Teny iditra lehibe
Singan-teny lehy ; be
Sokajin-teny mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy Enti-milaza olona na biby sady avo ranjanana no be vatana, na zavatra makadiry, ngeza: Trondro lehibe, trano lehibe
Mitovy hevitra: beboko ~ bevava ~ bolangina ~ bontolo ~ botrefona ~ dabe ~ debo ~ dobara ~ dobarabe ~ dofa ~ donga ~ fonetana ~ fonitra ~ goaibe ~ goavana ~ goay ~ goma ~ gomabe ~ makadiry ~ mokany ~ ngeza ~ tsy ahombiazana ~ tsy anoharana ~ tsy mifanerana ~ tsy omby fo ~ vaventy ~ vokatra ~ vokavoka ~ vongavonga [1.1]
Fanazavàna teny anglisy Big, large; old [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Grand; âgé [1.8]
Ohatra 
1Ao izany lehilahy lehibe mihaja. [2.499]
2Ary iza ity lehilahy lehibe ity? [2.442]
3Lehibe ny alahelo azo avy amin'izany! [2.59]
Sampanteny 
Kamban-teny 
Ohabolana 

Teny iditra lehibe
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Ny mpifehy, ny mpitondra: Ho tonga hamangy antsika rahampitso ny lehibe
Ny tale, ny filoha: Ny lehiben' ny mpitsara, ny lehiben' ny sekoly. [1.1]
Fanazavàna teny anglisy The chief one [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Chef [1.8]
Kamban-teny 

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/06/05