Teny iditra |
akora
|
Sokajin-teny | anarana
|
Fanazavàna teny malagasy | Antsoantso mafy, mety ho mari-pifaliana entina mihoby na midera, na ho mari-panesoana entina mandatsa na manebaka. [1.1]
|
Fanazavàna teny anglisy | Shouting, applause; a noise such as is made over a conquest, or in time of joy. See hoby, horaka.
Foy ny akora (there is a burst of shouting)
Velona ny akora (the shouting breaks out) [1.2]
|
| Shouting; jeers [1.7]
|
Fanazavàna teny frantsay | Acclamation; huées [1.8]
|
Sampanteny |
Kamban-teny |
|
Anaran-toerana |
|
Ohabolana |
|
Teny iditra |
akora
|
Sokajin-teny | anarana
|
Fanazavàna teny malagasy | [Tanala]
Sifotra (an-tanety na an-drano) [1.78]
|
| [Bezanozano, Taifasy, Taimoro, Taisaka, Tambahoaka, Tanosy]
Sifotra [1.78]
|
| Fonom-biby na fonon-javatra, fotsifotsy, mafy, mitovy toetra amin' ny sokay, izay miforona avy amin' ny zavatra mandrakotra ny biby ihany: Ny akoran' ny sifotra, na avy amin' ny zavatra haniny: Ny akoran' atody [1.1]
|
| [Sakalava]
Sifotr' ala [1.1]
|
| Fonon'atody; fono mandrakotra ny sifotra [1.13]
|
Fanazavàna teny anglisy | A shell; a shell-fish. [1.2]
|
| Seashells; coral [1.7]
|
Fanazavàna teny frantsay | Coquillage; la coque des oeufs [1.8]
|
| Coque, coquille [1.13]
|
Voambolana |
Kamban-teny |
|
Anaram-biby |
|
Sary |
|
|
Teny iditra |
akora
|
Sokajin-teny | anarana
|
Fanazavàna teny malagasy | Vato na mineraly tsy voadio [1.13]
|
Fanazavàna teny frantsay | Minéraux [1.13]
|
Tovy hevitra | |
Kamban-teny |
|
|