|
|
|
|

Teny iditra (1/2)1  dihy
Sokajin-teny  2  anarana
Fanazavàna teny malagasy  3  [1.1] fampisehoam-pihetsehana ataon' ny tena manontolo: loha, tanana, tongotra, ary indraindray koa aza ny vatana, mba hanehoana fifaliana
Toetran' ny fanidin' ny vorona eny amin' ny habakabaka raha tsy mihetsika na mikopaka ny elany
Fanazavàna teny anglisy  4  [1.2] a dance, dancing in the native style. See danise, tsinjaka
5  [1.7] a dance, dancing
Fanazavàna teny frantsay  6  [1.3#102, 1.8] danse
7  [1.3#102] sautillement, tournoiement de la toupie, du fuseau
le trémoussement des ailes d’un oiseau planant au même point
Ohatra  8  Velona indray ny hira amana dihy natao teo tamin' ny ndeha hangataka iny. [2.245]
9  Inona kosa, hoy Noro nony efa nitonitony izy, no tsy nitiavanao ny dihy? [2.5]
10  Tsimpony ny teny rehetra mampiseho ny maha-malagasy ny dihy sy ny mpandihy. [2.313]
Sampanteny 
11  Matoantenin' ny mpanao :
12  Matoantenin' ny iharana :
13  Matoantenin' ny fameno :
14  Anarana :
Tovy hevitra  15  danise, tsinjaka
Mpanahaka  16  tsinjaka, sahoby, totorebika, tsipisandry, velatanana, dihy soroka, dada, jaiko, soamaroroka, tsaramiera, soratra, afindrafindrao, salegy
Kamban-teny 
Lohateny  29  Dihin' ny voninkazo (Randriamamonjy Esther)
30  Dihy (Rabearivelo Jean-Joseph)
Ohabolana  31  Ohabolana misy io teny dihy io

Teny iditra (2/2)32  Dihy
Singan-teny  33  dihy
Sokajin-teny  34  anarana (lohatenin-tononkalo) [Fitanisana]
Voambolana  35  Haisoratra: tononkalo
Mpanoratra  36  Rabearivelo Jean-Joseph
Lahatsiratra manontolo 
37  Ritsodritso-baliha telo,
38  gobogobok' ampongatapaka,
39  lokanga dimy indray dinidy
40  sy sodin-taolana tsara loaka.

41  Io misonenika Ratovovavy,
42  miakanjo manga marain-droa !
43  Ny lamba valaka mavokely;
44  raozy gasy ao anaty volo.

45  Tsoakam-bero sa bararata
46  mihararetra any amoron' ala ?
47  Sidintsidin' ny andro meva,
48  sa angidi-mangan' ny eny an' ony?

49  Io misonenika Ratovovavy,
50  moana tahaka ny Fiadanana;
51  valiha telo, ampongatapaka,
52  lokanga, sodina no indray henony.

53  Fa injay ny molony mangovingovitra,
54  ipololoran'ny nofinofy;
55  tsy toha intsony ka zary kalo,
56  dia zary hira nony efa avy eo.
57  Mba hontsa koa Ravaviantitra,
58  ka io mirotsaka mba handihy,
59  mitari-joro ny ila sikiny,
60  dia toy ny androny mirefarefa.

61  Tsy kalokalo na hirahira
62  no mampifelana izato endriny,
63  ranomaso no mamonto azy,
64  mahatsiaro ny maty rehetra...

65  Mahatsiaro... Toa fenomanana
66  efa ho rendrika tsy ho hita.
67  inty mihintsana ny lohataona
68  ka zary fasana ravi-maina...

69  Dia mifanojo ny loha tondro,
70  ny tondro mihantsin-dRatovovavy
71  sy ny tondro efa fola-dRavaviantitra,
72  samy tanteraky ny hazavana.

73  Mifanojo ka toa tetezana
74  ifanohizan' ny alin-kely
75  efa foy ery an-tendrombohitra,
76  sy ny andro maneno akoho !

Fivaditsoratra  77  dihy, Dihy, hidy

Nohavaozina tamin' ny 2025/02/08