|
|
|
|

Fizahan-teny

Ohabolana : masina

Ohabolana 1Abidy nahazo masina : tsy ampiana koa. [1.147 #A3]

Ohabolana 2Andriana tsy ialan-kaforo, tsy masina. [2.415 #367]
Dikanteny frantsayUn souverain auquel on ne sacrifie pas ses forces et sa vie, c' est un souverain qui n' est pour ainsi dire pas encore sacré. [2.415 #367]
Fanazavana frantsayOn se doit tout entier au souverain. [2.415 #367]

Ohabolana 3Aoka ho samy masina an-taniny. [2.558 #328]
Aoka ho samy masina an-toerany. [2.415 #837, 2.653 #279]
Dikanteny frantsayQue chacun soit libre dans sa position. [2.415 #837]

Ohabolana 4Intelo fito, isa masina. [2.415 #126]
Dikanteny frantsayTrois fois sept, c' est un nombre sacré. [2.415 #126]
Fanazavana frantsayCe nombre jouait un grand rôle dans les divinations. [2.415 #126]

Ohabolana 5Mpaminany tsy masina antaniny. [1.1]
Mpisikidy tsy masina an-taniny. [1.1]
Fanazavana malagasyEnti-milaza ny olona tsy inoan' ny ao an-tanana misy azy na dia mahay aza. [1.1]

Ohabolana 6Natsangako kiady, nazerany, nalahatro vato, nakorontany, koa veloma ry tantely lava, masina ry tantely fohy, fa lany haika izaho havanareo. [2.558 #2771]
Natsangako kiady, nazerany ; nalahatro vato, nakorontany; veloma, ry tantely lava; masina, ry tantely fohy, fa lany haika aho. [2.653 #2097]

Ohabolana 7Ny vato masina mahandriana. [2.415 #243]
Ny vony vato mahandriana. [2.415 #244]
Dikanteny frantsayLa pierre est bien en évidence et produit un souverain. [2.415 #244]
La pierre sacrée fait le souverain, elle le manifeste. [2.415 #243]
Fanazavana frantsayIl s'agit de la pierre sacrée où le souverain était sacré. [2.415 #244]
Les souverains'malgaches étaient sacrés sur une pierre ; on croyait qu' une sorte de vertu divine résidait dans certaines pierres et que le souverain recevait de la pierre sacrée, une vertu qui le consacrait. [2.415 #243]

Ohabolana 8Raha misorona andriana mahakizo fara : andriana tsy ialan-kaforo kosa tsy masina. [2.415 #392]
Dikanteny frantsayCacher la vérité au souverain, c' est attirer la ruine : un souverain auquel on ne sacrifie pas ses forces et sa vie, n' est pour ainsi dire pas encore sacré. [2.415 #392]
Fanazavana frantsayDieu ne bénit pas les gens qui ne savent pas se dévouer au souverain. [2.415 #392]

Ohabolana 9Sikajy be natolak’ i Mananjara, nanolaka an’ i Mananjara; fanidy koa masina, ny voay tsy mihetsika. [1.147 #S34]

Ohabolana 10Vato masina isehoan' ny andriana. [2.415 #268]
Dikanteny frantsayLa pierre sacrée manifeste le souverain. [2.415 #268]
Fanazavana frantsayLors de son sacre le souverain se montrait à son peuple sur la pierre sacrée dont il était censé recevoir une vertu sacrée. [2.415 #268]

Ohabolana 11Vato maty sy ody tsy masina : mandrenesa, ry samy ratsy. [2.415 #142, 2.558 #5052, 2.653]
Dikanteny frantsayPierre sans dureté et amulette inefficace : écoutez, ô vous qui êtes deux mauvaises. [2.415 #142]
Fanazavana frantsayCe proverbe se disait des choses qui ne répondent pas à la signification de leur nom et à ce qu'on attend d' elles ; il se disait aussi des choses qui ne valent rien. [2.415 #142]

Ohabolana 12Zanahary masina, lanitra nasian-tsira : masina ambonin’ ny masina. [1.147 #Z4]

Fizahan-teny