|
|
|
|

Fizahan-teny

Ohabolana : efa

Ohabolana 1Finoman-drano an-tanana : tsy efan’ ny indraika. [1.147]

Ohabolana 2Haninkanina tsy efan’ ampetra. [1.147 #H13]

Ohabolana 3Hivalo fanahy tsy haditra aho fa hanaraka ny efanareo. [2.558 #1351, 2.653 #1079]
Mivalo fanahy tsy haditra aho, fa hanaraka ny efanareo. [2.415 #6355]
Dikanteny frantsayJe demande pardon de toute mon âme, je ne m' obstinerai plus, mais je suivrai votre conduite. [2.415 #6355]

Ohabolana 4Ny herim-pihavanana : ny havana havana ihany, tsy efan' olona afa-tsy ny havana. [2.415 #1118]
Dikanteny frantsayTelle est la force de la parenté : les parents seuls sont parents, on n' est tiré d'affaire et délivré que par les parents. [2.415 #1118]
Fanazavana frantsayPersonne ne montre un dévouement égal à celui des parents. [2.415 #1118]

Ohabolana 5Ny hoby tsy efan' ny irery. [2.415 #5208, 2.653 #2267]
Dikanteny frantsayUn seul homme ne peut pas faire le hoby pour acclamer le souverain. [2.415]
Fanazavana frantsayNécessité de l' union. [2.415]

Ohabolana 6Ny raharahan' ny maro tsy efan' ny vitsy. [2.415 #3291, 2.653 #2393]
Dikanteny frantsayL' affaire de beaucoup ne peut pas être accomplie par quelques-uns. [2.415 #3291]
Fanazavana frantsaySe disait dans les réunions de famille où l'on devait délibérer sur les affaires de la famille. [2.415]

Ohabolana 7Taon-trano tsy efan' ny irery. [2.558 #4114]
Tao trano tsy efan' ny irery. [1.1]
Fanazavana malagasyEnti-milaza fa ny zavatra lehibe tsy vita raha tsy ifanakonana, ifanampiana, iaraha-manao maro. [1.1]

Fizahan-teny