Teny iditra vizana
Sokajin-teny mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy Sasatra amin' ny tsy fihetsehana eo amin' ny toerana iray, amin' ny fomba fipetraka iray tsy miova, amin' ny fihetsehana iray tsy miova: Vizan' ny niandry azy aho ka farany Lasa nody tany an-trano
Reraka, osa: Vizana mafy loatra aho ka aoka kely aloha mba handrihandry eto
Mitovy hevitra: disaka ~ fotsy angola ~ honaka ~ lanaka ~ mangana ~ marafoka ~ masaka ~ maty hentona ~ mirozirozy ~ monaina ~ refona ~ reraka ~ ronaka ~ ronjana ~ rontsona ~ sasatra ~ savolaina ~ tominjana ~ toro ~ torovana ~ trotraka ~ tsy mahahetsika ~ vahotra ~ valaka ~ valalanina ~ vizaka [1.1]
Fanazavàna teny anglisy Tired; weary or cramped from holding one position [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Fatigué de la même position, de regarder, fatigué du même mouvement, tombant de lassitude [1.3]
 Las, fatigué [1.8]
Ohatra 
1Ny andro ity mafanafana ihany ka sao vizana ambony ihany ianao raha manaraka ahy amin' ny alehako any. [2.470]
2Olona tsy vanona sy tsy valahara mianakavy, hoy izy nony vizana ka nijanona. [2.472]
Haiendriteny 
Tsotra : vizana, vizan', visan-
Sampanteny 
Tovy hevitra vizaka
Kamban-teny 
Ohabolana 

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2020/07/31