|
|
|
|

Teny iditra mamo (hamo)
Sokajin-teny mpamaritra
 Nihinana na nisotro zavatra be loatra ka nanjary tsy tia intsony; lao: Mamom-paraky ny anao lahy
Very saina noho ny herin' ny zavapisotro mahery nosotroina: Mamo maty izy ka noraofina tany an-tatatra
Mitovy hevitra: birika ~ didy ~ doroka ~ jaonjaona ~ jobo ~ leon-toaka ~ mamo be ohatra ny omby ~ mamo maty ~ manao tari-damba ~ mandraingiraingy ~ mandrefy lalana ~ mena maso ~ mienjika ~ mirediredy ~ mitadidy ~ mivembena ~ tafiditra ~ trabo ~ varivariny ~ very saina [1.1]
 Drunk; disgusted; tired out [1.7]
 Ivre; dégoûté; épuisé [1.8]
Sampanteny 

Teny iditra mamo
Sokajin-teny mpamaritra
  [Taisaka] sorena [1.78]

Teny iditra mamo
Sokajin-teny anarana
  [Taisaka] moka [1.78]
Voambolana 

Teny iditra Mamo
Sokajin-teny anaram-poko
Voambolana 

Nohavaozina tamin' ny 2023/10/19