Teny iditra | tsodrano (tsoka, rano) | |
Sokajin-teny | fomba fiteny | |
Famaritana malagasy | (taloha) Rano nafafy tamin' olona na natao tao am-bava dia notsofina hifafy aminy, ka ny nofafazana tamin' io rano io indrindra dia ny olona marary na ny handeha hivahiny lavitra (ilay tsodrano natao tao am-bava dia natao koa hoe ranom-bavaka) ¶ (ankehitriny) firarian-tsoa heverina ho manan-kery, avy amin' ny olon-dehibe na ray aman-dreny: Omeo ny tsodranonao aho, ry dada, fa hanambady ¶ (ankehitriny) vola kely omena ny tompon-draharaha ho maripihavanana raha misy hasoavana, fanambadiana: Manatitra tsodrano ¶ Anaran' ny vola ampiarahina amin' ny tsodrano: rom-patsa, patsan' ny mpifana, tsodranon-jaza, fenakoho, vodiakoho, zara fihinanana, fanaovam-beloma, fandraisantanana, ro mafana [Rajemisa 1985] | |
Fandikana frantsay | [ tso-drano ] aspersion, bénédiction, souhaits d'adieu ¶ action de céder [Abinal 1888] | |
Ohatra | Dia lasa ny vahiny, narahan' izy mivady saotsaotra sy tsodrano. [Andraina: Mitaraina, takila 118] | |
Nohavaozina tamin' ny 2020/07/31 |
![]() |