|
|
|
|

Teny iditra (1/3)1  fampitaha
Sokajin-teny  2  anarana
Fototeny  3  taha
Kamban-teny rehetra 
Fanazavàna teny malagasy  5  [1.1] Kilalao fanaon' ny ankizivavy izay mifaninana mba hahitana izay tsara tarehy sy mahay mandihy: mifanao andaniny roa izy ireo, ka samy mifidy tovovavy iray ravahany araka ny fahaizany avy. Rehefa vonona avy izy roa dia samy miseho ary samy rafitra mampiseho ny fahakingany mandihy avy: ny be sy ny maro no mitsara
Fanazavàna teny anglisy  6  [1.2] A children's game.
Fanazavàna teny frantsay  7  [1.3] Ancien amusement des souveraines consistant à faire parer des personnes et à les faire danser au palais, (on adjugeait la palme à la plus capable, à la plus belle); les petiles filles continuent encore ce jeu sur les places publiques, surtout au Fandroana, se parent la téte avec des fleurs et dansent deux à deux, l'une en face de l'autre
Ohatra  8  [2.69] Voampo na voangivy notohizina natao ravaky ny ankizy, nanao fampitaha.
9  [2.117] Ao ireo efa tsy hita intsony toy ny fampitaha, ny tamaboha ary ny fandriro-bola.
Voambolana  10  Kilalao

Teny iditra (2/3)11  fampitaha
Sokajin-teny  12  anarana
Fototeny  13  taha
Fanazavàna teny frantsay  14  [1.68] [Vezo] façon de faire soigner

Teny iditra (3/3)15  Fampitaha
Sokajin-teny  16  anarana (gazety)
Singan-teny  17  fampitaha
Voambolana  18  Mpanonta printy, gazety

Fivaditsoratra  19  fampahita, Fampitaha, fampitaha, pahafatim

Nohavaozina tamin' ny 2025/08/10