|
|
|
|

Teny iditra 1  Ny Tendrombohitra roambinifolo
Singan-teny  2 tendro, 3 vohitra, 4 roa, 5 amby, 6 folo
Sokajin-teny  7  kambanteny
Fanazavàna teny malagasy  8 Ny Tendrombohitra Roambinifolo na Tendrombohitra Masina dia ireo toerana nisy razan' andriana na nametrahan' Andrianampoinimerina ny vadiny aman-janany hampandry tany, ary nanorenany rova sy lapa, misy kianja sy vatomasina fisaorana amin' my omby volavita isam-pandroana. Tsy roambinifolo ihany akory izy ireo fa mahatratra enina amby roapolo satria niampy arakaraka ny nandrosoan' ny famorian' Andrianampoinimerina an' Imerina enin-toko. Ireto ny anaran' ireo Tendrombohitra ireo:
9 1. Valo tao Avaradrano : Ambohimanga, Antananarivo, Ambohidrabiby, Ilafy, Namehana, Imerimandroso, Amboatany, Ikaloy.
10 2. Fito tany amin' ny Vakinisisaony : Ampandrana, Imerimanjaka, Alasora, Iharanandriana, Andramasina, Tsiafahy, Ambatomanga.
11 3. Telo tany amin' ny Marovatana : Ambohidratrimo, Ampananina, Ambohimirimo .
12 4. Dimy tao amin' Ambodirano : Androibe, Antsahadinta, Fenoarivo, Vatolaivy, Ambohibeloma.
13 5. Telo tao amin' ny Vakinankaratra : Iarivo, Imanandriana, Ambositra.
14 Nisy koa Tendrombohitra Roambinifolo notondroin' Andriambahoaka II tany Imamo . Ireto ireo Tendrombohitra ireo : Ambohiniazy, Ambohitrambo, Ambohitrondrana, Arivonimamo, Ambatomanjaka, Ambohitrantenaina, Ambohibolondrano, Ambohipolo, Ambohibeloma, Ambohitsara, Ambohijato, Ambohitrona. [2.508#423]
Fanazavàna teny anglisy  15 Three criteria define a holy hill in Imerina:
16 1.1 a burial place for princes and kings
17 1.2 a place to pay tribute to princes and kings
18 1.3 a residence of one of Andrianampoinimerina's official wives
19 Four criteria identify the personnality of the holy hills:
20 2.1 hills of a relatively important altitude above the surrounding rice fields
21 2.2 hills having or having had a fort (rova)
22 2.3 hills having one or more tombs of princes or kings, and other relics still attracting pilgrims
23 2.4 hills having royal or princely housing, or a public meeting plazza (kianja) [2.505]
Fanazavàna teny frantsay  24 Trois critères définissent une colline sacrée en Imerina:
25 1.1 colline où l'on enterrait les princes et les souverains
26 1.2 colline où l'on rendait hommage aux princes et souverains
27 1.3 colline où Andrianampoinimerina a installé une des ses épouses officielles.
28 Quatre critères identifient la personnalité des collines:
29 2.1 collines d'altitude plus ou moins importante par rapport aux bas-fonds rizicoles environnants
30 2.2 collines abritant ou ayant abrité un rova
31 2.3 collines accueillant un ou des tombeaux princiers ou royaux et objets de pélerinages contemporains
32 2.4 collines ayant fait l'objet de divers aménagement allant de l'habitat princier ou royal au kianja, place publique de réunion. [2.505]

Nohavaozina tamin' ny 2026/03/06