|
|
|
|

Teny iditra (1/4)1  alina
Sokajin-teny  2  mpamaritra
Sampanteny 
3  Mpamaritra :
Voambolana  4  Matematika: rafitrisa
Fanazavàna teny malagasy  5  Arivo folo na arivo impolo; raha atao tarehimarika, dia 10.000: Dimy arivo sy telo alina ariary no vidin' itỳ tany itỳ. [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  6  ten thousand. [Mal. laska(?); sanscrit lasha.] [1.2]
7  ten thousand [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  8  dix mille [1.8]
Isam-pirenena  9  10000 ~ 10 000 ~ 10.000 ~ 10,000 [3.1]
Ohatra  10  sy boriky arivo amby enina alina, [2.996]
Kamban-teny 
Anaran-toerana 
Tsanganana sy sary iray takila  14  Ny isa
Lahatsoratra  15  Andriamihaja: Fanisana vaovao

Teny iditra (2/4)16  alina
Sokajin-teny  17  anarana
Sampanteny 
18  Matoantenin' ny mpanao :
19  Matoantenin' ny fameno :
20  Anarana :
21  Mpamaritra :
22  Tambinteny :
Fanazavàna teny malagasy  23  fotoana tsy anazavan' ny masoandro ny tany, izany hoe hatramin' ny ilentehan' ny masoandro ka hatramin' ny iposahany indray ka itankizinan' ny tany ao anatin' ny haizina: Tonga ny alina: indreny mimpendrampendrana ny kintana eny amin' ny lanitra
24  haizina: Ao anatin' ny alin' ny tsy fahalalana [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  25  night, darkness, pertaining to the night. [Mal. ma'lam, mysol malch, night.] [1.2]
26  night [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  27  nuit [1.8]
Ohatra  28  aza manan'eritreritra hianao
hozaraiko ny andro sy ny alina
ka ny alina azy
ny antoandro anao
[2.131]
29  Indray alina dia nanonofy Razaimalala. [2.324]
Kamban-teny 
Lohateny 
Ohabolana  42  Ohabolana misy io teny alina io
Lahatsoratra  43  Randzavola: alina ao amin' ny Baiboly (=> andro)

Teny iditra (3/4)44  alina
Sokajin-teny  45  mpamaritra
Sampanteny 
46  Matoantenin' ny iharana :
47  Anarana :
48  Mpamaritra :
49  Tambinteny :
Fanazavàna teny malagasy  50  lany andro, very fotoana, tratra aoriana: Alina foana eo ianao raha hiandry azy [1.1]
Fanazavàna teny frantsay  51  qui est en retard, surpris par la nuit; qui se fatigue en vain: Alina foana eo hianao (Vous n'en viendrez pas à bout) [1.3]
Kamban-teny 

Teny iditra (4/4)53  alina
Sokajin-teny  54  anarana
Fanazavàna teny anglisy  55  provincial for adina [Provincial] [1.2]

Fivaditsoratra  56  Alain, alain', alina, anila, ilana, laina, lania, liana

Nohavaozina tamin' ny 2023/07/19