.415 #4935]
Dikanteny frantsayOn cajole l' un pour pouvoir mieux le tromper, et l' on fait semblant de ne pas aimer l' autre pour provoquer une affection plus grande. [2.165 #504]
On caresse l' un pour mieux le tromper, et l' autre fait semblant de ne pas être aimé pour l' être davantage. [2.415 #4935]

Ohabolana 4Odian-tsy tiana ohatra ny varin' amboa mahamay. [2.558]
Odian-tsy tiana, tahaka ny varin' amboa mahamay. [2.653]
Odian-tsy tiana tahaky ny varin' amboa mahamay. [2.415 #5127]
Dikanteny frantsayQu' on fait semblant de ne pas aimer, comme le chien a l' air de ne pas aimer son riz trop chaud. [2.415 #5127]
Fanazavana frantsaySe disait du jeu de l'amour ; se disait aussi de ceux qui feignaient de ne pas vouloir acheter, ou faire un contrat. [2.415 #5127]

Fizahan-teny