|
|
|
|

Teny iditra1  voninahitra
Sokajin-teny  2  anarana
Fanazavàna teny malagasy  3  Fankatoavana olona noho ny hatsaram-panahiny na fahaizany na zavatra lehibe vitany: Nahazo voninahitra izy tamin' ny nandreseny ny fahavalo 4  Fiamboniana, fiandrianana: Nitandro mafy ny voninahiny izy ka tsy nanaiky ny hiray tetika amin' ny olon-dratsy 5  Mariky ny hambonian-toerana na laharana ananana eo amin' ny firenena: Natao roa ambin' ny folo voninahitra izy 6  Dera sy laza: Voninahitra anie ho an' ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina. [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  7  glory, honor [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  8  gloire, honneur [1.3, 1.8]9  grade, dignité [1.3]10  (de vony : fleur et ahitra : les herbes, notamment les Poaceae). Nom qui a pris le sens abstrait de : honneurs, grades militaires, dignité, etc. Les rois malgaches se comparaient eux-mêmes aux fleurs des Poaceae ; leur peuple représentant les racines et les tiges, d'où la notion de solidarité entre le peuple et son roi : si les tiges se fanent, la fleur est également détruite [1.196]
Ohatra  11  tamin' ny Alakamisy 3 Septembre 1868 no nisehony tamim-boninahi-lehibe tao Andohalo [2.649#1111]
12  nampodina avokoa ny voninahitry|voninahitro izay niongana tamin dReniny, dia nody ny voninahitry|voninahitro [2.59#32]
13  Ary ny manamboninahitra irak' andriana niaraka tamin-dRainiliza 15 voninahitra sy Rainiboana 15 voninahitra sy Ratsimitamby 14 voninahitra sy Rainivaomialy 13 voninahitra [2.366]
Haiendriteny 
14  Tsotra :
15  Tovonana :
Singan-teny  16  vony, ahitra
Kamban-teny 
Anaram-javamaniry 
Ohabolana  24  Ohabolana misy io teny voninahitra io
Lahatsoratra  25  Randzavola: voninahitra ao amin' ny Baiboly

Nohavaozina tamin' ny 2023/06/06