Teny iditra milaza (laza)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy Manambara hevitra na zava-miseho na baiko na hafatra amin' ny alalan-ny fitenenana; manambara, mitantara, mandidy, manafatra, miresaka, mampahafantatra, mampahalala, manome teny, manome baiko, amin-ny alalan-ny fitenenana. Indro izaho milaza teny soa mahafaly aminareo... [1.10]
 Mampahalala zavatra amin' ny alalan' ny teny na soratra: Hilaza zava-baovao mahatalanjona aminao aho
Maneho ny hevitry ny tena: Nilaza izy fa ho tonga
Mamoaka ampahibemaso: Nilaza ny lehiben' ny governemanta fa izay tratra mangalatra omby dia hofaizina mafy
Mitory, manambara: Efa mahay mandainga Ikotokely; milaza izany fa efa vory saina ny adalalahy
Mitantara: Latsa-dranomaso izy nilaza ny zava-nitranga tamin' ny 13 mey
Mitovy hevitra: mamaky volana ~ mamboraka ~ mamisavisa ~ mamosaka ~ manaboraka ~ manao tsy lian-tsofina ~ maneho ~ mitanisa ~ mitantara ~ mitory ~ miventy [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To tell, to say, to inform; to report, to tell off, to refer to [1.2]
Fanazavàna teny frantsay Dire [1.3, 1.5]
 Publier, annoncer, déclarer, signifier, narrer [1.3]
Ohatra 
1Ary tandremo sao mandositra à, milaza aho izany [2.470]
2Milaza ianao fa tia ahy, hoy izy nony ela [2.471]
3Misy olona milaza fa ny asam-pambolena dia sahala amin' ny asa rehetra ihany [2.472]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : milaza
Ny lasa : nilaza
Ny hoavy : hilaza
Filaza mandidy : milazà
Kamban-teny 
Ohabolana 

Teny iditra mila (laza)
Sokajin-teny filaza mandidin' ny matoantenin' ny mpanao milaza [fitanisana]
Ohabolana 

Nohavaozina tamin' ny 2024/02/25