Teny iditra potraka
Sokajin-teny matoanteny mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy Lavo: Nisolafaka izy ka potraka
Hevitra ohatra: Ny ketraka mora mivarina / Miroraka tonga kanosa; / Ny potraka nefa tafarina / Ireny ha olona kosa (Ny Avana)
Nianjera: Potraka avy teny an-davarangana ilay zaza
Miongana, mihem-boninahitra, nesorina amin' ny raharahany: Fatra-panao ny tsy rariny ny anao ka potraka
Mitovy hevitra: lavo ~ mianjera ~ miankarapoka ~ miantofoka ~ miantonta ~ mibolaly ~ mibolasitra ~ mibolila ~ mibolisatra ~ midaboboka ~ midaboka ~ midalaboboka ~ midaroboka ~ midarofoka ~ mihohoka ~ mikodia ~ mikodingidingy ~ mikodingy ~ miongana ~ misobilatra ~ misolafaka ~ misolifaka ~ misolifatra ~ mitalaboboka ~ mitatavoka ~ mitotongana ~ mitrosina ~ mitrotrongy ~ mitsimbadika ~ mitsingadina ~ mitsingatotra ~ mitsingidina ~ mitsingoana ~ mitsinkasina ~ mitsirara ~ mivadika ~ mivalangitrika [1.1]
Fanazavàna teny anglisy Fallen, fallen away [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Tombé, déchu [1.8]
Ohatra 
1Ny potraka nefa tafarina, Ireny ka olona kosa! [2.298]
2dia mandoa sazy vola ariary 100, fa miandry teza ho potraka izany. [2.48]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : potraka, potrako, potrakao, potrany, potratsika, potrakay, potrakareo, potrak', potra-
Ny lasa : potraka, potrako, potrakao, potrany, potratsika, potrakay, potrakareo, potrak', potra-
Ny hoavy : ho potraka, ho potrako, ho potrakao, ho potrany, ho potratsika, ho potrakay, ho potrakareo, ho potrak', ho potra-
Sampanteny 
Kamban-teny 

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/10/07